Kolosianina 4:1-18

4  Ianareo tompo, ento araka ny fahamarinana sy ny rariny foana ny mpanomponareo,+ satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.+  Mahareta amin’ny vavaka,+ ka miambena mandrakariva amin’izany, sady asio fisaorana.+  Ary mivavaha koa ho anay,+ mba hasian’Andriamanitra varavarana misokatra+ hahafahanay hitory ny teny sy hilaza ny zava-miafina+ masina momba an’i Kristy, fa izany indrindra no mahatonga ahy ho voafatotra ato am-ponja,+  mba hanazavako tsara izany zava-miafina izany, araka izay tokony hitenenako.+  Mitondrà tena amim-pahendrena foana amin’ny olona eny ivelany,+ ka mahaiza manararaotra* fotoana.+  Aoka ho teny mahafinaritra+ sady mamy sira+ foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo+ ny olona tsirairay.  Hampahafantatra anareo ny zava-drehetra momba ahy i Tykiko,+ rahalahy malalako, izay mpanompo mendri-pitokisana sady mpiara-manompo amiko ao amin’ny Tompo.  Irahiko ho any aminareo izy mba hahalalanareo izay vaovao momba anay sy mba hampiononany ny fonareo.+  Ampiarahiko aminy koa i Onesimosy,+ rahalahy mendri-pitokisana sy malalako, izay avy aminareo. Izy roa lahy no hampahafantatra anareo ny zava-drehetra atỳ. 10  Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Aristarko,+ mpiara-migadra amiko, sy Marka,+ zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Barnabasy—izy ilay nasaina noraisinareo tsara+ raha sendra tonga any aminareo.— 11  Mampamangy, hono, ianareo, hoy koa i Jesosy, izay atao hoe Josto. Anisan’ny voafora ireo, ary ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra, ary mbola ireo koa no nanampy sy nankahery ahy. 12  Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Epafra,+ izay avy any aminareo, ary mpanompon’i Kristy Jesosy. Mikely aina mandrakariva izy mivavaka ho anareo, mba hitoetra ho matotra*+ ianareo amin’ny farany sady hatoky tanteraka foana ny sitrapon’Andriamanitra rehetra. 13  Mijoro ho vavolombelony aho fa nanao ezaka lehibe tokoa izy, ho anareo sy ho an’ireo any Laodikia+ ary ireo any Hierapolia. 14  Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Lioka+ dokotera malala sy Demasy.+ 15  Mampamangy any amin’ireo rahalahy any Laodikia, ary mampamangy koa any amin’i Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.+ 16  Ary rehefa voavaky eo aminareo ity taratasy ity, dia ataovy izay hamakiana+ azy koa amin’ny fiangonan’ny Laodikianina, ary ataovy koa izay hamakianareo ilay avy any Laodikia. 17  Mba ilazao koa i Arkipo+ hoe: “Tandremo hatrany, hono, hoe ilay fanompoana nekenao hatao ao amin’ny Tompo, ka tanteraho tsara.” 18  Ity no veloma nosoratan’ny tanako, izaho Paoly.+ Tsarovy mandrakariva fa mifatotra ato am-ponja+ aho. Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa!

Fanamarihana

A.b.t.: “mividy fotoana voatondro.”
Na: “feno.”