Levitikosy 13:1-59

13  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Raha toa ny hoditry ny olona iray ka misy mibontsimbontsina, na misy anakandroana+ na misy tasy, ary mitatra eo amin’ny hodiny izany, ka lasa habokana,+ dia tsy maintsy entina any amin’i Arona mpisorona izy, na any amin’ny iray amin’ireo mpisorona+ zanak’i Arona.  Hozahan’ny mpisorona ilay aretin-koditra,+ ka raha lasa fotsy ny volo eo aminy, sady lalina noho ny hoditra no fahitana an’ilay aretina, dia habokana izany. Ary hozahan’ny mpisorona izany, ka hambarany hoe maloto ilay olona.  Fa raha fotsy kosa ny tasy eo amin’ny hoditra, ary tsy lalina noho ny hoditra no fahitana azy, sady tsy lasa fotsy ny volo eo aminy, dia hatokan-toerana+ fito andro ilay marary.  Ary hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito, ka raha hita fa tsy mihombo ilay aretina, ary tsy mitatra eo amin’ny hoditra, dia hatokan-toerana+ fito andro indray izy.  “Hizaha azy fanindroany ny mpisorona amin’ny andro fahafito, ka raha mihavasoka ilay faritra voa ary tsy mitatra eo amin’ny hoditra, dia hambarany hoe madio ilay olona. Anakandroana izany. Hanasa ny akanjony ilay olona, ka hadio.  Fa raha tena mitatra eo amin’ny hoditra kosa ilay anakandroana, taorian’ny nisehoan’ilay olona teo anatrehan’ny mpisorona mba hanekena azy ho madio, dia hiseho fanindroany eo anatrehany izy.+  Ary hozahan’ny mpisorona ilay anakandroana, ka raha mitatra eo amin’ny hoditra ilay izy, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany.+  “Tsy maintsy entina any amin’ny mpisorona ny olona iray raha misy habokana. 10  Ary hozahan’ny mpisorona izany,+ ka raha misy mibontsimbontsina fotsy eo amin’ny hoditra ary lasa fotsy koa ny volo eo, sady misy fery lalina+ hita eo amin’izay mibontsimbontsina, 11  dia habokana efa ela+ teo amin’ny hoditra izany. Koa hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona. Tsy hatokan-toerana+ izy, satria maloto. 12  Fa raha tena mipoipoitra eo amin’ny hoditra kosa ilay habokana, ka rakotry ny habokana ny hoditr’ilay marary, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, araka izay faritra rehetra tazan’ny mason’ny mpisorona, 13  ary raha zahan’ny mpisorona izany, ka hitany fa rakotry ny habokana ny hodiny, dia hambarany hoe madio ilay marary. Efa lasa fotsy daholo ilay izy. Madio ilay marary. 14  Fa haloto kosa izy amin’ny andro isian’ny fery lalina eo amin’ny faritra voa. 15  Ary hojeren’ny mpisorona+ ilay fery lalina, ka hambarany hoe maloto ilay olona, noho ilay fery lalina. Habokana izany.+ 16  Na, raha miverina amin’ny laoniny ilay nofo nisy fery lalina, ka lasa fotsy, dia hankany amin’ny mpisorona ilay olona. 17  Ary hozahan’ny mpisorona izy,+ ka raha niova ho fotsy ilay faritra voa, dia hambarany hoe madio ilay marary. 18  “Raha misy vay+ eo amin’ny hoditra, ka efa sitrana, 19  ary misy mibontsimbontsina fotsy na tasy fotsy somary mena eo amin’ilay nisy vay, dia hiseho any amin’ny mpisorona izy. 20  Ary hozahan’ny mpisorona ilay aretina,+ ka raha lalina noho ny hoditra no fahitany azy sady lasa fotsy ny volo eo aminy, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany. Nipoitra teo amin’ny vay ilay aretina. 21  Fa raha zahan’ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy misy fotsy ny volo eo amin’ilay izy, sady tsy lalina noho ny hoditra nefa vasoka, dia hatokan-toerana+ fito andro ilay marary. 