Levitikosy 14:1-57

14  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Izao no ho lalàna momba ny boka,+ amin’ny andro anekena azy ho madio, rehefa hoentina any amin’ny mpisorona izy:+  Hankeny ivelan’ny toby ny mpisorona, ka hizaha ilay aretina. Raha sitrana+ ny habokan’ilay olona,  dia hasain’ny mpisorona haka an’ireto ilay olona mba hidiovany: Vorona+ roa madio sady velona, rantsankazo sedera,+ kofehy mena midorehitra*+ ary hysopa.+  Ny vorona iray dia hasain’ny mpisorona hovonoina ao anaty vilany tany izay misy rano avy amin’ny rano mandeha.+  Dia halain’ny mpisorona ilay vorona velona, mbamin’ny rantsankazo sedera sy ny kofehy mena midorehitra sy ny hysopa, ka hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina teo ambony rano avy amin’ny rano mandeha.  Ary hofafazany+ ra impito+ ilay manadio ny tenany ho afaka amin’ny habokany. Dia hambarany hoe madio ilay olona.+ Ary halefany handeha ilay vorona velona.+  “Dia hanasa ny akanjony+ ilay midio, ary hoharatany daholo ny volo amin’ny tenany, ary handro+ amin’ny rano izy, ka hadio. Afaka miditra ny toby izy avy eo, nefa mbola hijanona fito andro eo ivelan’ny tranolainy.+  Dia hoharatany daholo ny volo eo amin’ny lohany+ sy ny saokany ary ny volomaso eo ambony masony, amin’ny andro fahafito. Eny, hoharatany daholo ny volo amin’ny tenany, ary hanasa ny akanjony izy, sady handro amin’ny rano, ka hadio. 10  “Ary ireto no halainy, amin’ny andro fahavalo:+ Ondrilahy kely roa tsy misy kilema, sy ondrivavy kely iray tsy misy kilema+ sady tsy mihoatra ny herintaona, lafarinina tsara toto telo ampahafolon’ny efaha ho fanatitra varimbazaha+ nafangaro menaka, ary menaka iray loga.*+ 11  Ary izao no hataon’ny mpisorona izay manambara an’ilay olona ho madio: Hoentiny eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ilay olona midio mbamin’ireo zavatra ireo. 12  Ary halain’ny mpisorona ny ondrilahy kely iray, ka hatolony ho fanatitra noho ny heloka,+ miaraka amin’ilay menaka iray loga.+ Dia hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika+ eo anatrehan’i Jehovah izany. 13  Hovonoiny ao amin’ny toerana masina,+ eo amin’ny toerana+ famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana, ilay ondrilahy kely. An’ny mpisorona mantsy ny fanatitra noho ny heloka, tahaka ny fanatitra noho ny ota ihany.+ Zavatra masina indrindra izany. 14  “Ary hakan’ny mpisorona ny ran’ilay fanatitra noho ny heloka, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay midio, sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana.+ 15  Dia hakan’ny mpisorona koa ilay menaka iray loga,+ ka hararany eo amin’ny felatanany ankavia. 16  Ary hatsobony ao anatin’ilay menaka eo amin’ny felatanany ankavia ny iray amin’ny rantsantanany ankavanana, ka hafafiny impito+ eo anatrehan’i Jehovah amin’iny rantsantanany iny ny menaka sasany. 17  Hakany ny ambin’ilay menaka eo amin’ny felatanany, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay midio, sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana, eo ambonin’ilay nasiana ny ran’ny fanatitra noho ny heloka.+ 18  Ary hataony eo amin’ny lohan’ilay midio ny sisa amin’ilay menaka eo amin’ny felatanany. Ary ny mpisorona handrakotra+ ny fahotan’ilay olona, eo anatrehan’i Jehovah. 19  “Ary hanolotra ny fanatitra noho ny ota+ ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan’ilay olona izay midio ho afaka amin’ny fahalotoany. Dia hovonoiny ny fanatitra dorana avy eo. 20  Ary hatolony eo ambony alitara ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha.+ Dia handrakotra ny fahotan’ilay olona+ izy,+ ka hadio+ ilay olona. 21  “Fa raha mahantra+ kosa ilay olona ka sahirana ara-pivelomana,+ dia haka ondrilahy kely iray ho fanatitra noho ny heloka izy, hatao fanatitra ahetsiketsika, mba handrakofana ny fahotany. Haka lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha koa izy, ka hafangarony menaka, ho fanatitra varimbazaha. Dia haka menaka iray loga, 22  sy domohina+ roa na zana-boromailala roa koa izy, araka izay takatry ny volany, ka ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana. 23  Amin’ny andro fahavalo+ no hitondrany an’ireo any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana,+ eo anatrehan’i Jehovah, mba hanekena azy ho madio.+ 24  “Dia halain’ny mpisorona ilay ondrilahy kely atao fanatitra noho ny heloka+ sy ny menaka iray loga, ka hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah.+ 25  Ary hovonoiny ilay ondrilahy kely atao fanatitra noho ny heloka. Dia hakany ny ran’ilay fanatitra noho ny heloka, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay midio sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana.