Josoa 8:1-35

8  Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Aza matahotra na mihorohoro.+ Ento miaraka aminao ny mpiady rehetra ka miakara any Ay. Fa atolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Ay sy ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.+  Ary toy ny nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany ihany no ataovy amin’i Ay sy ny mpanjakany.+ Fa azonareo alaina ho anareo kosa ny fananany izay voababonareo sy ny biby fiompiny.+ Ary asio lehilahy miafina any ambadiky ny tanàna, mba hanafika azy.”+  Dia niakatra ho any Ay i Josoa sy ny mpiady rehetra.+ Ary nifidy lehilahy matanjaka sy mahery fo+ niisa telo alina i Josoa, ka nandefa azy tamin’ny alina.  Dia nomeny baiko izy ireo hoe: “Miafena+ any ambadiky ny tanàna ianareo mba hanafika azy. Aza mihataka lavitra loatra amin’ny tanàna anefa, ary aoka ho vonona foana ianareo rehetra.  Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hankeny akaikin’ny tanàna. Koa raha mivoaka hifanandrina aminay toy ny tamin’ny voalohany izy ireo,+ dia handositra eo anoloany izahay.  Ary hivoaka hanenjika anay izy ireo, mandra-pitarikay azy lavitra ny tanàna. Hieritreritra mantsy izy ireo hoe: ‘Mandositra eo anoloantsika toy ny tamin’ny voalohany ry zareo.’+ Koa handositra eo anoloan’izy ireo izahay.  Amin’izay ianareo no hipoitra avy ao amin’izay hiafenanareo, ka haka an’ilay tanàna. Dia hatolotr’i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo+ izy io.  Ary raha vao azonareo ny tanàna, dia dory.+ Ny tenin’i Jehovah no araho. Izany no baiko omeko anareo.”+  Dia nalefan’i Josoa izy ireo, ka nankany amin’ilay toerana hiafenana, ary nitoby teo anelanelan’i Betela sy Ay, teo andrefan’i Ay. Fa i Josoa kosa nitoetra teo amin’ny olona niaraka taminy, tamin’iny alina iny. 10  Ary nifoha maraina+ i Josoa, ka nijery an’ireo olona niaraka taminy. Dia nitarika an’ireo niakatra nankany Ay izy sy ny anti-panahin’ny Israely. 11  Koa niakatra ny mpiady rehetra+ niaraka taminy, mba hanatona teo anoloan’ny tanàna. Ary nitoby teo avaratr’i Ay izy ireo, ka ny lohasaha no nanelanelana azy ireo sy i Ay. 12  Tamin’izay dia efa nisy lehilahy dimy arivo teo ho eo nofidin’i Josoa ka nasainy niafina+ teo anelanelan’i Betela+ sy Ay, teo andrefan’ny tanàna. 13  Koa natoby teo avaratry ny tanàna+ ny ampahany lehibe indrindra tamin’ilay tafika, ary teo andrefan’ny tanàna+ kosa ny sisa. Ary nankeo afovoan’ny lemaka iva i Josoa nandritra iny alina iny. 14  Raha vao hitan’ny mpanjakan’i Ay izany, dia nikoropaka nifoha maraina ny lehilahy tao an-tanàna. Dia nivoaka hiady tamin’ny Israely tandrifin’ny lemaka karakaina ny mpanjaka sy ny olony rehetra, tamin’ny fotoana voatondro. Tsy fantany anefa fa efa nisy niafina hanafika azy tany ambadiky ny tanàna.+ 15  Ary mody resy teo anoloan’izy ireo+ i Josoa sy ny Israely rehetra, ka nandositra tamin’ny lalana mankany an-tany efitra.+ 16  Koa nantsoina daholo ny olona tao an-tanàna mba hanenjika azy ireo. Dia nanenjika an-dry Josoa izy ireo ka voatarika lavitra ny tanàna.+ 17  Koa tsy nisy lehilahy tavela tao Ay sy Betela, fa samy nivoaka nanenjika ny Israely avokoa. Ary navelan’izy ireo nivoha nidanadana ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Israely izy ireo. 18  Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Ataovy manondro an’i Ay iny lefom-pohy eny an-tananao iny,+ fa hatolotro eo an-tananao izy.”+ Koa nataon’i Josoa nanondro ny tanàna ny lefom-pohy teny an-tanany. 19  Ary nipoitra haingana avy tao amin’ny toerany ireo lehilahy niafina, ka nihazakazaka avy hatrany raha vao nanatsotra ny tanany i Josoa. Dia niditra tao an-tanàna izy ireo, ka naka azy io ho babo.