Josoa 4:1-24

4  Raha vao tafita an’i Jordana ilay firenena manontolo,+ dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa:  “Makà lehilahy roa ambin’ny folo amin’ny vahoaka, dia iray isam-poko,+  ary omeo baiko izy ireo hoe: ‘Makà vato+ roa ambin’ny folo eo afovoan’i Jordana, eo amin’ny toerana ijoroan’ny tongotry ny mpisorona, izay mijoro tsy mihetsika.+ Ento izany ka apetraho eo amin’izay toerana hilasianareo+ anio alina.’”  Koa niantso roa ambin’ny folo lahy+ izay notendreny avy teo amin’ny zanak’Israely i Josoa, dia iray isam-poko.  Ary hoy i Josoa tamin’izy ireo: “Mandehana mankeo afovoan’i Jordana, eo alohan’ilay Vata masin’i Jehovah Andriamanitrareo, ka samia mibata vato iray avy eo an-tsorokareo, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’Israely,  mba ho famantarana eo aminareo.+ Ary raha manontany ny zanakareo indray andro any, hoe: ‘Fa maninona ireo vato ireo no napetrakareo eo?’,+  dia lazao aminy hoe: ‘Satria ny ranon’i Jordana nijanona tsy nikoriana teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah.+ Rehefa niampita teo Jordana ilay Vata, dia nijanona tsy nikoriana ny ranon’i Jordana, ary ireo vato ireo no fahatsiarovana ho an’ny zanak’Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra.’”+  Dia nataon’ny zanak’Israely izany, araka izay nandidian’i Josoa. Koa naka vato roa ambin’ny folo teo afovoan’i Jordana izy ireo, araka izay nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’Israely.+ Ary nentin’izy ireo niampita nankeo amin’ny toeram-pilasiana+ izany, ka napetrany teo.  Nisy vato roa ambin’ny folo koa natsangan’i Josoa teo afovoan’i Jordana, teo amin’izay nijoroan’ny+ tongotry ny mpisorona nilanja ny Vata misy ny fifanekena. Mbola ao ireo vato ireo mandraka androany. 10  Ary nijoro teo afovoan’i+ Jordana ny mpisorona nilanja an’ilay Vata, mandra-pahavitan’ny zava-drehetra nasain’i Jehovah nolazain’i Josoa tamin’ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa.+ Dia niampita haingana+ ny vahoaka. 11  Raha vao tafita daholo ny vahoaka, dia niampita teo imason’izy ireo ilay Vata+ masin’i Jehovah sy ny mpisorona. 12  Niampita ka nilahatra toy ny tafika+ teo imason’ny zanak’Israely koa ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase,+ araka izay nolazain’i Mosesy tamin’izy ireo.+ 13  Olona efatra alina teo ho eo izay efa voaomana hiantafika no niampita teo anatrehan’i Jehovah mba hiady, teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. 14  Tamin’izay andro izay no nanandratan’i Jehovah an’i Josoa teo imason’ny zanak’Israely rehetra.+ Koa nanomboka natahotra azy izy ireo, tahaka ny natahoran’izy ireo an’i Mosesy nandritra ny androm-piainany.+ 15  Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa: 16  “Asaivo miakatra avy ao Jordana ny mpisorona milanja ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona.”+ 17  Koa nandidy ny mpisorona i Josoa hoe: “Miakara avy ao Jordana.” 18  Dia niakatra avy teo afovoan’i Jordana ny mpisorona nilanja ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. Koa raha vao niainga avy tao ny faladian’izy+ ireo ka nanitsaka tany maina, dia niverina tsikelikely tamin’ny laoniny ny ranon’i Jordana, ka nanjary tondraka toy ny teo aloha ary difotra+ ny morony rehetra. 19  Tamin’ny andro fahafolon’ny volana voalohany no niakaran’ny vahoaka avy tao Jordana, ka nitobiany tao Gilgala,+ tany amin’ny sisiny atsinanan’i Jeriko. 20  Ary natsangan’i Josoa tao Gilgala ireo vato roa ambin’ny folo nalain’izy ireo avy tao Jordana.+ 21  Dia hoy izy tamin’ny zanak’Israely: “Rehefa manontany an-drainy ny taranakareo indray andro any, hoe: ‘Fa inona no dikan’ireo vato ireo?’,+ 22  dia ampahafantaro azy hoe: ‘Nandia tany maina ny Israely niampita io Jordana io,+ 23  rehefa nataon’i Jehovah Andriamanitrareo ritra teo anoloan’izy ireo ny ranon’i Jordana, mandra-piampitan’izy ireo. Izany dia toy ny nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena, izay nataony ritra teo anoloantsika mandra-piampitantsika.+ 24  Amin’izay dia ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa mahery+ ny tanan’i Jehovah.+ Amin’izay koa dia hatahotra foana an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.’”+

Fanamarihana