Josoa 22:1-34

22  Tamin’izay dia nantsoin’i Josoa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase,+  ka nilazany hoe: “Ianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo,+ sady nankatò ny teniko tamin’izay rehetra nandidiako anareo.+  Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo nandritra ireny andro maro+ ireny ka mandraka androany, sady nitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo.+  Ary efa nataon’i Jehovah Andriamanitrareo mandry feizay izao ny rahalahinareo, araka izay nampanantenainy azy.+ Koa ankehitriny, miverena any amin’ny tranolainareo, any amin’ny taninareo, izay nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo eny ampitan’ny Reniranon’i Jordana.+  Tandremo tsara fotsiny ny didy+ aman-dalàna izay nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo, ka tiavo i Jehovah Andriamanitrareo,+ mandehana amin’ny lalany+ rehetra, tandremo ny didiny,+ mifikira mafy aminy,+ ary manompoa+ azy amin’ny fonareo manontolo+ sy ny tenanareo manontolo.”+  Dia nitso-drano+ azy ireo i Josoa, ka nandefa azy nody tany amin’ny tranolainy avy.  Efa nomen’i Mosesy fanomezana tany Basana+ ny antsasaky ny fokon’i Manase, fa ny antsasany kosa nomen’i Josoa fanomezana niaraka tamin’ny rahalahiny tetỳ ampita andrefan’i Jordana.+ Ary rehefa nandefa azy ho any amin’ny tranolainy avy i Josoa, dia nitso-drano azy koa.  Hoy koa izy tamin’izy ireo: “Modia any amin’ny tranolainareo avy, miaraka amin’ny harem-be sy biby fiompy maro be, ary koa volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be.+ Alaivo ny zavatra nobaboina+ avy tamin’ny fahavalonareo, ka zarao ho anareo sy ny rahalahinareo.”  Dia lasa ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ka nandao ny zanak’Israely tao Silo, tany Kanana, mba hody any Gileada,+ any amin’ilay tanin’izy ireo, izay efa nanorenany ny fonenany araka ny baikon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.+ 10  Rehefa tonga teo amin’ny faritr’i Jordana tao amin’ny tany Kanana ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nanorina alitara+ lehibe teo akaikin’i Jordana. 11  Tatỳ aoriana dia ren’ny+ zanak’Israely hoe: “Ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, hono, nanorina alitara eo amin’ny sisin’ny tany Kanana, eo amin’ny faritr’i Jordana, etỳ amin’ny ilany andrefana misy ny zanak’Israely.” 12  Koa rehefa nandre izany ny zanak’Israely,+ dia nivory tao Silo+ izy rehetra mba hiakatra hanafika azy ireo.+ 13  Ary nirahin’ny+ zanak’Israely i Finehasa+ zanak’i Eleazara mpisorona, hankany amin’ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, tany Gileada. 14  Nisy mpiadidy folo nirahina niaraka taminy, dia mpiadidy iray isaky ny fianakaviambe* teo amin’ny foko rehetran’ny Israely. Ary ireo dia samy lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy sady mpifehy ny arivo teo amin’ny Israely.+ 15  Dia tonga tany amin’ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, tany Gileada, izy ireo, ka niteny+ hoe: 16  “Izao no nolazain’ny vahoakan’i Jehovah+ manontolo: ‘Ahoana izao fivadihanareo+ amin’ny Andriamanitry ny Israely izao? Nahoana ianareo ankehitriny no miala+ tsy manaraka an’i Jehovah, ka nanorina alitara ho anareo+ mba hikomianareo amin’i Jehovah? 17  Mbola tsy ampy antsika angaha ny fahadisoana tany Peora?+ Isika aza mbola tsy voadio amin’izany akory mandraka androany, na dia efa nanjo ny vahoakan’i Jehovah aza ny loza.+ 18  Ianareo indray anefa izao no miala tsy manaraka an’i Jehovah. Raha mikomy amin’i Jehovah ianareo anio, dia amin’ny vahoakan’Israely manontolo izy no ho tezitra+ rahampitso. 