Josoa 21:1-45

21  Ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ny Levita dia nanatona an’i Eleazara+ mpisorona sy Josoa+ zanak’i Nona sy ny lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny zanak’Israely,  ka niteny tamin’izy ireo tao Silo,+ tany Kanana, nanao hoe: “Efa nandidy tamin’ny alalan’i Mosesy i Jehovah fa homena tanàna honenana izahay, ary koa kijana ho an’ny biby fiompinay.”+  Koa nomen’ny Israelita tanàna sy kijana avy tamin’ny lovany+ ny Levita,+ araka ny baikon’i Jehovah.  Ary natao ny antsapaka ka nahazo ny anjarany ny fianakavian’ny Kehatita.+ Koa ny azon’ny taranak’i Arona mpisorona anisan’ny Levita, dia tanàna telo ambin’ny folo avy tamin’ny fokon’i Joda+ sy ny fokon’ny Simeonita+ ary ny fokon’i Benjamina.+  Ary ny azon’ny sisa tamin’ny taranak’i Kehata+ tamin’ny antsapaka, dia tanàna folo avy tamin’ny fianakavian’ny fokon’i Efraima,+ sy ny fokon’i Dana,+ ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.+  Ary ny azon’ny taranak’i Gersona+ tamin’ny antsapaka, dia tanàna telo ambin’ny folo avy tamin’ny fianakavian’ny fokon’i Isakara,+ sy ny fokon’i Asera,+ sy ny fokon’i Naftaly,+ ary ny antsasaky ny fokon’i Manase any Basana.+  Ary ny azon’ny taranak’i Merary+ araka ny fianakaviany avy, dia tanàna roa ambin’ny folo, avy tamin’ny fokon’i Robena+ sy ny fokon’i Gada+ ary ny fokon’i Zebolona.+  Dia nomen’ny zanak’Israely ho an’ny Levita tamin’ny alalan’ny antsapaka+ ireo tanàna ireo sy ny kijanany,+ araka izay nandidian’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.+  Koa avy tamin’ny fokon’ny taranak’i Joda sy ny fokon’ny taranak’i Simeona no nanomezana ireo tanàna voatonona anarana eto,+ 10  izay azon’ny taranak’i Arona, izany hoe ny fianakavian’ny Kehatita taranak’i Levy, noho izy ireo nahazo ny antsapaka voalohany:+ 11  Nomena azy i Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona,+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda,+ mbamin’ny kijana manodidina azy. Izany Arba izany no rain’i Anàka.+ 12  Ary nomena ho fananan’i Kaleba zanak’i Jefone ny faritra ambanivohitr’ilay tanàna mbamin’ny tanàna keliny.+ 13  Ary nomena ho an’ny taranak’i Arona mpisorona ilay tanàna fialokalofan’ny+ nahafaty olona,+ dia ny tanànan’i Hebrona+ sy ny kijanany. Nomena azy koa i Libna+ sy ny kijanany, 14  Jatira+ sy ny kijanany, Estemoa+ sy ny kijanany, 15  Holona+ sy ny kijanany, Debira+ sy ny kijanany, 16  Aina+ sy ny kijanany, Jota+ sy ny kijanany, ary Beti-semesy+ sy ny kijanany. Koa tanàna sivy no avy tamin’ireo foko roa ireo. 17  Ary ny avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Gibeona+ sy ny kijanany, Geba+ sy ny kijanany, 18  Anatota+ sy ny kijanany, ary Almona+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra. 19  Koa ny tanàna rehetran’ny mpisorona taranak’i Arona,+ dia tanàna telo ambin’ny folo mbamin’ny kijanany.+ 20  Ary natao ny antsapaka ka nahazo tanàna avy tamin’ny fokon’i Efraima ny fianakavian’ny taranak’i Kehata, izany hoe ny Levita sisa tamin’ny taranak’i Kehata.+ 21  Koa nomena azy ny tanàna fialokalofan’ny+ nahafaty olona,+ dia ny tanànan’i Sekema+ sy ny kijanany+ eny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary koa Gazera+ sy ny kijanany, 22  Kibzaima+ sy ny kijanany, ary Beti-horona+ sy ny kijanany. Tanàna efatra izany. 