Josoa 5:1-15

5  Ary ny mpanjaka rehetran’ny Amorita+ teny ampita andrefan’ny Reniranon’i Jordana, sy ny mpanjaka rehetran’ny Kananita+ tany amoron-tsiraka, dia nandre fa efa nataon’i Jehovah ritra teo anoloan’ny zanak’Israely ny ranon’i Jordana mandra-piampitan’izy ireo. Koa nihorohoro ny fon’ireo+ mpanjaka ireo raha vao nandre izany, ary tsy nanana herim-po hiadiana intsony izy ireo noho ny amin’ny zanak’Israely.+  Tamin’izay i Jehovah no nilaza tamin’i Josoa hoe: “Manamboara antsy amin’ny vatoafo ka ataovy indray ny famorana+ ny zanak’Israely, eny, ataovy fanindroany izany.”  Koa nanamboatra antsy tamin’ny vatoafo i Josoa, ka noforany tao Gibeata-haralota+ ny zanak’Israely.  Izao no antony nanaovan’i Josoa ilay famorana: Efa maty+ tany an-tany efitra teny an-dalana ny olona rehetra nivoaka avy tany Ejipta, izany hoe ny lehilahy mpiady rehetra, taorian’ny nivoahan’izy ireo avy tany Ejipta.  Efa voafora ny olona rehetra nivoaka avy tany, fa tsy voafora kosa ny olona rehetra teraka tany an-tany efitra, teny an-dalana, taorian’ny nivoahan’izy ireo avy tany Ejipta.  Fa nandeha efapolo taona+ tany an-tany efitra ny zanak’Israely, mandra-pahalany ripaka ny lehilahy mpiady rehetra nivoaka avy tany Ejipta izay tsy nihaino ny feon’i Jehovah. Efa nianiana tamin’izy ireo mantsy i Jehovah hoe tsy hamela azy hahita an’ilay tany+ nianianan’i Jehovah tamin’ny razany fa homena antsika,+ dia tany tondra-dronono sy tantely.+  Koa ny zanak’izy ireo no nataony ho solony,+ ka ireny no noforan’i Josoa. Mbola tsy voafora mantsy ireny, satria tsy noforana teny an-dalana.  Rehefa vita ny famorana an’ilay firenena manontolo, dia mbola nipetraka tany amin’izay nisy azy tao an-toby izy ireo, mandra-pahasitran’izy ireo.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Efa nakodiako hiala taminareo androany ny fanalam-baraka nataon’i Ejipta.”+ Koa natao hoe Gilgala+ ny anaran’izany toerana izany mandraka androany. 10  Mbola nitoby tao Gilgala ny zanak’Israely, ka nitandrina ny Paska tamin’ny takarivan’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana,+ teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. 11  Ary ny ampitson’ny Paska, eny, tamin’izay andro izay no nanombohan’izy ireo nihinana ny vokatry ny tany, dia mofo tsy misy lalivay+ sy voam-bary natono. 12  Koa nitsahatra ny mana nanomboka tamin’ilay andro nihinanan’izy ireo ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ny zanak’Israely intsony.+ Dia nanomboka nihinana ny vokatry ny tany tao Kanana izy ireo, tamin’iny taona iny.+ 13  Rehefa teo akaikin’i Jeriko i Josoa, dia nanopy ny masony ka nijery, ary io fa nisy lehilahy+ nijoro teo anatrehany, sady nitana sabatra efa voatsoaka tao anaty tranony.+ Koa nanatona azy i Josoa ka niteny hoe: “Momba anay ianao sa momba ny fahavalonay?” 14  Ary hoy ralehilahy: “Tsia, fa lehiben’ny tafik’i Jehovah aho, ary izany no ahatongavako eto.”+ Dia niondrika i Josoa ka niankohoka+ tamin’ny tany, sady niteny hoe: “Inona no holazain’ny tompoko amin’ny mpanompony?” 15  Ary hoy ilay lehiben’ny tafik’i Jehovah tamin’i Josoa: “Esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa masina io toerana ijoroanao io.” Dia nataon’i Josoa avy hatrany izany.+

Fanamarihana