Ho An’ny Kolosianina 2:1-23

  • Kristy, ilay zava-miafina masin’Andriamanitra (1-5)

  • Mitandrema amin’ny mpamitaka (6-15)

  • Ny tena izy dia i Kristy (16-23)

2  Fa tiako ho fantatrareo fa miady mafy aho mba hahasoa anareo, sy mba hahasoa an’izay any Laodikia,+ ary mba hahasoa an’izay rehetra mbola tsy nahita ahy.* 2  Amin’izay dia hampiononina ny fon’izy ireo,+ ary ho tafaray tsara sy hifankatia+ izy ireo. Dia ho azon’izy ireo koa ny harena rehetra, izany hoe ho takany mazava tsara sy ho azony antoka tanteraka ary ho fantany tsara ilay zava-miafina masin’Andriamanitra, dia i Kristy.+ 3  Tsara afina ao aminy tokoa mantsy ny harena sarobidy rehetra, izany hoe ny fahendrena sy ny fahalalana.+ 4  Milaza an’izany aho mba tsy hisy hamitaka anareo amin’ny hevitra maharesy lahatra. 5  Fa na tsy any aminareo aza aho,* dia any aminareo kosa ny saiko, ka faly aho mahafantatra hoe milamina tsara+ ianareo sady matanjaka tsara ny finoanareo an’i Kristy.+ 6  Hoatran’ny efa nanekenareo an’i Kristy Jesosy Tompo àry, dia miezaha koa hiara-mandeha aminy foana. 7  Araka ny efa nampianarina anareo koa, dia tokony hamaka tsara sy ho mafy orina eo aminy+ ianareo, sady tsy tokony ho voahozongozona amin’ny finoana,+ ary ho feno fisaorana an’Andriamanitra.+ 8  Tandremo sao hisy hamandrika anareo* amin’ny filozofia sy ny hevitra mamitaka tsy misy fotony.+ Avy amin’ny fampianarana nifandovan’olombelona sy ny fisainan’izao tontolo izao* ireny, fa tsy avy amin’i Kristy. 9  Ananan’i Kristy amin’ny fomba feno daholo mantsy ny toetran’Andriamanitra.+ 10  Efa azonareo daholo amin’ny alalany àry ny zavatra rehetra. Izy no lohan’ny fanjakana sy ny fahefana rehetra.+ 11  Mifandray amin’i Kristy ianareo ka noforana, nefa tsy noforan’ny tanan’olona, rehefa nialanareo ny zava-dratsy fanaon’ny vatana.+ Hoatr’izany ny famorana ny mpianatr’i Kristy.+ 12  Niara-nalevina taminy mantsy ianareo tamin’ny batisany,+ dia niara-natsangana taminy koa,+ satria mifandray aminy sady mino ny herin’Andriamanitra, izay nanangana azy tamin’ny maty.+ 13  Na dia maty noho ny helokareo koa aza ianareo sady tsy voafora, dia novelomin’Andriamanitra niaraka tamin’i Kristy.+ Tsara fanahy Andriamanitra ka namela ny heloka rehetra vitantsika.+ 14  Ary nofafany* ilay lalàna+ nisy didy maro,+ izay nosoratana hanamelohana antsika.+ Nofoanany ilay izy rehefa nofantsihany teo amin’ny hazo fijaliana.*+ 15  Nataony nitanjaka sy nasehony teny imasom-bahoaka tamin’ny alalan’ny hazo fijaliana* ny fanjakana sy ny manam-pahefana. Resiny+ mantsy izy ireny, dia nentiny ho babo tao amin’ny filaharan’ny mpandresy. 16  Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’izay haninareo sy sotroinareo,+ na momba ny fankalazana fety na tsinam-bolana,+ na ny fitandremana sabata.+ 17  Aloky ny zavatra ho avy ireny,+ fa ny tena izy dia i Kristy.+ 18  Aza avela hisy hanakana anareo tsy hahazo an’ilay loka+ ny olona mody miseho ho manetry tena sy mivavaka amin’ny anjely.* “Manizingizina”* ny zavatra hitany maso izy. Mirehareha tsy amin’antony koa izy satria misaina araka ny nofo, 19  ka tsy mitambatra amin’ilay loha.+ Ilay loha anefa no manome ny zava-drehetra ilain’ny vatana sy mahatonga ny vatana manontolo hikambana tsara noho ny asan’ny tonon-taolana sy hozatra. Ary amin’ny alalan’io loha io Andriamanitra no mampitombo an’ilay vatana manontolo.+ 20  Efa niara-maty tamin’i Kristy ianareo sady efa tsy nanaiky hanaraka ny fisainan’izao tontolo izao*+ intsony. Dia maninona àry ianareo no mbola hoatran’ny hoe anisan’izao tontolo izao ihany, ka mbola mankatò ny didy+ hoe: 21  “Aza mandray, aza manandrana, ary aza mikasika”? 22  Ireny didy ireny dia momba ny zavatra rehetra izay ho levona rehefa hanina sy sotroina, sady fampianaran’olombelona+ fotsiny. 23  Hoatran’ny hoe fahendrena ireny didy ireny, kanefa tsy manampy ny olona hiady amin’ny fanirian’ny nofony. Izy ireo ihany mantsy no mifidy an’izay tiany hatao amin’ny resaka fivavahana, ary mody manetry tena izy ireo sady mampijaly tena.+

Fanamarihana

Abt: “tsy nahita ny tarehiko tao amin’ny nofo.”
Na: “ny vatako.”
Na: “ny zavatra fototra eo amin’izao tontolo izao.”
Na: “hahalasa anareo ho rembiny.”
Na: “novonoiny.”
Jereo F.T.
Na mety hoe “tamin’ny alalany.”
Na: “mivavaka hoatran’ny ataon’ny anjely.”
Nalaina avy tao amin’ny teny nifono zava-miafina nolazain’ny mpanompo sampy (vao niditra ho mpikambana) ilay hoe “manizingizina” eto.
Na: “ny zavatra fototra eo amin’izao tontolo izao.”