19  Raha maloto ny taninareo,+ dia miampità atỳ amin’ny tanin’i Jehovah+ izay itoeran’ny tranolain’i Jehovah,+ ary miaraha monina aminay. Fa aza mikomy amin’i Jehovah ary aza mitaona anay hikomy, ka manorina alitara ho anareo ankoatra an’ilay alitaran’i Jehovah Andriamanitsika.+ 20  Tsy i Akana+ zanak’i Zera ve no nivadika tamin’Andriamanitra, ka tsy nankatò ny didy momba ny zavatra voatokana haringana? Tsy ny vahoakan’Israely manontolo ve anefa no niharan’ny fahatezerana?+ Koa tsy izy irery no maty noho ny fahadisoany.’”+ 21  Dia hoy ny navalin’ny+ taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, tamin’ireo mpifehy ny arivo teo amin’ny Israely:+ 22  “Ilay Mahery,+ ilay Andriamanitra,+ dia i Jehovah, eny, Ilay Mahery, ilay Andriamanitra, dia i Jehovah+ no mahalala,+ ary hahalala koa ny Israely.+ Raha mikomy+ sy mivadika aminao izahay, Jehovah ô,+ dia aza mamonjy anay anio. 23  I Jehovah mihitsy no hamantatra+ raha toa izahay ka nanorina alitara mba hialana tsy hanaraka an’i Jehovah, sy mba hanolorana fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha+ ary sorona iombonana eo amboniny. 24  Nanao izany kosa izahay noho ny fanahiana sao hiteny amin’ny zanakay ny zanakareo indray andro any hoe: ‘Misy zavatra iombonanareo amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely angaha moa? 25  Sady i Jordana koa efa nataon’i Jehovah ho sisin-tany mampisaraka anay aminareo taranak’i Robena sy taranak’i Gada. Koa tsy manana anjara amin’i Jehovah ianareo.’+ Dia azo antoka fa hampitsahatra ny zanakay tsy hatahotra an’i Jehovah intsony ny zanakareo.+ 26  “Fa hoy izahay: ‘Andao hanorina alitara ho antsika. Tsy hanolorana fanatitra dorana anefa izany na hanaovana sorona, 27  fa mba ho vavolombelona aminay sy aminareo+ ary ny taranaka mandimby antsika, fa hanao ny fanompoana an’i Jehovah eo anatrehany izahay, sady hitondra fanatitra dorana sy sorona ary sorona iombonana.+ Amin’izay dia tsy hilaza amin’ny zanakay ny zanakareo indray andro any hoe: “Tsy manana anjara amin’i Jehovah ianareo.”’ 28  Koa hoy izahay: ‘Raha milaza izany amintsika sy amin’ny taranatsika ry zareo indray andro any, dia hiteny isika hoe: “Jereo ny alitara nataon’ny razanay fa mitovy amin’ilay alitaran’i Jehovah. Tsy hanolorana fanatitra dorana anefa izany na hanaovana sorona, fa ho vavolombelona aminay sy aminareo.”’ 29  Sanatria anay ny hikomy amin’i Jehovah an-tsitrapo sy hiala tsy hanaraka an’i Jehovah,+ ka hanorina alitara hafa hanolorana fanatitra dorana sy fanatitra varimbazaha ary sorona, ankoatra an’ilay alitaran’i Jehovah Andriamanitsika izay eo anoloan’ny tranolainy!”+ 30  Koa rehefa nandre ny tenin’ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny taranak’i Manase i Finehasa+ mpisorona mbamin’ireo niaraka taminy, izany hoe ny mpiadidy vahoaka+ sy ny mpifehy ny arivo teo amin’ny Israely, dia nahafaly azy ireo izany. 31  Koa hoy i Finehasa zanak’i Eleazara mpisorona, tamin’ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny taranak’i Manase: “Fantatray androany fa eo amintsika i Jehovah,+ satria tsy nivadika tamin’i Jehovah ianareo. Ankehitriny dia nanafaka ny zanak’Israely teo an-tanan’i Jehovah ianareo.”+ 32  Dia niala teo amin’ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada tany Gileada i Finehasa zanak’i Eleazara mpisorona mbamin’ny mpiadidy, ka niverina+ tany amin’ny zanak’Israely tany Kanana, ary nanao tatitra tamin’izy ireo.+ 33  Koa nahafaly ny zanak’Israely izany, ka nisaotra an’Andriamanitra izy ireo.+ Ary tsy niresadresaka intsony izy ireo hoe hiakatra hanafika ny tany nonenan’ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada, ka hanimba izany. 34  Dia nanome anarana an’ilay alitara ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada, satria “io no vavolombelona amintsika fa i Jehovah no tena Andriamanitra.”+

Fanamarihana

Avy amin’ny ray.