22  Ary hambarany hoe maloto ilay olona, raha tena mitatra eo amin’ny hoditra ilay izy. Areti-mifindra izany. 23  Fa raha tsy miova ilay tasy ary tsy mitatra, dia vay masaka+ izany. Koa hambarany hoe madio+ ilay olona. 24  “Na, raha misy ratra eo amin’ny hoditra main’ny afo, ary lasa tasy fotsy somary mena na lasa tasy fotsy ny fery lalina eo amin’ilay may, 25  dia hozahan’ny mpisorona izany, ka raha lasa fotsy ny volo eo amin’ilay tasy sady lalina noho ny hoditra no fahitany azy, dia habokana izany. Habokana nipoitra teo amin’ilay ratra izany, ka hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany. 26  Fa raha zahan’ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy misy fotsy ny volo eo amin’ilay tasy sady tsy lalina noho ny hoditra ilay izy, nefa vasoka, dia hatokan-toerana fito andro ilay marary. 27  Ary hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito, ka raha tena mitatra eo amin’ny hoditra ilay izy, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany. 28  Fa raha tsy miova ilay tasy, ary tsy mitatra eo amin’ny hoditra sady vasoka, dia tasy mamontsina eo amin’ilay ratra izany. Hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona, satria holatra mitera-mena izany. 29  “Raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin’ny lohany na eo amin’ny saokany, 30  dia hozahan’ny mpisorona+ ilay aretina, ka raha lalina noho ny hoditra no fahitany azy, ary mavo ny volo eo aminy sady zara raha misy, dia hambarany hoe maloto ilay olona. Fihintsanam-bolo tsy ara-dalàna+ izany, eny, habokana eo amin’ny loha na saoka. 31  Fa raha zahan’ny mpisorona ilay aretina, izany hoe ilay fihintsanam-bolo tsy ara-dalàna, ka hitany fa tsy lalina noho ny hoditra ilay izy, ary tsy misy volo mainty eo aminy, dia hatokan-toerana+ fito andro ilay mihintsam-bolo.+ 32  Hozahan’ny mpisorona ilay aretina amin’ny andro fahafito, ka raha tsy mitatra ilay faritra mihintsam-bolo,+ ary tsy misy volo mavo eo aminy sady tsy lalina noho ny hoditra no fahitana azy, 33  dia hoharatana ilay marary, fa ilay faritra misy aretina kosa tsy hoharatany.+ Ary hanokan-toerana azy fito andro indray ny mpisorona. 34  “Hozahan’ny mpisorona ilay faritra mihintsam-bolo amin’ny andro fahafito, ka raha tsy mitatra eo amin’ny hoditra izany, sady tsy lalina noho ny hoditra no fahitana azy, dia hambarany hoe madio+ ilay olona. Ary hanasa ny akanjony ilay olona, dia hadio. 35  Fa raha tena mitatra eo amin’ny hoditra kosa ilay faritra mihintsam-bolo, taorian’ny nanekena an’ilay olona ho madio, 36  dia hozahan’ny mpisorona+ ilay olona, ka raha mitatra eo amin’ny hoditra izany faritra mihintsam-bolo izany, dia tsy ilainy intsony ny mitady volo mavo, fa efa maloto ilay olona. 37  Raha hitany kosa fa tsy nitatra ilay faritra mihintsam-bolo, sady misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ilay faritra nihintsam-bolo. Madio ilay olona, ary hambaran’ny mpisorona hoe madio izy.+ 38  “Raha misy lehilahy na vehivavy misy tasy+ fotsy ny hodiny, 39  dia hozahan’ny mpisorona+ izy, ka raha fotsy vasobasoka ilay tasy eo amin’ny hodiny, dia aretin-koditra tsy misy atahorana izany. Nipoitra teo amin’ny hoditra ilay izy. Madio ilay olona. 40  “Raha misy lehilahy mihasola+ loha, dia fahasolana izany, ka madio izy. 41  Ary raha mihasola ny eo ambony handriny, dia fahasolana eo anoloana izany, ka madio izy. 42  Fa raha misy fotsy somary mena kosa eo amin’ilay faritra sola eo an-tampon-doha na eo ambony handrina, dia habokana mipoitra eo amin’ilay faritra sola eo an-tampon-dohany na eo ambony handriny izany. 