Josoa 19:1-51

19  Ary natao ny antsapaka+ faharoa ka nahazo ny anjarany i Simeona, eny, ny fokon’ny taranak’i Simeona+ araka ny fianakaviany avy. Teo amin’ny lovan’ny taranak’i Joda ny lovan’izy ireo.+  Koa ireto no lovany: Beri-sheba+ sy Sheba, Molada,+  Hazara-soala,+ Bala, Azema,+  Eltolada,+ Betola, Horma,  Ziklaga,+ Beti-markabota, Hazara-sosa,+  Beti-lebaota,+ ary Sarohena, izany hoe tanàna telo ambin’ny folo mbamin’ny tanàna keliny.  Anisany koa i Aina,+ Rimona,+ Etera, ary Asana,+ izany hoe tanàna efatra mbamin’ny tanàna keliny,  sy ny tanàna kely rehetra nanodidina an’ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera,+ izany hoe Rama+ any atsimo. Izany no lovan’ny fokon’ny taranak’i Simeona, araka ny fianakaviany avy.  Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nakana ny lovan’ny taranak’i Simeona, satria lehibe loatra ho an’ny taranak’i Joda ny anjarany.+ Koa nahazo anjara teo amin’ny lovan’ny taranak’i Joda ny taranak’i Simeona.+ 10  Ary natao ny antsapaka+ fahatelo ka nahazo ny anjarany ny taranak’i Zebolona,+ araka ny fianakaviany avy. Nipaka hatrany Sarida ny sisin-tanin’ny lovan’izy ireo. 11  Ary niakatra niankandrefana nankany Marala izany, ka nitohy hatrany Dabeseta ary nipaka tamin’ilay lohasaha falehan-driaka tandrifin’i Jokneama.+ 12  Avy teo Sarida indray izany no niantsinanana tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia nankany amin’ny sisin’i Kislota-tabara, ary nivoaka tany Daberata,+ ka niakatra nankany Jafia, 13  dia nitohy niantsinanana ihany tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro hatrany Gata-hefera+ sy Ita-kazina, ary nivoaka nankany Rimona, ka nosoritana hatrany Nea. 14  Teo avaratra dia nihodidina an’i Nea izany ka nitohy hatrany Hanatona. Ary ireto avy ny sisin-taniny: Ny lohasahan’i Jifta-ela, 15  Katata, Nahalala, Simrona,+ Idala, ary Betlehema.+ Tanàna roa ambin’ny folo izany mbamin’ny tanàna keliny. 16  Izany no lovan’ny+ taranak’i Zebolona, araka ny fianakaviany avy,+ dia ny tanàna mbamin’ny tanàna keliny. 17  Ary natao ny antsapaka fahefatra ka nahazo ny anjarany i Isakara,+ eny, ny taranak’i Isakara araka ny fianakaviany avy. 18  Ireto avy ny sisin-taniny: Jezirela,+ Kesolota, Sonema,+ 19  Hafraima, Siona, Anaharata, 20  Rabita, Kisiona, Abeza, 21  Rameta, En-ganima,+ En-hada, ary Beti-pazeza. 22  Ary nitohy hatrany Tabara+ sy Sahazoma ary Beti-semesy izany, ka nifarana teo amin’ny Reniranon’i Jordana. Tanàna enina ambin’ny folo izany mbamin’ny tanàna keliny. 23  Izany no lovan’ny fokon’ny taranak’i Isakara, araka ny fianakaviany avy,+ dia ny tanàna mbamin’ny tanàna keliny. 24  Ary natao ny antsapaka+ fahadimy ka nahazo ny anjarany ny fokon’ny taranak’i Asera,+ araka ny fianakaviany avy. 25  Ireto avy ny sisin-taniny: Helkata,+ Haly, Batena, Aksafa,+ 26  Alameleka, Amada, ary Misala.