Josoa 24:1-33

24  Dia novorin’i Josoa tao Sekema+ ny foko rehetran’ny Israely, ary nantsoiny ny anti-panahy sy ireo lohany teo amin’ny Israely+ sy ny mpitsarany ary ny mpiadidiny. Koa nitsangana teo anatrehan’Andriamanitra ireo.+  Ary hoy i Josoa tamin’ny olona rehetra: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Tany ampitan’ny Renirano+ no nonenan’ny razanareo+ taloha ela be, dia i Tera, rain’i Abrahama sy Nahora.+ Ary nanompo andriamani-kafa izy ireo.  “‘Rehefa nandeha ny fotoana, dia nalaiko avy tany ampitan’ny Renirano+ i Abrahama+ razambenareo, ka nentiko nitety ny tany Kanana manontolo, ary nataoko maro ny taranany.+ Koa nomeko azy i Isaka.+  Ary nomeko an’i Isaka i Jakoba sy Esao.+ Tatỳ aoriana dia nomeko ho fananan’i Esao ny Tendrombohitra Seira.+ Fa i Jakoba sy ny zanany kosa nidina tany Ejipta.+  Rehefa nandeha ny fotoana, dia naniraka an’i Mosesy sy Arona+ aho, ka namely an’i Ejipta tamin’ny loza,+ ary nitondra anareo nivoaka avy tany.+  Rehefa nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo,+ dia tonga teo amin’ny ranomasina. Ary nanenjika+ azy hatreny amin’ny Ranomasina Mena ny Ejipsianina, izay nitondra kalesin’ady sy mpitaingin-tsoavaly.  Tamin’izay ny razanareo dia nitaraina mafy tamin’i Jehovah.+ Koa nasiany haizina nanelanelana anareo sy ny Ejipsianina,+ ary natontany tamin’izy ireo ny ranomasina ka nataony nandifotra azy.+ Dia hitan’ny masonareo ny nataoko tany Ejipta.+ Ary nitoetra tany an-tany efitra andro maro ianareo.+  “‘Farany, dia nentiko teny amin’ny tanin’ny Amorita nonina teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana ianareo. Ary niady taminareo izy ireo,+ ka natolotro teo an-tananareo, mba hakanareo ny taniny ho fanananareo. Dia naringako tsy ho eo anatrehanareo izy ireo.+  Ary niady tamin’ny Israely i Balaka zanak’i Zipora,+ mpanjakan’i Moaba.+ Koa nampanantsoiny i Balama zanak’i Beora, mba hanozona anareo.+ 10  Tsy nohenoiko anefa i Balama,+ ka nitso-drano anareo imbetsaka izy.+ Dia nanafaka anareo teo an-tanany aho.+ 11  ‘“Avy eo dia niampita an’i Jordana ianareo,+ ka tonga tao Jeriko.+ Ary niady taminareo ny mponina* tao Jeriko, sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Natolotro teo an-tananareo anefa ireny.+ 12  Dia nalefako hialoha anareo ny fahakiviana, ka izany no nandroaka azy ireo tsikelikely tsy ho eo anatrehanareo,+ toy izay nanjo ny mpanjaka roan’ny Amorita. Tsy ny sabatrareo na ny tsipìkanareo anefa no nahatonga izany.+ 13  Koa nomeko tany tsy nisasaranareo sy tanàna tsy naorinareo ianareo,+ ka nanorim-ponenana tao amin’ireny. Ary tanimboaloboka sy sahan’oliva tsy novolenareo no ihinananareo.’+ 14  “Koa ankehitriny, matahora an’i Jehovah+ ka manompoa azy amin-kitsim-po sy amim-pahatsorana,*+ ary ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano sy tany Ejipta,+ ka manompoa an’i Jehovah. 15  Fa raha tsy tianareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidio anio izay hotompoinareo,+ na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano,+ na ny andriamanitry ny Amorita nonina teto amin’ity tany onenanareo ity.+ Fa izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.”