Levitikosy 1:1-17

  • Fanatitra dorana (1-17)

1  Ary niantso an’i Mosesy i Jehovah, ka niteny taminy avy tao amin’ny tranolay fihaonana+ hoe: 2  “Ilazao ny Israelita* hoe: ‘Raha misy aminareo te hanolotra biby fiompy ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia omby na ondry na osy aterina.+ 3  “‘Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia tokony ho lahy tsy misy kilema ilay izy.+ Hatolony an-tsitrapo+ eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ilay omby. 4  Dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatitra dorana izy, ary hekena handrakofana ny fahotany izany. 5  “‘Hovonoina eo anatrehan’i Jehovah avy eo ilay vantotr’ombilahy. Ary hatolotr’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona+ ho an’Andriamanitra ny ra, ka hafafiny eo amin’ny lafiny rehetra amin’ilay alitara,+ izay eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. 6  Hendahana ny hoditr’ilay fanatitra dorana. Ary hotetitetehina ilay fanatitra avy eo.+ 7  Hanisy vainafo eo ambony alitara+ ireo mpisorona zanakalahin’i Arona, ary handahatra kitay eo ambonin’ilay afo. 8  Halahatr’izy ireo eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo eo ambony alitara, ilay fanatitra efa voatetitetika+ sy ny lohany ary ny jaborany.* 9  Ary ny tsinainy sy ny tongony hosasana amin’ny rano. Dia hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ireo rehetra ireo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.+ 10  “‘Raha ondry na osy no ataony fanatitra dorana,+ dia tokony ho ondrilahy kely na osilahy tsy misy kilema no hatolony.+ 11  Hovonoina eo avaratry ny alitara, eo anatrehan’i Jehovah, izany. Ary hafafin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara ny ran’ilay izy.+ 12  Hotetitetehiny ilay fanatitra, dia halahatry ny mpisorona eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo eo ambony alitara, miaraka amin’ny lohany sy ny jaborany.* 13  Hosasany amin’ny rano ny tsinainy sy ny tongony. Ary hatolotry ny mpisorona ho an’Andriamanitra ireo rehetra ireo, dia hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah. 14  “‘Fa raha vorona kosa no ataony fanatitra dorana ho an’i Jehovah, dia domohina na zana-boromailala no hataony fanatitra.+ 15  Hatolotry ny mpisorona eo amin’ny alitara izany, ka hotsongoiny ny tendan’ilay vorona mba ho tataka. Ary hodorany eo ambony alitara ilay vorona mba hidona-tsetroka, fa ny rany kosa havela hitsika eo amin’ny sisin’ny alitara. 16  Hesoriny ny takorobabony sy ny volony ka hatsipiny eo akaikin’ny alitara, eo atsinanana, eo amin’ny fasiana lavenona.*+ 17  Ary hosamahiny eo amin’ny elany ilay vorona, nefa tsy hozarainy roa. Dia hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin’ny kitay, eo amin’ny afo. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.

Fanamarihana

Na: “zanak’Israely.”
Na: “ny taviny manodidina ny voany.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “ny taviny manodidina ny voany.”
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”
Na: “lavenona feno menaka”, izany hoe lavenona vonton’ny menak’ireo fanatitra.
Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana ho.”