Josoa 16:1-10

16  Ary ny anjara azon’ny taranak’i Josefa+ tamin’ny antsapaka+ dia nanomboka teo amin’ny Reniranon’i Jordana+ akaikin’i Jeriko, ka nivoaka tany atsinanan’ny ranon’i Jeriko. Namakivaky an’ilay tany efitra izay niakatra avy teo Jeriko izany, ka nankany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Betela,+  dia nivoaka avy teo Betelan’i Lozy+ ka nitohy hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Arkita+ ao Atarota,  dia nidina niankandrefana nankany amin’ny sisin-tanin’ny Jafletita ka nitohy hatrany amin’ny sisin’i Beti-horona Ambany+ sy Gazera,+ ary nifarana tany amin’ny ranomasina.+  Koa naka ny taniny+ i Manase sy Efraima+ zanak’i Josefa.+  Ary ny sisiny atsinanana amin’ny lovan’ny taranak’i Efraima, araka ny fianakaviany avy, dia i Atarota-adara,+ ka nitohy hatrany Beti-horona Ambony,+  ary nivoaka nankany amin’ny ranomasina. I Mikmeta+ kosa no tany amin’ny sisiny avaratra. Ary nivily niantsinanana nankany Tanata-silo ilay sisin-tany, ka nitohy niantsinanana nankany Janoha,  dia nidina avy teo Janoha ka nihazo an’i Atarota sy Nara, ary nitohy tany Jeriko+ ka nipaka hatrany amin’i Jordana.  Avy teo Tapoa+ kosa ilay sisin-tany no niankandrefana nankany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kana,+ ka nifarana tany amin’ny ranomasina.+ Izany no lovan’ny fokon’ny taranak’i Efraima, araka ny fianakaviany avy,  niampy ny tanànany+ rehetra mbamin’ny tanàna keliny izay tafiditra tao amin’ny lovan’ny taranak’i Manase. 10  Ary tsy noroahin’izy ireo ny Kananita+ monina ao Gazera.+ Koa mbola monina any Efraima ihany ny Kananita mandraka androany,+ saingy ampanaovina asa an-terivozona.+

Fanamarihana