Josoa 15:1-63

15  Ary ny anjaran’ny fokon’ny taranak’i Joda, araka ny fianakaviany avy, izay azony tamin’ny antsapaka,+ dia nitatra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Edoma+ sy ny tany efitr’i Zina+ ary ny farany atsimon’i Negeba.+  Ny sisin-taniny atsimo dia nanomboka teo amin’ny sisin’ny Ranomasin-tsira,+ teo amin’ilay helodrano mitodika mianatsimo,  ary nianatsimo nankany amin’ny fiakarana Akrabima+ ka nitohy hatrany Zina,+ dia niakatra avy teo atsimo nankany Kadesi-barnea+ ka nitohy hatrany Hezrona, dia niakatra nankany Adara ka nivily nankany Karka,  dia nitohy hatrany Azmona+ ka nivoaka nankany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta,+ ary nifarana tany amin’ny ranomasina. Izany no sisin-taniny atsimo.  Ny sisiny atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatrany amin’ny faran’ny Reniranon’i Jordana. Ary ny sisin-tany tamin’ny zorony avaratra dia nanomboka teo amin’ny helodranomasina, eo amin’ny faran’i Jordana+ koa.  Niakatra nankany Beti-hogla+ ilay sisin-tany ka nitohy tany avaratr’i Beti-araba,+ ary niakatra hatrany amin’ilay vaton’i Bohana+ zanak’i Robena,  dia niakatra nankany Debira izay eo amin’ny lemaka ivan’i Akora,+ ka nivily nianavaratra nihazo an’i Gilgala+ tandrifin’ny fiakarana Adomima izay eo atsimon’ny lohasaha falehan-driaka, ary nitohy nankany amin’ny ranon’i En-semesy,+ dia nipaka hatrany En-rogela.+  Ary nitohy ihany ilay sisin-tany ka niakatra nankany amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ nankeo amin’ny ilany atsimo amin’ny tehezan-kavoanan’ny Jebosita,+ izany hoe Jerosalema,+ ary niakatra nankeo amin’ny tampon-tendrombohitra tandrifin’ny ilany andrefana amin’ny lohasahan’i Hinoma. Eo amin’ny sisiny avaratra amin’ny lemaka ivan’ny Refaima+ io tendrombohitra io.  Ary nosoritana nanomboka teo an-tampon’ilay tendrombohitra ka hatrany amin’ny loharanon’i Neftoa+ ilay sisin-tany, ary nivoaka nankany amin’ireo tanàna teny amin’ny Tendrombohitra Efrona, ka nitohy hatrany Bala,+ izany hoe Kiriata-jearima,+ 10  ary avy teo Bala indray no nivily niankandrefana nankany amin’ny Tendrombohitra Seira, ka nitohy hatrany amin’ny tehezany avaratra amin’ny Tendrombohitra Jearima, izany hoe Kesalona, ary nidina nankany Beti-semesy+ ka nitohy hatrany Timna,+ 11  dia nivoaka nankany amin’ny tehezany avaratra amin’i Ekrona,+ ary avy eo dia nosoritana nankany Sikerona ka nitohy hatrany amin’ny Tendrombohitra Bala ary nivoaka nankany Jabniela, dia nifarana tany amin’ny ranomasina. 12  Ary ny sisiny andrefana dia ny Ranomasina Lehibe+ sy ny morontsiraka. Izany no sisin-tany manodidina ny lovan’ny taranak’i Joda, araka ny fianakaviany avy. 13  Ary nomena anjara teo amin’ny taranak’i Joda i Kaleba+ zanak’i Jefone, araka ny baikon’i Jehovah tamin’i Josoa. Eny, nomena azy i Kiriata-arba, izany hoe Hebrona.+ Izany Arba izany no rain’i Anàka. 14  Koa noroahin’i Kaleba niala tao ny zanak’i Anàka+ telo lahy, dia i Sesay+ sy Ahimana ary Talmay,+ izay terak’i Anàka.+ 15  Ary niakatra avy tao i Kaleba ka nankany amin’ireo mponin’i Debira.+ Kiriata-sefera+ no anaran’i Debira talohan’izay. 16  Ary hoy i Kaleba: “Izay mamely an’i Kiriata-sefera ka mahazo an’io tanàna io, dia homeko ho vadiny i Aksa+ zanako vavy.” 17  Dia namabo an’ilay tanàna i Otniela,+ zanak’i Kenaza,+ rahalahin’i Kaleba. Koa nomen’i Kaleba azy i Aksa+ zanany vavy ho vadiny. 