Josoa 9:1-27

9  Ary nahare izany ny mpanjaka+ rehetra tetỳ ampitan’ny Reniranon’i Jordana, izany hoe teny amin’ny faritra be tendrombohitra sy tany Sefela sy teny amoron’ny Ranomasina Lehibe+ ary tandrifin’i Libanona,+ dia ny Hetita+ sy ny Amorita sy ny Kananita+ sy ny Perizita+ sy ny Hivita ary ny Jebosita.+  Koa nivory izy rehetra ka niray saina+ hiady tamin’i Josoa sy ny Israely.  Ary ren’ny mponin’i Gibeona+ ny nanaovan’i Josoa an’i Jeriko+ sy Ay.+  Koa nanapa-kevitra hampiasa hafetsena+ izy ireo. Dia lasa naka vatsy izy ireo, ary nitondra gony tonta hatao eo amin’ny ampondrany, sy siny hoditra tonta fasiana divay izay efa triatra ka nofatorana.+  Nanao kapa tonta sy nitampintampina izy ireo, sady nanao akanjo tonta. Ary efa maina sy potipotika ny mofo rehetra nataony vatsy.  Dia nankany amin’i Josoa tao amin’ny toby tany Gilgala+ izy ireo, ka niteny taminy sy tamin’ny Israelita hoe: “Avy any an-tany lavitra izahay, ka manaova fifanekena+ aminay.”  Ary hoy ny Israelita tamin’ny Hivita:+ “Sao etỳ amin’ny manodidina anay ihany ianareo no mipetraka, ka ahoana no hanaovanay fifanekena aminareo?”+  Dia hoy ireo tamin’i Josoa: “Mpanomponao izahay.”+ Ary hoy i Josoa: “Fa iza moa ianareo, ary avy aiza?”  Dia hoy ireo: “Avy any an-tany lavitra be+ izahay mpanomponao, ary tonga atỳ noho ny amin’ny anaran’i+ Jehovah Andriamanitrao. Efa renay mantsy ny lazany sy izay rehetra nataony tany Ejipta,+ 10  ary izay rehetra nataony tamin’ny mpanjaka roan’ny Amorita teny ampitan’i Jordana, dia i Sihona+ mpanjakan’i Hesbona sy Oga+ mpanjakan’i Basana, ilay tao Astarta.+ 11  Koa niteny taminay ny anti-panahinay sy ny mponina rehetra any amin’ny taninay,+ hoe: ‘Mitondrà vatsy ho amin’ny dianareo, ka mankanesa any amin’izy ireo, dia lazao aminy hoe: “Mpanomponareo+ izahay, ka manaova fifanekena aminay.”’+ 12  Vao nafana ireto mofo nentinay hatao vatsy ireto, tamin’ny andro nialanay tany an-trano hankatỳ aminareo, nefa jereo ireto izy fa efa maina sy potipotika.+ 13  Ary vaovao ireto siny hoditra fasiana divay ireto tamin’izy nofenoinay, nefa jereo ireto izy fa efa triatra.+ Nanjary tonta koa itony akanjo sy kapanay itony, noho ny halavitry ny lalana.” 14  Koa nakan’ny Israelita ny vatsin’izy ireo hojereny. Tsy mba nanontany an’i Jehovah+ anefa ny Israelita. 15  Ary nanaiky hihavana tamin’ireo i Josoa,+ ka nanao fifanekena taminy fa hamela azy ho velona. Dia nianiana tamin’izy ireo+ ny mpiadidy+ vahoaka. 16  Rehefa afaka telo andro taorian’ny nanaovana fifanekena tamin’izy ireo anefa, dia ren’ny Israely fa teny akaikiny, teny amin’ny manodidina azy teny ihany ireo no nipetraka. 17  Dia niainga ny zanak’Israely ka tonga tao an-tanànan’izy ireo tamin’ny andro fahatelo. I Gibeona+ sy Kefira+ sy Berota+ ary Kiriata-jearima+ izany tanàna izany. 18  Tsy namely azy ireo anefa ny zanak’Israely, satria ny mpiadidy vahoaka efa nianiana+ tamin’izy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ Ary ny vahoaka manontolo dia nimenomenona tamin’ny mpiadidy.+ 19  Dia hoy ny mpiadidy rehetra tamin’ny vahoaka manontolo: “Efa nianiana tamin’izy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely izahay, ka tsy mahazo mamely azy isika.+ 20  Noho izany dia havelantsika ho velona ihany izy ireo, mba tsy hisian’ny fahatezerana hihatra amintsika noho ny amin’ilay fianianana nataonay taminy.”+ 21  Ary hoy ny mpiadidy tamin’ny Israely: “Avelantsika ho velona izy ireo, nefa hataontsika mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana manontolo,+ araka izay efa nampanantenainay mpiadidy.”+ 22  Ary nantsoin’i Josoa izy ireo ka nilazany hoe: “Nahoana ianareo no namitaka anay ka niteny hoe: ‘Lavitra be anareo no misy anay’,+ nefa etỳ aminay ihany ianareo no mipetraka?+ 23  Koa ankehitriny dia voaozona+ ianareo, ka ho mpanompo+ sy mpaka kitay ary mpantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitro mandrakizay.”+ 24  Ary hoy ny navalin’izy ireo an’i Josoa: “Notantaraina tsara taminay mpanomponao mantsy, fa i Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony hanome anareo ity tany manontolo ity, ka handringana ny mponina rehetra eto tsy ho eo anoloanareo.+ Koa noho ny aminareo dia natahotra mafy izahay ny amin’ny ainay,*+ ka nanao izany zavatra izany.+ 25  Indreto àry izahay eto am-pelatananao, ka izay hitanao fa tsara sy mety no ataovy aminay.”+ 26  Koa nanao izany tamin’izy ireo izy ka nanafaka azy teo an-tanan’ny zanak’Israely. Dia tsy novonoin’ny zanak’Israely izy ireo.+ 27  Koa tamin’izay andro izay ka mandraka androany, dia nataon’i+ Josoa ho mpaka kitay izy ireo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana+ sy ny alitaran’i Jehovah, eo amin’izay toerana hofidiny.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.