+ 16  Dia hoy ny vahoaka: “Sanatria anay ny hahafoy an’i Jehovah mba hanompo andriamani-kafa. 17  I Jehovah Andriamanitsika mantsy no nitondra antsika sy ny razantsika niakatra avy tany Ejipta,+ avy tao amin’ny trano fanandevozana,+ sy nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika,+ ary niaro antsika foana teny amin’ny lalana rehetra nalehantsika sy teo anivon’ny firenena rehetra nandalovantsika.+ 18  Ary noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehantsika ny firenena+ rehetra nonina talohantsika teto amin’ity tany ity, eny, fa na dia ny Amorita aza. Koa hanompo an’i Jehovah koa izahay, satria izy no Andriamanitray.”+ 19  Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: “Tsy ho vitanareo ny hanompo an’i Jehovah, fa Andriamanitra masina izy,+ sady mitaky ny hanompoana azy irery ihany.+ Koa tsy hamela heloka anareo izy raha mikomy sy manota ianareo.+ 20  Raha mahafoy an’i Jehovah+ ianareo ka manompo ny andriamanitry ny firenen-kafa,+ dia hiodina hamely anareo izy ka handringana anareo, rehefa avy nanisy soa anareo.”+ 21  Dia hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: “Tsia, fa i Jehovah no hotompoinay!”+ 22  Ary hoy i Josoa: “Ny tenanareo ihany no ho vavolombelona hiampanga anareo,+ satria sitraponareo ny nifidy ny hanompo an’i Jehovah.”+ Koa namaly ireo hoe: “Vavolombelona izahay.” 23  “Koa ario ny andriamanitry ny firenen-kafa izay eo aminareo,+ ary atodiho any amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ny fonareo.” 24  Dia namaly an’i Josoa ny vahoaka hoe: “I Jehovah Andriamanitray no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay!”+ 25  Ary nanao fifanekena tamin’ny vahoaka i Josoa tamin’izay andro izay, ka nametraka fitsipika sy didim-pitsarana+ ho azy ireo tao Sekema. 26  Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny boky misy ny lalàn’Andriamanitra+ ireo teny ireo. Ary naka vato lehibe izy,+ ka nanangana izany teo ambanin’ilay hazo goavam-be+ izay eo akaikin’ny toerana masin’i Jehovah. 27  Ary hoy i Josoa tamin’ny olona rehetra: “Ho vavolombelona hiampanga antsika ity vato ity,+ fa efa ren’izy io ny teny rehetra nolazain’i Jehovah tamintsika, ka io no ho vavolombelona hiampanga anareo, raha mandà an’Andriamanitrareo ianareo.” 28  Dia nalefan’i Josoa hody tany amin’ny lovany avy ny olona.+ 29  Taorian’izany dia maty i Josoa zanak’i Nona, mpanompon’i Jehovah, rehefa folo amby zato taona.+ 30  Koa nalevina tao amin’ny faritry ny lovany izy, dia tao Timnata-sera,+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, any avaratry ny Tendrombohitra Gasa. 31  Ary nanompo an’i Jehovah foana ny Israely nandritra ny androm-piainan’i Josoa sy ireo anti-panahy, izay mbola velona taorian’i Josoa+ sady efa nahafantatra ny asa rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Israely.+ 32  Ary ny taolambalon’i Josefa+ izay efa nentin’ny zanak’Israely niakatra avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sekema, tao amin’ilay sombin-tany novidin’i Jakoba farantsa volafotsy zato+ tamin’ny taranak’i Hamora+ rain’i Sekema. Dia lasa lovan’ny taranak’i Josefa ilay sombin-tany.+ 33  Ary maty koa i Eleazara zanak’i Arona.+ Koa nalevina tany amin’ny Havoanan’i Finehasa zanany izy,+ dia ilay havoana izay nomeny azy teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.

Fanamarihana

Na: “ireo nanana tany.”
A.b.t.: “amim-pahamarinana.”