23  Ny azony avy tamin’ny fokon’i Dana dia i Elteke sy ny kijanany, Gibetona+ sy ny kijanany, 24  Aialona+ sy ny kijanany, ary Gata-rimona+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra. 25  Ary ny azony avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Tanaka+ sy ny kijanany, ary Gata-rimona sy ny kijanany, izany hoe tanàna roa. 26  Koa folo ny tanàna rehetra mbamin’ny kijanany azon’ny sisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata. 27  Ary nahazo tanàna avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase+ ny taranak’i Gersona+ anisan’ny fianakavian’ny Levita, dia ilay tanàna fialokalofan’ny nahafaty olona, izany hoe ny tanànan’i Golana+ any Basana sy ny kijanany. Azony koa i Bestera+ sy ny kijanany. Tanàna roa izany. 28  Ny azony avy tamin’ny fokon’i Isakara+ dia i Kisiona+ sy ny kijanany, Daberata+ sy ny kijanany, 29  Jarmota+ sy ny kijanany, ary En-ganima+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra. 30  Ny azony avy tamin’ny fokon’i Asera+ dia i Misala+ sy ny kijanany, Abdona+ sy ny kijanany, 31  Helkata+ sy ny kijanany, ary Rehoba+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra. 32  Ary ny azony avy tamin’ny fokon’i Naftaly+ dia ilay tanàna fialokalofan’ny+ nahafaty olona,+ izany hoe ny tanànan’i Kedesy+ any Galilia sy ny kijanany. Azony koa i Hamota-dora+ sy ny kijanany, ary Kartana sy ny kijanany. Tanàna telo izany. 33  Koa ny tanàna rehetran’ny Gersonita, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna telo ambin’ny folo mbamin’ny kijanany. 34  Ary nahazo tanàna avy tamin’ny fokon’i Zebolona+ ny fianakavian’ny taranak’i Merary,+ eny, ny Levita sisa, dia ny tanànan’i Jokneama+ sy ny kijanany, Karta sy ny kijanany, 35  Dimna+ sy ny kijanany, ary Nahalala+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra. 36  Ny azony avy tamin’ny fokon’i Robena+ dia i Bezera+ sy ny kijanany, Jahaza+ sy ny kijanany, 37  Kedemota+ sy ny kijanany, ary Mefata+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra. 38  Ary ny azony avy tamin’ny fokon’i Gada+ dia ilay tanàna fialokalofan’ny nahafaty olona, izany hoe ny tanànan’i Ramota any Gileada+ sy ny kijanany. Azony koa i Mahanaima+ sy ny kijanany, 39  Hesbona+ sy ny kijanany, ary Jazera+ sy ny kijanany. Tanàna efatra izy rehetra. 40  Koa ny tanàna rehetra lasan’ny taranak’i Merary+ araka ny fianakaviany avy, izay sisa tamin’ny fianakavian’ny Levita, dia tanàna roa ambin’ny folo azony tamin’ny antsapaka. 41  Ary ny tanàna rehetran’ny Levita teo amin’ny lovan’ny zanak’Israely, dia tanàna valo amby efapolo+ mbamin’ny kijanany.+ 42  Samy nanana kijana nanodidina azy ireo tanàna ireo, eny, toy izany ny tanàna rehetra.+ 43  Koa nomen’i Jehovah ny Israely ilay tany manontolo izay efa nianianany homena ny razan’izy ireo.+ Dia nalain’izy ireo ho fananany izany+ ka nonenany. 44  Ary nataon’i Jehovah mandry feizay+ teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina izy ireo, araka izay nianianany+ tamin’ny razan’izy ireo, ka tsy nisy nahatohitra azy ny fahavalony rehetra, na iray aza.+ Efa natolotr’i Jehovah teo an-tanany avokoa ny fahavalony rehetra.+ 45  Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah tamin’ny taranak’Israely, fa tanteraka avokoa izy rehetra.+

Fanamarihana