+ Ary niankandrefana nankany Karmela+ sy Sihora-libnata izany, 27  dia niverina nankany Beti-dagona tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, ka nipaka tamin’i Zebolona+ sy ny ilany avaratra amin’ny lohasahan’i Jifta-ela, ary nihazo an’i Beti-emeka sy Neiela, dia nitohy nankany ankavian’i Kabola, 28  ary nitohy hatrany Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ary hatrany Sidona,+ izay be mponina. 29  Ary niverina nankany Rama ilay sisin-tany ka nitohy hatrany Tyro,+ izay tanàna voaro mafy. Ary niverina indray nankany Hosa izany, dia nifarana tany amin’ny ranomasina teo amin’ny faritr’i Akziba,+ 30  sy Oma sy Afeka+ ary Rehoba.+ Tanàna roa amby roapolo izany mbamin’ny tanàna keliny. 31  Izany no lovan’ny fokon’ny taranak’i Asera, araka ny fianakaviany avy,+ dia ny tanàna mbamin’ny tanàna keliny. 32  Ary natao ny antsapaka+ fahenina ka nahazo ny anjarany i Naftaly,+ eny, ny taranak’i Naftaly araka ny fianakaviany avy. 33  Ny sisin-taniny dia nanomboka teo Halefa teo amin’ilay hazobe tao Zananima,+ ary nitohy hatrany Adami-nekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ary nifarana teo Jordana. 34  Ary niverina niankandrefana nankany Aznota-tabara ilay sisin-tany, dia nitohy nankany Hokoka, ka nipaka tamin’i Zebolona+ eo atsimo, sy tamin’i Asera+ eo andrefana, ary tamin’i Joda+ eo Jordana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro. 35  Ary ireto avy ny tanàna voaro mafy tao: Zidima, Zera, Hamata,+ Rakata, Kinereta,+ 36  Adama, Rama, Hazora,+ 37  Kedesy,+ Edrehy, En-hazora, 38  Irona, Migdala-ela, Horema, Beti-anata, ary Beti-semesy.+ Tanàna sivy ambin’ny folo izany mbamin’ny tanàna keliny. 39  Izany no lovan’ny+ fokon’ny taranak’i Naftaly araka ny fianakaviany avy,+ dia ny tanàna mbamin’ny tanàna keliny. 40  Ary natao ny antsapaka+ fahafito ka nahazo ny anjarany ny fokon’ny taranak’i Dana,+ araka ny fianakaviany avy. 41  Ny sisin-tanin’ny lovan’izy ireo dia i Zora,+ Estaola, Ira-semesy, 42  Salabima,+ Aialona,+ Jitla, 43  Elona, Timna,+ Ekrona,+ 44  Elteke, Gibetona,+ Baleta,+ 45  Jehoda, Bene-beraka, Gata-rimona,+ 46  Me-jarkona, ary Rakona, mbamin’ilay sisin-tany tandrifin’i Jopa.+ 47  Kely loatra+ ho an’ny taranak’i Dana anefa ny taniny, ka niakatra hiady tamin’i Lesema+ izy ireo, dia naka azy io ho babo sy namely azy tamin’ny lelan-tsabatra. Ary naka an’ilay tanàna ho fananany izy ireo ka nonina tao. Dia nantsoin’izy ireo hoe Dana i Lesema, araka ny anaran’i Dana razambeny.+ 48  Izany no lovan’ny fokon’ny taranak’i Dana, araka ny fianakaviany avy, dia ny tanàna mbamin’ny tanàna keliny. 49  Koa vitan’ny zanak’Israely ny fizarana ilay tany ho fananany, araka ny faritra tao. Ary nomen’izy ireo lova teo aminy i Josoa zanak’i Nona. 50  Araka ny baikon’i Jehovah, dia nomen’izy ireo ho lovany i Timnata-sera+ izay tanàna nangatahiny,+ teo amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Koa nanorina an’ilay tanàna izy ka nonina tao. 51  Ireo no lova nozaraina+ tamin’ny alalan’ny antsapaka tao Silo,+ teo anatrehan’i Jehovah, teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana,+ ka i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny zanak’Israely no nizara izany. Dia nifarana ny fizarana an’ilay tany.

Fanamarihana