Josoa 2:1-24

2  Ary naniraka mangingina mpitsikilo roa lahy, avy teo Sitima,+ i Josoa zanak’i Nona ka nanao hoe: “Mandehana jereo ilay tany, indrindra fa i Jeriko.” Koa nandeha izy ireo, dia nankao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena atao hoe Rahaba,+ ka nitoetra tao.  Dia nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: “Misy lehilahy avy amin’ny zanak’Israely tonga eto izao alina izao, mba hijery taratra ny tany.”  Koa nandefa iraka nankany amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko, nanao hoe: “Avoahy ireo lehilahy miantrano ato aminao, fa hijery taratra ny tany manontolo no nahatongavany.”+  Efa nafenin-dravehivavy izy roa lahy tamin’izay. Ary hoy izy: “Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay niaviany.  Rehefa maizina ny andro ka efa hohidiana ny vavahady,+ dia lasa nivoaka ry zareo ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho haingana izy, fa ho tratranareo.”  Efa nitondra azy ireo niakatra tany an-tampon-trano+ anefa ravehivavy, ka nanafina azy tao ambanin’ireo tahon-drongony nilahadahatra teo.  Dia nanenjika azy roa lahy ireo iraky ny mpanjaka, ka nihazo ny lalana mankany amin’ny Reniranon’i Jordana, hankeny amin’ny toerana fiampitana.+ Ary nohidiana avy hatrany ny vavahady, raha vao tafavoaka ireo mpanenjika.  Raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano ravehivavy,  ka niteny hoe: “Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity,+ ary matahotra anareo izahay,+ sady kivy noho ny aminareo ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity.+ 10  Renay mantsy ny fomba nandritan’i Jehovah ny ranon’ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, rehefa nivoaka avy tany Ejipta ianareo.+ Renay koa ny nanaovanareo ny mpanjaka roan’ny Amorita teny ampitan’i Jordana, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo tanteraka.+ 11  Koa rehefa renay izany, dia nihorohoro ny fonay+ ary efa tsy manana herim-po hiadiana intsony izahay rehetra noho ny aminareo.+ Fa i Jehovah Andriamanitrareo dia Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.+ 12  Koa aoka re ianareo hianiana amiko amin’ny anaran’i Jehovah+ fa haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny ankohonan-draiko e,+ satria naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminareo aho. Ary omeo famantarana+ azo itokisana aho. 13  Dia tsimbino ny ain’ny raiko+ sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko mbamin’izay rehetra azy ireo, ary vonjeo tsy ho faty izahay.”*+ 14  Dia hoy izy ireo taminy: “Izahay* mihitsy no ho faty ho solonareo!+ Raha tsy lazainareo amin’olona ny momba anay, dia haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminareo izahay ary hasehonay aminareo fa azonareo itokisana izahay, rehefa omen’i Jehovah anay ity tany ity.”+ 15  Avy eo dia nampidinin-dravehivavy tamin’ny tady avy teo am-baravarankely izy ireo. Teo amin’ny ilan’ny manda mantsy ny tranony, eny, teo amin’ny manda no nonenany.+ 16  Ary hoy izy tamin’izy roa lahy: “Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra ianareo, sao mifanena amin’ny mpanenjika. Miafena any telo andro, mandra-piverin’izy ireo. Aorian’izay ianareo vao handeha any amin’izay halehanareo.” 17  Dia hoy izy ireo tamin-dravehivavy: “Tsy maintsy hohajainay izao fianianana+ nampanaovinao anay izao, mba tsy hanananay tsiny. 18  Rehefa hiditra eto amin’ity tany ity izahay, dia afatory eo am-baravarankely ity tady mena midorehitra nampidinanao anay ity, ary vorio ao an-tranonao ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao ary ny ankohonan-drainao manontolo.+ 19  Koa na iza na iza mivoaka any ivelan’ny varavaran’ny tranonao,+ dia izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany, ary tsy hanan-tsiny izahay. Fa na iza na iza kosa mijanona miaraka aminao ao an-trano, dia izahay no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany, raha misy mikasi-tanana azy. 20  Raha lazainao amin’olona anefa ny momba anay,+ dia tsy hanan-tsiny izahay raha ny amin’ity fianianana nampanaovinao anay ity.” 21  Dia hoy ravehivavy: “Aoka àry hatao araka ny teninareo.” Dia nalefany handeha izy ireo, ka lasa. Avy eo dia nafatony teo am-baravarankely ilay tady mena midorehitra. 22  Koa lasa izy roa lahy, dia tonga tany amin’ny faritra be tendrombohitra, ary nijanona tany telo andro, mandra-piverin’ireo mpanenjika. Dia nijery azy roa lahy teny amin’ny lalana rehetra izy ireo, fa tsy nahita azy. 23  Ary nidina avy tany amin’ny faritra be tendrombohitra izy roa lahy ka niampita ny renirano, dia tonga tany amin’i Josoa zanak’i Nona. Koa notantarainy taminy ny zava-drehetra nanjo azy ireo. 24  Hoy koa izy ireo tamin’i Josoa: “Efa natolotr’i Jehovah teo an-tanantsika+ ilay tany manontolo, ka kivy noho ny amintsika ny mponina rehetra ao amin’ilay tany.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.