Josoa 6:1-27

6  Dia nohidiana mafy ny tanànan’i Jeriko noho ny amin’ny zanak’Israely, ka tsy nisy nivoaka na niditra.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Efa natolotro teo an-tananao i Jeriko sy ny mpanjakany ary ny mpiadiny mahery fo.+  Koa aoka ianareo lehilahy mpiady rehetra hihodidina ny tanàna indray mandeha, ka hanao toy izany foana mandritra ny enina andro.  Mpisorona fito no handeha eo alohan’ilay Vata ka hitondra anjombona fito vita amin’ny tandrok’ondry. Amin’ny andro fahafito kosa, dia hihodidina ny tanàna impito ianareo, ary hitsoka anjombona+ ny mpisorona.  Rehefa ampanenoin’izy ireo ny anjombona, ka renareo ny feon’ny anjombona, dia hihorakoraka mafy hanao hiakan’ady+ ny olona rehetra, ka hirodana ny mandan’ny tanàna.+ Dia hiakatra ny olona, ary samy hanitsy amin’izay tandrifiny avy.”  Koa nantsoin’i Josoa zanak’i Nona ny mpisorona,+ ka nilazany hoe: “Raiso ny Vata misy ny fifanekena,+ ary mpisorona fito no handeha eo alohan’ilay Vata masin’i+ Jehovah ka hitondra anjombona fito vita amin’ny tandrok’ondry.”  Hoy koa izy tamin’ny olona: “Mandehana manodidina ny tanàna, ary handeha eo alohan’ilay Vata masin’i Jehovah ny tafika voaomana hiady.”+  Koa nizotra araka izay efa nasain’i Josoa nataon’ny olona ny zava-drehetra: Nandeha ny mpisorona fito nitondra anjombona fito teo anatrehan’i Jehovah, ka nitsoka ny anjombona izy ireo, ary tao aorian’izy ireo ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah.  Dia nandeha teo alohan’ireo mpisorona nitsoka anjombona ny tafika voaomana hiady, fa ny vodilaharana mpiaro+ kosa nanaraka an’ilay Vata. Ary notsofina foana ny anjombona. 10  Dia nandidy ny olona i Josoa+ hoe: “Aza mihorakoraka, ary aoka tsy hisy feo ho re avy aminareo, ary aza miteny na indraim-bava aza, mandra-pahatongan’ny andro hilazako aminareo hoe: ‘Mihorakoraha!’ Amin’izay vao hihorakoraka ianareo.”+ 11  Koa nalefany nihodidina ny tanàna indray mandeha ny Vata masin’i Jehovah. Dia nankany an-toby izy ireo avy eo, ka natory tao an-toby ny alina. 12  Dia nifoha maraina i Josoa,+ ary nolanjain’ny mpisorona ny Vata masin’i+ Jehovah. 13  Nisy mpisorona fito nitondra anjombona fito teo alohan’ilay Vata masin’i Jehovah, sady nitsoka anjombona foana. Nandeha teo alohan’izy ireo ny tafika voaomana hiady, fa ny vodilaharana mpiaro kosa nanaraka an’ilay Vata masin’i Jehovah. Ary notsofina foana ny anjombona.+ 14  Nihodidina ny tanàna indray mandeha koa izy ireo tamin’ny andro faharoa, dia nody tany an-toby. Toy izany no nataony nandritra ny enina andro.+ 15  Ary nifoha maraina izy ireo tamin’ny andro fahafito, raha vao nazava ratsy ny andro, ka nihodidina ny tanàna toy ny nataony teo aloha, saingy nataony impito izany. Tamin’io andro io ihany izy ireo no nanodidina ny tanàna impito.+ 16  Dia notsofin’ny mpisorona ny anjombona tamin’ny fihodinana fahafito. Koa hoy i Josoa tamin’ny olona: “Mihorakoraha,+ fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tanàna!+ 17  Ary hatokana haringana ny tanàna.+ An’i Jehovah izy io sy ny zava-drehetra ao aminy. I Rahaba+ mpivaro-tena ihany mbamin’ny olona rehetra miaraka aminy ao an-trano, no aoka ho velona, satria nanafina ireo iraka nalefantsika izy.+ 18  Mitandrema anefa ianareo mba tsy hanakaiky ny zavatra atokana haringana,+ sao hotsiriritinareo+ ireny ka hakanareo,+ dia hahatonga ny tobin’ny Israely ho voatokana haringana ianareo ka hitondra loza aminy.+ 19  Fa zava-masina ho an’i Jehovah ny zava-drehetra vita amin’ny volafotsy sy volamena sy varahina ary vy.+ Tokony halefa ho isan’ny zava-tsarobidy ho an’i Jehovah ireny.”+ 20  Ary nihorakoraka ny olona, rehefa notsofina ny anjombona.+ Eny, raha vao ren’izy ireo ny feon’ny anjombona, dia nihorakoraka mafy nanao hiakan’ady izy ireo, ka nirodana ny manda.+ Dia niakatra nankao an-tanàna izy ireo, ka samy nanitsy tamin’izay tandrifiny avy, ary naka ny tanàna ho babo. 21  Koa naringan’izy ireo tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy, na tovolahy na lahiantitra, na omby na ondry na ampondra.+ 22  Ary hoy i Josoa tamin’izy roa lahy izay nijery taratra an’ilay tany: “Mankanesa ao an-tranon’ilay vehivavy mpivaro-tena, ka ento mivoaka izy sy izay rehetra azy, araka izay efa nianiananareo taminy.”+ 23  Dia nankany ireo tovolahy izay nijery taratra an’ilay tany, ka namoaka an’i Rahaba sy ny rainy sy ny reniny sy ny anadahiny ary izay rehetra azy, eny, ny havany rehetra,+ dia nametraka azy teo ivelan’ny tobin’ny Israely. 24  Ary nodoran’izy ireo ny tanàna sy ny zava-drehetra tao.+ Fa ny volafotsy sy ny volamena sy ny zavatra vita tamin’ny varahina sy vy kosa nomeny ho isan’ny zava-tsarobidy ho an’ny tranon’i Jehovah.+ 25  Dia notsimbinin’i Josoa ny ain’i Rahaba mpivaro-tena, sy ny ain’ny ankohonan-drainy, ary izay rehetra azy.+ Ary mbola eto amin’ny Israely ravehivavy mandraka androany,+ satria izy nanafina ny iraka nalefan’i Josoa hijery taratra an’i Jeriko.+ 26  Ary nilaza ozona i Josoa tamin’izay fotoana izay, hoe: “Ho voaozona eo anatrehan’i Jehovah izay olona manorina ity tanànan’i Jeriko ity. Aoka ho faty ny lahimatoany rehefa manao ny fototra izy, ary ny faralahiny rehefa manangana ny vavahadiny izy.”+ 27  Ary i Jehovah nomba an’i Josoa,+ ka niely eran-tany ny lazany.+

Fanamarihana