Josoa 23:1-16

23  Ary efa nataon’i Jehovah mandry feizay+ teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina ny Israely. Andro maro taorian’izay, rehefa antitra sady nandroso taona i Josoa,+  dia nantsoiny ny Israely rehetra,+ izany hoe ny anti-panahy sy ireo lohany teo amin’izy ireo ary ny mpitsarany sy ny mpiadidiny.+ Dia hoy izy tamin’ireo: “Efa antitra sady mandroso taona aho.  Ary efa hitanareo ny zava-drehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra ireo, noho ny aminareo.+ I Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.+  Efa nozaraiko ho lovan’ny fokonareo tamin’ny alalan’ny antsapaka koa,+ ny tanin’ireo firenena sisa tavela sy ny firenena rehetra naringako,+ hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe any amin’ny filentehan’ny masoandro.+  Ary i Jehovah Andriamanitrareo no nanala azy ireo tsy ho eo anatrehanareo,+ ka nandroaka azy noho ny aminareo. Dia nalainareo ho fanananareo ny tanin’izy ireo, araka izay nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.+  “Aoka ianareo ho be herim-po+ ka hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny boky+ misy ny lalàn’i Mosesy. Aza miala amin’izany mihitsy, na mivily miankavanana na miankavia.+  Ary aza mifanerasera mihitsy amin’ireo firenena+ mbola tavela eo aminareo ireo. Aza manonona ny anaran’ny andriamaniny+ na mianiana amin’ny anaran’ireny,+ na manompo an’ireny na miankohoka eo anatrehany.+  Fa i Jehovah Andriamanitrareo no tokony hifikiranareo mafy,+ toy izay efa nataonareo mandraka androany.  Ary handroaka firenena lehibe sy mahery tsy ho eo anatrehanareo i Jehovah.+ Fa tsy nisy olona nahatohitra anareo mandraka androany.+ 10  Lehilahy iray monja aminareo no hanenjika arivo,+ satria i Jehovah Andriamanitrareo no miady ho anareo,+ araka izay efa nampanantenainy anareo.+ 11  Koa mitandrema tsara foana+ mba ho tia an’i Jehovah Andriamanitrareo.+ 12  “Fa raha miala aminy kosa ianareo+ ka mifikitra amin’ny sisa tavela amin’ireo firenena+ mbola eo aminareo ireo, ary mifanambady*+ amin’ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo, 13  dia fantaro tsara fa tsy handroaka an’ireo firenena ireo intsony noho ny aminareo i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ho vela-pandrika sy fandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo+ sy ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipakareo tanteraka tsy ho eto amin’ity tany soa efa nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.+ 14  “Efa handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho izao.+ Ary fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.+ 15  Eny, efa tanteraka taminareo avokoa ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.+ Toy ny efa nahatanterahan’izany taminareo no hampiharan’i Jehovah aminareo koa ny ozona rehetra nolazainy, mandra-pandringany anareo tsy ho eto amin’ity tany soa efa nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity,+ 16  raha toa ianareo ka mivadika amin’ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitrareo izay nandidiany anareo, ary manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehan’ireny.+ Koa hirehitra aminareo tokoa ny fahatezeran’i Jehovah,+ ka tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tsy ho eto amin’ity tany soa efa nomeny anareo ity.”+

Fanamarihana

Na: “manao fifanarahana ara-panambadiana.”