Josoa 17:1-18

17  Ary nahazo ny anjarany tamin’ny antsapaka+ ny fokon’i Manase+ lahimatoan’i+ Josefa, eny, nahazo ny anjarany i Makira+ lahimatoan’i Manase sady rain’i Gileada,+ satria izy lehilahy mpiady.+ Dia lasany i Gileada+ sy Basana.  Koa nahazo anjara tamin’ny antsapaka ny taranak’i Manase sisa, araka ny fianakaviany avy, dia ny taranak’i Abi-ezera,+ ny taranak’i Heleka,+ ny taranak’i Asriela, ny taranak’i Sekema,+ ny taranak’i Hefera, ary ny taranak’i Semida.+ Ireo no taranak’i Manase zanak’i Josefa, dia ny lahy araka ny fianakaviany avy.  Fa i Zelofada+ kosa izay zanak’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, dia tsy nanana zanakalahy fa vavy ihany. Ireto avy ny anaran’izy ireo: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza.+  Ary niseho teo anatrehan’i Eleazara+ mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ny mpiadidy izy ireo, ka niteny hoe: “I Jehovah no efa nandidy an’i Mosesy hanome anay lova eo amin’ireo anadahinay.”+ Koa nomena lova teo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah.+  Ary nahazo anjara folo i Manase, ankoatra ny faritr’i Gileada sy Basana, izay eny ampitan’ny Reniranon’i Jordana,+  satria tamin’ny taranak’i Manase dia nomena anjara lova teo amin’ny zanakalahy ny zanakavavy. Koa lasa fananan’ny sisa tamin’ny taranak’i Manase ny faritr’i Gileada.  Ary ny sisin-tanin’i Manase dia nanomboka teo Asera ka hatrany Mikmeta+ tandrifin’i Sekema,+ ka nitohy niankavanana hatrany amin’ny faritra misy ny mponin’i En-Tapoa.  Dia lasan’i Manase ny faritr’i Tapoa.+ Fa an’ny taranak’i Efraima kosa i Tapoa eo amin’ny sisin-tanin’i Manase.  Ary nidina nianatsimo ilay sisin-tany ka nankany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kana, dia ilay lohasaha nisy an’ireo tanànan’i+ Efraima tao amin’ireo tanànan’i Manase. Ary teo avaratr’ilay lohasaha falehan-driaka ny sisin-tanin’i Manase, ka nifarana tany amin’ny ranomasina.+ 10  Koa an’i Efraima ny atsimo, fa an’i Manase kosa ny avaratra, ary ny ranomasina no sisin-taniny.+ Ny sisin-tanin’i Manase any avaratra dia mipaka amin’i Asera, ary ny any atsinanana kosa mipaka amin’i Isakara. 11  Ary ny anjaran’i Manase+ dia ireto tanàna tao amin’ny faritr’i Isakara sy Asera ireto, mbamin’ny mponina tao aminy sy ny tanàna miankina aminy: Beti-sana,+ Ibleama,+ Dora,+ mbamin’i En-dora+ sy Tanaka+ ary Megido,+ izay faritra telo be havoana. 12  Tsy vitan’ny taranak’i Manase anefa ny naka an’ireo tanàna ireo ho fananany.+ Dia nikiry nipetraka tao amin’ilay tany ihany ny Kananita.+ 13  Rehefa nihanahery kosa ny zanak’Israely,+ dia nampanaoviny asa an-terivozona+ ny Kananita, fa tsy noroahiny daholo.+ 14  Ary hoy ny taranak’i Josefa tamin’i Josoa: “Maro an’isa izao izahay satria notahin’i Jehovah.+ Koa nahoana no zaran-tany iray monja no nomenao ho anjara lovanay?”+ 15  Dia hoy i Josoa tamin’izy ireo: “Raha maro an’isa àry ianareo, dia mandehana kapao ny ala ao amin’ny tanin’ny Perizita+ sy ny Refaima+ mba hahazoanareo tany hipetrahanareo, fa kely loatra ho anareo ilay faritra be tendrombohitr’i+ Efraima.” 16  Ary hoy ny taranak’i Josefa: “Tsy ampy ho anay tokoa ilay faritra be tendrombohitra. Izao anefa: Manana kalesin’ady+ misy lelan’antsy ny Kananita rehetra mipetraka eny amin’ny lemaka iva, dia ireo any Beti-sana+ mbamin’ny tanàna miankina aminy, sy ireo eny amin’ny lemaka ivan’i Jezirela.”+ 17  Koa hoy i Josoa tamin’ny taranak’i Josefa, dia i Efraima sy Manase: “Maro an’isa ianareo sady mahery,+ ka tsy tokony ho iray monja ny anjaranareo.+ 18  Tokony ho anareo ilay faritra be tendrombohitra manontolo.+ Koa satria rakotra ala ilay izy, dia kapao ny ala, ka io faritra io no ho sisin-taninareo. Fa tokony horoahinareo ny Kananita, na dia manana kalesin’ady misy lelan’antsy aza izy, ary na matanjaka aza.”+

Fanamarihana