Josoa 7:1-26

  • Resy tao Ay ny Israely (1-5)

  • Vavak’i Josoa (6-9)

  • Nanota ny Israely dia resy (10-15)

  • Tratra i Akana dia notoraham-bato (16-26)

7  Nivadika tamin’Andriamanitra anefa ny Israelita, ka tsy nankatò ny didy momba ny zavatra voatokana haringana.+ Naka tamin’izany mantsy i Akana+ zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy amin’ny fokon’i Joda. Dia tezitra be tamin’ny Israelita i Jehovah.+ 2  Ary nisy olona nirahin’i Josoa avy tao Jeriko hankany Ay,+ izay teo akaikin’i Beti-avena, tany atsinanan’i Betela.+ Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Miakara ary tsikilovy ilay tany.” Niakatra àry izy ireo ka nitsikilo an’i Ay. 3  Rehefa tafaverina izy ireo, dia niteny tamin’i Josoa hoe: “Tsy mila miakatra any daholo ny olona. Lehilahy 2 000 na 3 000 eo ho eo ihany dia efa maharesy an’i Ay. Aza alefa any ny olona rehetra fa ho reraka fotsiny, satria vitsy kely ny mponina any.” 4  Lehilahy 3 000 teo ho eo àry no niakatra nankany Ay, kanjo voatery nandositra an’ireo olona tao izy ireo.+ 5  Nahafaty 36 lahy tamin’izy ireo ny olona tao Ay, ka nanenjika azy tany ivelan’ny vavahadin’ny tanàna hatrany Sebarima,* sady mbola namely azy ireo ihany teny am-pidinana. Tsy nanana herim-po intsony àry ny vahoaka.* 6  Dia nandrovitra ny akanjony i Josoa. Ary niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah izy sy ny anti-panahin’ny* Israely mandra-paharivan’ny andro. Samy nanipy vovoka teo amin’ny lohany avy izy ireo. 7  Hoy i Josoa: “Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Fa maninona ity vahoaka ity no nentinao tamin’ireny lalana rehetra ireny, dia nentinao niampita an’i Jordana? Mba handresen’ny Amorita anay ve ka handringanany anay? Tahaka izay izahay nijanona teny ampitan’i* Jordana ihany! 8  Mifona aminao aho, Jehovah ô! Tsy hitako intsony izay hotenenina, fa ny Israely aza efa nandositra* teo anoloan’ny fahavalony. 9  Raha henon’ny Kananita sy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity izany, dia hanodidina anay izy ireo ka hofoanany tsy ho eto an-tany ny anaranay. Dia hataonao ahoana ny anaranao be voninahitra?”+ 10  Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Mitsangàna! Fa maninona ianao no miankohoka hoatr’izao? 11  Nanota ny Israely. Nivadika tamin’ny fifanekena+ nasaiko nohajainy izy ireo. Nakany mantsy ny zavatra voatokana haringana,+ ka nangalariny+ sy nafeniny ary nataony tao amin’ny entany.+ 12  Tsy hahatohitra ny fahavalony àry ny Israelita. Handositra an’ireo fahavalony izy ireo, satria lasa voatokana haringana koa. Ary tsy hanampy anareo intsony aho, raha tsy fongoranareo tsy ho eo aminareo ilay zavatra voatokana haringana.+ 13  Mandehana, asaivo miomana* ny vahoaka!+ Dia teneno izy ireo hoe: ‘Miomàna ho amin’ny rahampitso, fa izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Misy zavatra voatokana haringana eo aminao, ry Israely ô! Tsy ho vitanareo ny hanohitra ny fahavalonareo, raha tsy esorinareo tsy ho eo aminareo ilay zavatra voatokana haringana. 14  Hivory ianareo rahampitso maraina ka hiseho isam-poko. Ary izay foko voafidin’i Jehovah,+ dia hanatona isam-pianakaviana. Izay fianakaviana voafidin’i Jehovah indray, dia hanatona isaky ny ankohonana. Hanatona tsirairay avy eo izay lehilahy ao amin’ilay ankohonana voafidin’i Jehovah. 15  Ary izay hahatratrarana an’ilay zavatra voatokana haringana dia hodorana+ miaraka amin’izay rehetra azy. Nivadika tamin’ny fifanekena+ nataon’i Jehovah mantsy izy, ary nanao zavatra nanala baraka teo amin’ny Israely.”’” 16  Nifoha maraina àry i Josoa ny ampitson’iny, dia nasainy nanatona isam-poko ny Israely, ka ny fokon’i Joda no voafidy. 17  Nasainy nanatona ireo fianakavian’i Joda, ka ny fianakavian’ny Zerita+ no voafidy. Ary nasainy nanatona tsirairay ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’ny Zerita, ka i Zabdy no voafidy. 18  Farany, dia nasainy nanatona ny lehilahy tsirairay tao amin’ny ankohonan’i Zabdy, ka i Akana zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy amin’ny fokon’i Joda, no voafidy.+ 19  Ary hoy i Josoa tamin’i Akana: “Miangavy anao aho, anaka, mba hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ka hibaboka aminy. Teneno amiko re izay nataonao fa aza afenina e!” 20  Dia hoy i Akana tamin’i Josoa: “Ie, izaho mihitsy no nanota tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Izao no nataoko: 21  Nahita akanjo lafo vidy sy tsara tarehy avy any Sinara+ aho teo amin’ny zavatra azo babo. Dia nahita volafotsy 200 sekely* sy vaingam-bolamena iray nilanja 50 sekely koa aho. Notsiriritiko ireo dia nalaiko. Milevina ao anaty tany eo afovoan’ny tranolaiko izy ireo izao, dia ao ambany indrindra ilay vola.” 22  Naniraka olona avy hatrany i Josoa, dia nihazakazaka nankany amin’ilay tranolay izy ireo. Hitan’izy ireo nilevina tao tokoa ilay akanjo, ary tao ambaniny ny vola. 23  Koa nalain’izy ireo tao amin’ilay tranolay ireo zavatra ireo, dia nentiny tany amin’i Josoa sy ny Israelita rehetra, ary nataony teo anatrehan’i Jehovah. 24  Dia nalain’i Josoa sy ny Israely rehetra i Akana+ zanak’i Zera, niaraka tamin’ilay volafotsy sy ilay akanjo ary ilay vaingam-bolamena.+ Nalain’izy ireo koa ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondry aman’osiny, ny tranolainy, ary izay rehetra azy, ka nentin’izy ireo teo amin’ny Lohasahan’i* Akora.+ 25  Ary hoy i Josoa: “Nahoana ianao no nahatonga loza* taminay?+ Hahatonga loza aminao koa i Jehovah androany.” Dia nitora-bato azy sy ny ankohonany ny Israely rehetra,+ ary nandoro azy ireo avy eo.+ Koa nitora-bato azy rehetra izy ireo. 26  Ary nasian’izy ireo vato be dia be mivangongo teo amboniny, ka mbola eo izany hatramin’izao. Dia tsy tezitra be intsony i Jehovah.+ Izany no antony nanaovana ny anaran’io toerana io hoe Lohasahan’i Akora,* hatramin’izao.

Fanamarihana

Midika hoe “Toerana Famakiam-bato.”
Abt: “Nitsonika àry ny fon’ny vahoaka ka lasa hoatran’ny rano.”
Jereo F.T.
Izany hoe ampita atsinanana.
Na: “nanome lamosina.”
Na: “hamasino.”
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Na: “olana.”
Midika hoe “Loza; Olana.”