Josoa 18:1-28

18  Ary nivory tao Silo ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely.+ Koa napetrak’izy ireo tao ny tranolay fihaonana,+ satria efa resy teo anoloan’izy ireo ilay tany.+  Mbola nisy foko fito tamin’ny zanak’Israely anefa tsy nizarana ny lovany.  Koa hoy i Josoa tamin’ny zanak’Israely: “Mandra-pahoviana ianareo no hangataka andro? Rahoviana ianareo vao haka ny tany+ nomen’i Jehovah Andriamanitry ny razanareo anareo?+  Makà lehilahy telo isam-poko, mba hirahiko hitety an’ilay tany ka hanao ny sarin’izy io araka ny lovan’izy ireo, dia hankatỳ amiko avy eo.+  Ary hotsinjarain’izy ireo ho fito ilay tany.+ Fa i Joda dia hijanona any amin’ny faritra misy azy any atsimo+ ihany, ary ny taranak’i Josefa hijanona any amin’ny faritra misy azy any avaratra.+  Dia ataovy sary ilay tany ka zarao fito. Ary ento atỳ amiko izany, ka eto aho no hanao antsapaka+ ho anareo, eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika.  Fa tsy manana anjara eo aminareo ny Levita,+ satria ny asa fisoronana ho an’i Jehovah no lovan’izy ireo.+ Ary i Gada sy Robena+ ary ny antsasaky ny fokon’i Manase+ dia efa naka ny lovany teny ampita atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, izay nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah azy.”+  Koa niomana handeha ireo lehilahy hanao ny sarin’ilay tany, ka nodidian’i+ Josoa hoe: “Tetezo ilay tany ka ataovy sary, dia miverena atỳ amiko. Ary eto Silo+ aho no hanao antsapaka+ ho anareo eo anatrehan’i Jehovah.”  Dia lasa nitety an’ilay tany ireo lehilahy. Koa nosoratany tao anaty boky ny mombamomba ilay tany+ izay notsinjaraina ho fito, arakaraka ireo tanàna. Dia niverina tany amin’i Josoa tao an-toby tao Silo izy ireo. 10  Ary nanao antsapaka ho azy ireo tao Silo, teo anatrehan’i Jehovah i Josoa.+ Koa teo no nizarany an’ilay tany ho an’ny zanak’Israely, araka ny anjarany avy.+ 11  Ary natao ny antsapaka+ ka nahazo ny anjarany ny fokon’ny taranak’i Benjamina,+ araka ny fianakaviany avy. Ny faritra azony dia teo anelanelan’ny an’ny taranak’i Joda+ sy ny an’ny taranak’i Josefa.+ 12  Niainga avy teo Jordana ny sisiny avaratra amin’ny tanin’izy ireo, ka niakatra hatrany amin’ny tehezany avaratra amin’i Jeriko,+ dia niakatra niankandrefana nihazo ny tendrombohitra, ary nipaka tany amin’ny tany efitr’i Beti-avena.+ 13  Ary avy teo ilay sisin-tany no nitohy hatrany amin’ny tehezany atsimo amin’i Lozy,+ izany hoe Betela,+ ka nidina nankany Atarota-adara,+ teo amin’ilay tendrombohitra eo atsimon’i Beti-horona Ambany.+ 14  Ary nosoritana ny sisiny andrefana amin’ilay tany, ka teo amin’ilay tendrombohitra tandrifin’ny ilany atsimo amin’i Beti-horona izany no nivily nianatsimo, dia nifarana tany Kiriata-bala, izany hoe Kiriata-jearima,+ tanànan’ny taranak’i Joda. Izany no ilany andrefana. 15  Ary ny ilany atsimo dia nanomboka teo amin’ny sisin’i Kiriata-jearima, ka niankandrefana nankany amin’ny loharanon’i Neftoa.+ 16  Ary nidina nankany amin’ny sisin’ilay tendrombohitra tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izany. Eo amin’ny ilany avaratra amin’ny lemaka ivan’ny Refaima+ io tendrombohitra io. Dia nidina nankany amin’ny lohasahan’i Hinoma ilay sisin-tany, eny, nankeo amin’ny ilany atsimo amin’ny tehezan-kavoanan’ny Jebosita+ ka nidina nankany En-rogela.+ 17  Ary nosoritana nianavaratra izany, dia nankany En-semesy, ka nitohy hatrany Gelilota izay tandrifin’ny fiakarana Adomima,+ dia nidina hatrany amin’ilay vaton’i+ Bohana+ zanak’i Robena. 18  Dia nitohy hatrany amin’ny ilany avaratra amin’ilay tehezan-kavoana tandrifin’i Araba izany, ka nidina nankany Araba, 19  dia nitohy hatrany amin’ny ilany avaratra amin’ny tehezan’i Beti-hogla,+ ka nifarana tany amin’ny helodrano avaratra amin’ny Ranomasin-tsira,+ eo amin’ny farany atsimo amin’i Jordana. Izany no sisin-tany atsimo. 20  Ary i Jordana no sisin-tany amin’ny ilany atsinanana. Izany no lovan’ny taranak’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy, araka ny sisin-taniny manodidina. 21  Ireto avy ny tanànan’ny fokon’ny taranak’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy: Jeriko,+ Beti-hogla, Emeka-keziza, 22  Beti-araba,+ Zemaraima, Betela,+ 23  Avima, Para, Ofra,+ 24  Kefara-hamony, Ofny, ary Geba,+ izany hoe tanàna roa ambin’ny folo mbamin’ny tanàna keliny. 25  Anisany koa i Gibeona,+ Rama, Berota, 26  Mizpe,+ Kefira,+ Moza, 27  Rekema, Iripela, Tarala, 28  Zela,+ Ha-elefa, Jebosa, izany hoe Jerosalema,+ sy Gibea,+ ary Kiriata, dia tanàna efatra ambin’ny folo mbamin’ny tanàna keliny. Izany no lovan’ny taranak’i Benjamina, araka ny fianakaviany avy.+

Fanamarihana