+ 26  Hakan’ny mpisorona koa ny menaka ka hararany eo amin’ny felatanany ankavia.+ 27  Ary hafafiny+ impito, eo anatrehan’i Jehovah, amin’ny iray amin’ny rantsantanany ankavanana ny menaka sasany eo amin’ny felatanany ankavia. 28  Hakany koa ilay menaka eo amin’ny felatanany, ka hataony eo amin’ny ravintsofina ankavanan’ilay midio, sy eo amin’ny ankiben-tanany ankavanana sy ny ankiben-tongony ankavanana, eo ambonin’ilay nasiana ny ran’ny fanatitra noho ny heloka.+ 29  Ary hataony eo amin’ny lohan’ilay+ midio ny menaka sisa eo amin’ny felatanany, mba handrakofany ny fahotan’ilay olona, eo anatrehan’i Jehovah. 30  “Ary hatolony ny iray amin’ny domohina na zana-boromailala izay takatry ny volan’ilay olona:+ 31  Ho fanatitra noho ny ota+ ny iray amin’ireo vorona takatry ny volany, ary ny iray ho fanatitra dorana+ ampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha. Ary ny mpisorona handrakotra,+ eo anatrehan’i Jehovah, ny fahotan’ilay olona midio. 32  “Izany no lalàna momba ny boka sitrana, izay sahirana ara-pivelomana amin’ny fotoana anekena azy ho madio.” 33  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: 34  “Rehefa tafiditra ao amin’ny tany Kanana+ izay homeko ho fanananareo+ ianareo, ka misy trano asiako habokana ao amin’ilay tany izay ho lasanareo,+ 35  dia hankany amin’ny mpisorona ny tompon’izany trano izany, ka hanao aminy hoe: ‘Hoatran’ny misy aretina ny tranoko.’ 36  Ary hasain’ny mpisorona hesorina ny zava-drehetra ao an-trano, alohan’ny hahatongavany hizaha ny aretina, sao hambarany ho maloto daholo ireny. Avy eo, dia ho avy izy hizaha ilay trano. 37  Ary rehefa avy nozahany ny aretina, ka hitany fa eo amin’ny rindrin-trano ilay izy, sady misy lempona maitso somary mavo na lempona somary mena eo, ary lalina noho ny rindrina no fahitana ny lempona, 38  dia hivoaka hankeo amin’ny fidirana amin’ilay trano izy. Ary hakatony tanteraka+ mandritra ny fito andro ilay trano. 39  “Dia hiverina izy amin’ny andro fahafito, ka hizaha+ ilay aretina. Koa raha mitatra eo amin’ny rindrin-trano ilay izy, 40  dia hasainy hesorina+ ny vato misy an’ilay aretina, ary hariana any ivelan’ny tanàna, any amin’ny toerana maloto. 41  Hasainy hokikisana ny aty trano rehetra, ary hararaka any ivelan’ny tanàna, any amin’ny toerana maloto, ny lalotra tanimanga nesorina. 42  Vato hafa no halaina ka hatsofoka ho solon’ny teo aloha. Ary feta tanimanga hafa no hasain’ny mpisorona halaina, ary hasainy holalorina ilay trano. 43  “Raha miverina anefa ilay aretina, ka mirongatra ao amin’ilay trano rehefa avy nesorina ny vato, ary nokikisana ny lalotra, ka nolalorina indray ilay trano, 44  dia hiditra ao ny mpisorona+ mba hizaha ilay aretina. Koa raha mitatra ao amin’ilay trano ilay izy, dia habokana mampidi-doza+ izany. Maloto ilay trano. 45  Ary hasainy horavana ilay trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra tanimanga rehetra aminy, ka hasainy hoentina any ivelan’ny tanàna, any amin’ny toerana maloto.+ 46  Fa haloto mandra-paharivan’ny andro+ kosa izay miditra ao amin’ilay trano, mandritra ny fotoana ikatonany tanteraka.+ 47  Ary hanasa ny akanjony+ izay olona matory ao amin’ilay trano, ary hanao toy izany koa izay misakafo ao. 48  “Fa raha tonga kosa ny mpisorona mba hizaha ilay aretina, ka hitany fa tsy mitatra ao amin’ilay trano avy nolalorina ilay izy, dia hambarany hoe madio ilay trano, satria efa afaka+ ilay aretina. 49  Dia haka vorona+ roa sy rantsankazo sedera+ sy kofehy mena midorehitra+ ary hysopa izy, hanadiovana ilay trano ho afaka amin’ny ota. 50  Ary hovonoiny ao anaty vilany tany misy rano avy amin’ny rano mandeha,+ ny vorona iray. 51  Dia halainy ny rantsankazo sedera sy ny hysopa+ sy ny kofehy mena midorehitra ary ilay vorona velona, ka hatsobony ao anatin’ny ran’ilay vorona novonoina sy ao amin’ilay rano avy amin’ny rano mandeha. Ary hafafiny+ impito+ manandrify an’ilay trano izany. 52  Ary hodioviny ho afaka amin’ny ota ilay trano, ka ny ran’ilay vorona sy ilay rano avy amin’ny rano mandeha sy ilay vorona velona sy ilay rantsankazo sedera sy ilay hysopa ary ny kofehy mena midorehitra no hanadiovany azy. 53  Halefany any ivelan’ny tanàna ilay vorona velona. Dia handrakotra+ ny fahotan’ilay trano ny mpisorona, ka hadio izany. 54  “Izany no lalàna momba ny habokana+ sy ny fihintsanam-bolo tsy ara-dalàna,+ 55  ny habokana eo amin’ny akanjo+ sy ny trano, 56  ny mibontsimbontsina eo amin’ny hoditra sy ny anakandroana ary ny tasy.+ 57  Nomena izany lalàna izany mba hampahafantarana+ hoe rahoviana ny zavatra iray no maloto ary rahoviana izany no madio. Izany no lalàna momba ny habokana.”+

Fanamarihana

Loko menamena avy amin’ny bibikely.
1 loga = 0,31 litatra.