Josoa 20:1-9

20  Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Atokany ireo tanàna fialokalofana+ ho anareo, izay efa nolazaiko taminareo tamin’ny alalan’i Mosesy,  mba handosiran’izay sendra nahafaty olona*+ tsy nahy. Ho fialokalofana ho anareo ireny tanàna ireny, mba tsy ho azon’ny mpamaly ra+ ianareo.  Dia handositra+ any amin’ny iray amin’ireny tanàna ireny ilay nahafaty olona, ka hitsangana eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady+ ary handahatra ny teniny eo anatrehan’ny anti-panahy+ ao. Ary horaisin’izy ireo ao an-tanàna izy, ka homeny toerana ao, dia hiara-monina amin’izy ireo.  Koa tsy hatolotr’izy ireo eo an-tanan’ny mpamaly ra izy raha enjehin’ny mpamaly ra.+ Tsy fanahy iniany mantsy ny namely nahafaty an’ilay namany, sady tsy nankahala azy izy talohan’izay.+  Dia hitoetra ao amin’izany tanàna izany izy, mandra-pijorony hotsaraina+ eo anatrehan’ny vahoaka, sy mandra-pahafatin’ilay mpisoronabe+ am-perinasa amin’izany fotoana izany. Aorian’izay izy vao mahazo mody+ any an-tanànany sy ao an-tranony, any amin’ilay tanàna nialany tamin’izy nandositra.’”  Koa nohamasinin’izy ireo i Kedesy+ any Galilia any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Naftaly, sy Sekema+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda.  Ary ireto avy no nomen’izy ireo teny amin’ny faritra atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, akaikin’i Jeriko: I Bezera+ any an-tany efitra eny amin’ny lembalemba no avy tamin’ny fokon’i Robena;+ Ramota+ any Gileada no avy tamin’ny fokon’i Gada; ary Golana+ any Basana no avy tamin’ny fokon’i Manase.  Ireo no tanàna nomena ho an’ny zanak’Israely rehetra sy ho an’ny vahiny monina eo aminy, mba handosiran’izay nahafaty olona* tsy nahy.+ Amin’izay dia tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy, mandra-pijorony eo anatrehan’ny vahoaka.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.