43  Ary hozahan’ny mpisorona+ ilay olona, ka raha misy mibontsimbontsina fotsy somary mena eo amin’ilay faritra sola eo an-tampon-dohany na eo ambony handriny, ary toy ny habokana no fahitana azy eo amin’ny hoditra, 44  dia boka ilay olona, ka maloto. Ary hambaran’ny mpisorona hoe maloto izy. Eo amin’ny lohany no misy ny aretiny. 45  Ary tokony horovitina ny akanjon’ilay+ olona voan’ny habokana, ary havela hisavoritaka ny volony,+ sady hosaronany ny volombava+ eo ambonin’ny molony, ka hiantsoantso izy hoe: ‘Maloto e! Maloto e!’+ 46  Haloto izy amin’ny andro rehetra haharetan’ilay aretiny. Maloto izy ka tokony hitoka-monina. Ary any ivelan’ny toby+ no ho fonenany. 47  “Raha misy habokana eo amin’ny akanjo, na akanjo volonondry izany na akanjo rongony, 48  na eo amin’ny kofehy natao tenany*+ na natao fahany* tamin’ilay lamba rongony sy lamba volonondry, na eo amin’ny hoditra na zavatra vita amin’ny hoditra,+ 49  ka misy mifaritra maitso somary mavo, na somary mena, eo amin’ilay akanjo na ilay hoditra na ilay tenany na ilay fahany na izay zavatra vita amin’ny hoditra, dia habokana izany, ka tsy maintsy aseho amin’ny mpisorona. 50  Ary hozahan’ny mpisorona+ ilay aretina, ka hatokan-toerana+ fito andro ireo zavatra misy ilay aretina. 51  Rehefa avy nizaha ilay aretina izy amin’ny andro fahafito, ka hitany fa mitatra eo amin’ilay akanjo ilay aretina, na eo amin’ny kofehy natao tenany na natao fahany,+ na eo amin’ilay hoditra, na inona na inona hampiasana an’ilay hoditra, dia habokana mampidi-doza+ izany, ka maloto. 52  Ary hodorany ilay akanjo, na ny kofehy natao tenany na natao fahany tamin’ny lamba volonondry na lamba rongony,+ na izay zavatra vita amin’ny hoditra, ka misy an’ilay aretina, satria habokana mampidi-doza+ izany. Hodorana ilay izy. 53  “Fa raha zahan’ny mpisorona kosa izany, ka hitany fa tsy mitatra eo amin’ilay akanjo ny aretina, na eo amin’ny kofehy natao tenany na natao fahany, na eo amin’izay zavatra vita amin’ny hoditra,+ 54  dia hasainy hosasana ny zavatra misy an’ilay aretina, ary hatokan-toerana fito andro indray ilay izy. 55  Ary hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ilay zavatra avy nosasana, ka raha tsy miova ny fahitany an’ilay aretina, na dia tsy nitatra aza, dia maloto ilay zavatra. Hodoranao izany, fa efa lanin’ny aretina ny lafy ratsiny na ny lafy tsarany. 56  “Fa raha zahan’ny mpisorona kosa ilay faritra voa, ka hitany fa vasoka rehefa avy nosasana, dia ilay faritra voa ihany no hesoriny amin’ilay akanjo na amin’ilay hoditra na amin’ny kofehy natao tenany na natao fahany. 57  Fa raha mbola miseho ilay aretina, na eo amin’ilay akanjo izany, na eo amin’ny kofehy natao tenany na natao fahany,+ na eo amin’izay zavatra vita amin’ny hoditra, dia midika izany fa mirongatra ilay izy. Hodoranao+ izay zavatra misy an’ilay aretina. 58  Ary rehefa avy nosasana ny akanjo, na ny kofehy natao tenany na natao fahany, na ny zavatra vita amin’ny hoditra, ka afaka ilay aretina, dia hosasanao fanindroany ilay izy ka hadio. 59  “Izany no lalàna momba ny habokana eo amin’ny akanjo volonondry na akanjo rongony,+ na eo amin’ny kofehy natao tenany na natao fahany, na eo amin’izay zavatra vita amin’ny hoditra, mba hanambarana azy hoe madio na maloto.”

Fanamarihana

Ireo kofehy mitsivalana.
Ireo kofehy mitsangana.