18  Rehefa nandeha ho any an-tranon’i Otniela i Aksa, dia nampirisihiny foana i Otniela hangataka saha tamin’i Kaleba rainy. Ary nitehaka teo ambony ampondrany i Aksa, ka hoy ny rainy: “Inona no ilainao?”+ 19  Dia hoy i Aksa: “Mba omeo tsodrano aho, fa sombin-tany any atsimo no nomenao ahy, ka mba omeo ahy koa i Golota-maima.” Dia nomeny azy i Golota Ambony sy Golota Ambany.+ 20  Izany no lovan’ny+ fokon’ny taranak’i Joda,+ araka ny fianakaviany avy. 21  Ireto avy ny tanàna teny an-tsisin’ny tanin’ny fokon’ny taranak’i Joda, tandrifin’ny sisin-tanin’i Edoma+ any atsimo: Kabzela,+ Edera, Jagora, 22  Kina, Dimona, Adada, 23  Kedesy, Hazora, Itnana, 24  Zifa, Talema,+ Bealota, 25  Hazora-hadata, Keriota-hezrona, izany hoe Hazora, 26  Amama, Sema, Molada,+ 27  Hazara-gada, Hesmona, Beti-paleta,+ 28  Hazara-soala,+ Beri-sheba,+ Biziotia, 29  Bala,+ Ima, Azema,+ 30  Eltolada, Kesila, Horma,+ 31  Ziklaga,+ Madmana, Sansana, 32  Lebaota, Silima, Aina,+ ary Rimona.+ Sivy amby roapolo ny tanàna rehetra, mbamin’ny tanàna keliny. 33  Ireto avy kosa ny tanàna tany Sefela:+ Estaola,+ Zora,+ Asna, 34  Zanoa,+ En-ganima, Tapoa, Enama, 35  Jarmota,+ Adolama,+ Soko,+ Azeka,+ 36  Saraima,+ Aditaima, Gadera, ary Gederotaima, izany hoe tanàna efatra ambin’ny folo mbamin’ny tanàna keliny. 37  Anisan’ny tanàna tany koa i Zenana, Hadasa, Migdala-gada, 38  Dilana, Mizpe, Joktela, 39  Lakisy,+ Bozkata,+ Eglona,+ 40  Kabona, Lamasa, Kitlisa, 41  Gederota, Beti-dagona, Nama, ary Makeda,+ izany hoe tanàna enina ambin’ny folo mbamin’ny tanàna keliny. 42  Anisany koa i Libna,+ Etera,+ Asana, 43  Jifta, Asna, Neziba, 44  Keila,+ Akziba,+ ary Maresa,+ izany hoe tanàna sivy mbamin’ny tanàna keliny. 45  Anisany koa i Ekrona+ sy ireo tanàna miankina aminy, mbamin’ny tanàna keliny, 46  ary ireo tanàna manomboka eo Ekrona no miankandrefana, dia izay rehetra akaikin’i Asdoda mbamin’ny tanàna keliny. 47  Mbola anisany koa i Asdoda+ sy ireo tanàna miankina aminy mbamin’ny tanàna keliny, ary koa Gaza+ sy ireo tanàna miankina aminy mbamin’ny tanàna keliny, hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta sy ny Ranomasina Lehibe ary ny faritra amoron-tsiraka.+ 48  Ary ireto avy no teny amin’ny faritra be tendrombohitra: Samira, Jatira,+ Soko, 49  Dana, Kiriata-sana, izany hoe Debira, 50  Anaba, Estemo,+ Anima, 51  Gosena,+ Holona, Gilo,+ izany hoe tanàna iraika ambin’ny folo mbamin’ny tanàna keliny. 52  Anisan’ny tanàna teny koa i Araba, Doma, Esana, 53  Janoma, Beti-tapoa, Afeka, 54  Homta, Kiriata-arba, izany hoe Hebrona,+ ary Ziora, izany hoe tanàna sivy mbamin’ny tanàna keliny. 55  Anisany koa i Maona,+ Karmela, Zifa,+ Jota, 56  Jezirela, Jokdeama, Zanoa, 57  Kaina, Gibea, ary Timna,+ izany hoe tanàna folo mbamin’ny tanàna keliny. 58  Anisany koa i Halola, Beti-zora, Gedora, 59  Marata, Beti-anota, ary Eltekona, izany hoe tanàna enina mbamin’ny tanàna keliny. 60  Mbola anisany koa i Kiriata-bala,+ izany hoe Kiriata-jearima,+ sy Raba, dia tanàna roa mbamin’ny tanàna keliny. 61  Ary ireto avy no teny an-tany efitra: Beti-araba,+ Midina, Sekaka, 62  Nibsana, sy ilay Tanànan-tsira ary En-jedy,+ izany hoe tanàna enina mbamin’ny tanàna keliny. 63  Ireo Jebosita+ nipetraka tao Jerosalema+ kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Joda,+ ka mbola miara-monina aminy ao ihany mandraka androany.

Fanamarihana