Josoa 3:1-17

3  Dia nifoha maraina i Josoa. Koa niala tao Sitima+ izy sy ny zanak’Israely rehetra ka tonga teo amin’ny Reniranon’i Jordana. Ary natory teo izy ireo ny alina, talohan’ny hiampitany.  Rehefa tapitra ireo telo andro,+ dia namakivaky ny toby ireo mpiadidy,+  ka nandidy ny vahoaka hoe: “Raha vao hitanareo ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitrareo, mbamin’ny Levita mpisorona milanja an’ilay Vata,+ dia mialà eo amin’izay misy anareo ka araho ilay izy,  mba ho fantatrareo ny lalana halehanareo, fa mbola tsy nandeha tamin’izany lalana izany ianareo. Avelao fotsiny hisy roa arivo hakiho* eo ho eo+ manelanelana anareo sy ilay Vata, fa aza manakaiky an’ilay izy.”  Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: “Hamasino+ ny tenanareo, fa hanao zava-mahagaga eo aminareo i Jehovah rahampitso.”+  Hoy kosa i Josoa tamin’ny mpisorona: “Raiso ny Vata misy ny fifanekena+ ka mandehana eo alohan’ny vahoaka.” Koa nandray an’ilay Vata misy ny fifanekena izy ireo, ka nandeha teo alohan’ny vahoaka.  Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Manomboka anio no hanandratako anao eo imason’ny Israely rehetra,+ mba hahafantarany fa tahaka ny nombako an’i Mosesy+ no hombako anao koa.+  Ary omeo izao baiko+ izao ny mpisorona milanja an’ilay Vata misy ny fifanekena: ‘Raha vao tonga eo amoron’i Jordana ianareo, dia aza mihetsika+ eo.’”  Ary hoy i Josoa tamin’ny zanak’Israely: “Manatòna hihaino ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo.” 10  Dia hoy i Josoa: “Izao no hahafantaranareo fa misy Andriamanitra velona eo aminareo,+ ary tsy maintsy horoahiny tsy ho eo anatrehanareo ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:+ 11  Handeha eo alohanareo ho ao amin’ny Reniranon’i Jordana, ilay Vata misy ny fifanekena nataon’ny Tompon’ny tany manontolo. 12  Koa makà lehilahy roa ambin’ny folo amin’ny fokon’ny Israely, dia iray isam-poko.+ 13  Raha vao manitsaka ny ranon’i Jordana ny faladian’ny mpisorona milanja an’ilay Vata masin’i Jehovah Tompon’ny tany manontolo, dia hijanona tsy hikoriana ny ranon’i Jordana midina avy any ambony, ka tsy hihetsika fa ho toy ny tohodrano.”+ 14  Ary niala teo amin’izay nitobiany ny vahoaka, taloha kelin’ny hiampitana an’i Jordana, ary teo alohan’izy ireo ny mpisorona nilanja ny Vata+ misy ny fifanekena. 15  Tondraka i Jordana tamin’izay ka difotra ny morony+ rehetra nandritra ny fotoam-pijinjana. Koa raha vao tonga teo amin’i Jordana ny mpilanja an’ilay Vata, ka nitsoboka teo amin’ny morony ny tongotry ny mpisorona nilanja azy io, 16  dia tsy nihetsika ny rano nidina avy tany ambony, fa niavosa ho toy ny tohodrano+ terỳ lavitra be terỳ, teny Adama, tanàna anilan’i Zaretana,+ ary ritra koa ny rano nidina nankany amin’ny ranomasin’i Araba, dia ny Ranomasin-tsira.+ Eny, nijanona tsy nikoriana ny rano, ka niampita nanandrify an’i Jeriko ny vahoaka. 17  Ary nijoro tsy nihetsika teo amin’ny tany maina+ teo afovoan’i Jordana, ny mpisorona nilanja an’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, raha mbola niampita teo amin’ny tany maina+ ny Israely rehetra, mandra-piampitan’ilay firenena manontolo an’i Jordana.

Fanamarihana

1 hakiho = 44,5 sm.