Levitikosy 12:1-8

12  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy vehivavy mitoe-jaza+ ka tera-dahy, dia haloto fito andro izy, toy ny amin’ireo andro ahalotoany rehefa tonga fotoana.+  Hoforana ny zaza amin’ny andro fahavalo.+  Ary hanadio ny tenany mandritra ny telo amby telopolo andro fanampiny ravehivavy, noho ny rany. Tsy hikasika zava-masina izy, na hiditra ao amin’ny toerana masina mandra-pahatapitr’ireo andro fidiovany.+  “‘Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto efatra ambin’ny folo andro, toy ny mandritra ny fadimbolany. Dia hanadio ny tenany mandritra ny enina amby enimpolo andro fanampiny izy, noho ny rany.  Rehefa tapitra ireo andro fidiovany noho ny niterahany zazalahy na zazavavy, dia hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy, ho fanatitra dorana,+ ary zana-boromailala iray na domohina+ iray ho fanatitra noho ny ota. Ary hoentiny any amin’ny mpisorona ireo, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.  Hanolotra izany eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan-dravehivavy. Dia hadio ravehivavy raha ny amin’ny faritra nivoahan’ny rany.+ Izany no lalàna momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.  Raha tsy takatry ny volany ny ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy:+ Ny iray ho fanatitra dorana, ary ny iray ho fanatitra noho ny ota. Ary handrakotra ny fahotan-dravehivavy+ ny mpisorona, ka hadio ravehivavy.’”

Fanamarihana