Levitikosy 10:1-20

10  Avy eo, dia naka ny fitondrany afo+ i Nadaba sy Abiho+ zanakalahin’i Arona, ka samy nitondra ny azy, ary nanisy afo tao anatiny sy emboka manitra+ teo amboniny. Dia nanolotra afo tsy ara-dalàna+ teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy, nefa tsy nandidian’Andriamanitra azy izany.  Koa nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’i Jehovah ka nandoro azy roa lahy,+ ary maty teo anatrehan’i Jehovah izy.+  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Aoka hanamasina+ ahy ireo akaiky ahy,+ ary aoka homem-boninahitra+ eo anatrehan’ny rehetra aho.’” Koa tsy nahateny i Arona.  Ary nantsoin’i Mosesy i Misaela sy Elizafana, zanak’i Oziela+ dadatoan’i Arona, ka hoy izy: “Avia, ka esory eo anoloan’ny toerana masina ny rahalahinareo, ary ento any ivelan’ny toby.”+  Dia tonga ireo, ka nobatainy izy roa lahy izay mbola nanao akanjo lava, ka nentiny nankany ivelan’ny toby, araka izay nolazain’i Mosesy.  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy tamin’i Eleazara sy Itamara zanany lahy: “Aza avela hisavoritaka ny volonareo,+ ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin’ny vahoaka manontolo izy.+ Fa ny rahalahinareo, dia ny taranak’Israely manontolo, no hitomany noho ny namonoan’i Jehovah azy roa lahy tamin’ny afo.  Aza miala eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ianareo sao maty.+ Nasiana menaka masina fanosorana avy amin’i Jehovah mantsy ianareo.”+ Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy ireo.  Ary hoy i Jehovah tamin’i Arona:  “Aza misotro divay na toaka+ ianao sy ny zanakao lahy, rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty ianareo. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho an’ny taranakareo, 10  mba hahaizanareo hanavaka ny zavatra masina sy ny tsy masina ary ny maloto sy ny madio,+ 11  sady mba hampianarana ny zanak’Israely+ ny fitsipika rehetra nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy.” 12  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy tamin’i Eleazara sy Itamara, zanany lahy sisa: “Alaivo ny fanatitra varimbazaha,+ ambin’ny fanatitra natao tao anaty afo ho an’i Jehovah, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin’ny alitara, satria zavatra masina indrindra izany.+ 13  Hohaninareo ao amin’ny toerana masina izany,+ satria anjaranao sy ny zanakao lahy avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, fa izany no nandidiana ahy. 14  Ary hohaninareo ny tratra atao fanatitra ahetsiketsika+ sy ny fe atao anjara masina.+ Ianao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy+ no hihinana izany ao amin’ny toerana madio. Efa nomena ho anjaranao sy ny zanakao mantsy izany, avy amin’ny sorona iombonana aterin’ny zanak’Israely. 15  Ary hoentin’izy ireo ny fe izay anjara masina, sy ny tratra atao fanatitra ahetsiketsika,+ ary ny tavin’ny fanatitra atao anaty afo, mba hanetsiketsehany ny fanatitra ahetsiketsika, eo anatrehan’i Jehovah. Ary ho anjaranao+ sy ny zanakao mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, araka izay nandidian’i Jehovah.” 16  Ary nitady fatratra an’ilay osy atao fanatitra noho ny ota+ i Mosesy, nefa efa nodorana ilay izy. Koa tezitra tamin’i Eleazara sy Itamara, zanakalahin’i Arona sisa, izy ka nanao hoe: 17  “Fa nahoana no tsy nohaninareo tao amin’ny toerana masina+ ilay fanatitra noho ny ota? Zavatra masina indrindra iny, ary nomeny anareo mba hitondranareo ny fahadisoan’ny vahoaka, handrakofana ny fahotany eo anatrehan’i Jehovah!+ 18  Jereo fa tsy nentina tao amin’ny toerana masina ny rany.+ Tokony ho nohaninareo tao amin’ny toerana masina mihitsy iny fanatitra iny, araka izay nandidiana ahy.”+ 19  Dia hoy i Arona tamin’i Mosesy: “Efa nitondra ny fanatiny teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy androany, ka nanolotra fanatitra noho ny ota sy fanatitra dorana.+ Izaho anefa ity mbola ao anatin’izao fahoriana izao. Koa raha nihinana ny fanatitra noho ny ota aho androany, ho nankasitrahan’i Jehovah ve izany?”+ 20  Nony nandre izany i Mosesy, dia hitany fa nety izany.

Fanamarihana