+ Ary nodoran’izy ireo haingana ny tanàna.+ 20  Ary nitodika ireo lehilahy nivoaka avy tao Ay ka hitany fa niakatra teny amin’ny lanitra ny setroky ny tanàna. Dia tsy nahavita nandositra izy ireo, na ho aiza na ho aiza. Ary ny Israely izay nandositra nankany an-tany efitra dia niverina hamely ny mpanenjika. 21  Rehefa tazan’i Josoa sy ny Israely rehetra fa efa naka ny tanàna ho babo ireo lehilahy niafina,+ ary efa niakatra ny setroky ny tanàna, dia niverina izy ireo ka namono an’ireo lehilahy avy ao Ay. 22  Nivoaka hifanandrina tamin’izy ireo koa ny Israelita namabo an’ilay tanàna. Koa latsaka teo afovoan’ny Israely izy ireo, satria teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny Israely. Dia naripaky ny Israely izy ireo, ka tsy nisy niangana na afa-nandositra.+ 23  Ary nataony sambo-belona ny mpanjakan’i+ Ay, ka nentiny tany amin’i Josoa. 24  Ary novonoin’ny Israely avokoa ny mponin’i Ay izay nanenjika azy tany an-tany efitra, ka lavon’ny lelan-tsabatra izy rehetra ary tsy nisy niangana intsony. Dia niverina tao Ay ny Israely rehetra, ka namely azy io tamin’ny lelan-tsabatra. 25  Lehilahy sy vehivavy roa arivo sy iray alina no lavon-tsabatra tamin’iny andro iny, dia ny olona rehetra tao Ay. 26  Ary tsy nahemotr’i Josoa mihitsy ilay tanany nitana ny lefom-pohy,+ mandra-pandringany tanteraka+ ny mponina rehetra tao Ay. 27  Ny biby fiompy ihany mbamin’ny fananana voababo tao amin’ilay tanàna no nalain’ny Israely ho an’ny tenany, araka ny tenin’i Jehovah izay nandidiany an’i Josoa.+ 28  Dia nodoran’i Josoa i Ay ka lasa dongon-tany mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ ary mbola aolo mandraka androany. 29  Ary nahantony teo amin’ny tsato-kazo ny mpanjakan’i Ay,+ mandra-paharivan’ny andro.+ Rehefa nadiva hilentika ny masoandro, dia nasain’i Josoa nampidinina+ avy teo amin’ilay tsato-kazo ny fatiny, ka natsipy teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’ny tanàna, ary nananganana antontam-bato teo amboniny. Mbola ao izany mandraka androany. 30  Tamin’izay i Josoa no nanorina alitara+ ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, teo amin’ny Tendrombohitra Ebala,+ 31  araka ny didy nampitain’i Mosesy mpanompon’i Jehovah tamin’ny zanak’Israely, dia araka izay voasoratra ao amin’ny boky misy ny lalàn’i+ Mosesy hoe: “Alitara vita amin’ny vato tsy voapaika, ary tsy nampiasana fitaovana vy.”+ Koa nanolotra fanatitra dorana ho an’i Jehovah sy sorona iombonana+ teo ambonin’io izy ireo. 32  Teo no nadikan’i+ Josoa tamin’ny vato ny lalàn’i Mosesy izay nosoratany teo anatrehan’ny zanak’Israely.+ 33  Ary ny Israely rehetra sy ny anti-panahiny+ sy ny mpiadidy ary ny mpitsarany dia nitsangana teo amin’ny andaniny sy ankilany amin’ny Vata, teo anoloan’ny Levita mpisorona+ izay nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah,+ mba hitso-drano+ ny vahoakan’Israely aloha. Koa nitsangana teo na ny vahiny na ny teratany,+ ka ny antsasany teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima,+ ary ny antsasany teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala,+ araka izay nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah.+ 34  Novakiny mafy nony avy eo izay rehetra voalazan’ny lalàna,+ dia ny fitahiana+ sy ny ozona,+ araka izay rehetra voasoratra tao amin’ny boky misy ny lalàna. 35  Ary tsy nisy tsy novakin’i Josoa ny teny rehetra nandidian’i Mosesy. Novakiny mafy izany teo anatrehan’ny fiangonan’Israely+ manontolo, sy ny vehivavy+ sy ny ankizy madinika+ ary ny vahiny+ izay niara-nandeha tamin’izy ireo.

Fanamarihana