Levitikosy 15:1-33

15  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy tsiranoka mivoaka+ amin’ny filahian’ny lehilahy, dia fahalotoana izany.  Izao no ho fahalotoany vokatry ny tsiranoka mivoaka aminy: Raha misy tsiranoka mivoaka amin’ny filahiany, na koa tsentsin’ny tsiranoka ny filahiany, dia fahalotoana izany.  “‘Haloto izay fandriana natorian’ilay olona misy tsiranoka mivoaka, ary haloto koa izay zavatra nipetrahany.  Hanasa ny akanjony izay mikasika ny fandrianan’ilay olona, ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy.+  Ary na iza na iza mipetraka eo amin’izay nipetrahan’ilay olona misy tsiranoka mivoaka, dia tokony hanasa+ ny akanjony, ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy.  Hanasa ny akanjony izay mikasika an’ilay olona misy tsiranoka mivoaka,+ ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy.+  Raha mandrora amin’ny olona madio ilay olona misy tsiranoka mivoaka, dia hanasa ny akanjony ilay madio, ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy.  Haloto izay lasely+ nitaingenan’ny olona misy tsiranoka mivoaka. 10  Ary izay mikasika zavatra teo ambanin’ilay olona, dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Hanasa ny akanjony izay olona mitondra izany zavatra izany, ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy. 11  Raha mbola tsy nanasa tanana ny olona misy tsiranoka mivoaka+ nefa mikasika olona, dia hanasa ny akanjony ilay nokasihiny, ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy. 12  Hopotehina+ izay fitaovana tanimanga nokasihin’ilay olona misy tsiranoka mivoaka, ary hosasana amin’ny rano kosa izany raha fitaovana hazo.+ 13  “‘Raha tsy misy tsiranoka mivoaka intsony amin’ilay olona, dia hanasa ny akanjony izy ary handro amin’ny rano mandeha,+ aorian’ny fito andro nijanonan’ilay tsiranoka, ka hadio.+ 14  Ary haka domohina+ roa na zana-boromailala roa izy amin’ny andro fahavalo, ka ho tonga eo anatrehan’i Jehovah eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. Ary homeny ny mpisorona izany. 15  Dia hanolotra izany ny mpisorona, ka ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota, fa ny iray kosa ho fanatitra dorana.+ Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan’ilay olona eo anatrehan’i Jehovah, noho izy nivoaka tsiranoka. 16  “‘Ary raha misy tsirinaina+ mivoaka amin’ny lehilahy, dia hanasa ny tenany manontolo amin’ny rano izy. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy. 17  Ary hosasana amin’ny rano ny akanjo sy ny zavatra vita amin’ny hoditra nilatsahan’ny tsirinaina. Haloto mandra-paharivan’ny andro izany.+ 18  “‘Raha misy vehivavy nanaovan-dehilahy firaisana ka nandefasany tsirinaina, dia handro amin’ny rano izy ireo. Haloto+ mandra-paharivan’ny andro izy ireo. 19  “‘Raha misy zavatra mandeha avy amin’ny vehivavy, ka ra no mandeha,+ dia haloto fito andro izy noho izany fahalotoany+ avy amin’ny fadimbolany+ izany. Ary haloto mandra-paharivan’ny andro izay olona mikasika azy. 20  Haloto+ koa izay zavatra atoriany, mandritra ny fahalotoany noho ny fadimbolany. Ary haloto koa izay zava-drehetra ipetrahany. 21  Hanasa ny akanjony izay olona mikasika ny fandrianan-dravehivavy, ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro ilay olona.+ 22  Ary hanasa ny akanjony izay olona mikasika zavatra nipetrahan-dravehivavy, ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro ilay olona.+ 23  Raha teo ambony fandriana na zavatra hafa no nipetrahan-dravehivavy, ka misy olona mikasika+ izany, dia haloto mandra-paharivan’ny andro ilay olona. 24  Ary raha misy lehilahy manao firaisana amin-dravehivavy, ka mankamin-dralehilahy ny fahalotoana avy amin’ny fadimbolany,+ dia haloto fito andro ralehilahy, ary haloto koa izay fandriana natoriany. 25  “‘Raha mandeha ra mandritra ny andro maro+ ny vehivavy, nefa tsy fotoana tokony hampahaloto azy noho ny fadimbolany+ izany, na raha maharitra ela noho ny mahazatra ny fadimbolany, dia haharitra mandritra ny andro rehetra andehanan’ny rany ny fahalotoany, toy ny faharetan’ny fahalotoany mandritra ny fadimbolany. Maloto izy. 26  Ny fandriana atoriany amin’ireo andro isian’ny ra mandeha aminy dia haloto tahaka ny fandriana atoriany mandritra ny fahalotoany noho ny fadimbolany.+ Haloto tahaka ny fahalotoany noho ny fadimbolany koa ny zavatra nipetrahany. 27  Ary haloto izay mikasika+ izany zavatra izany. Hanasa ny akanjony izy, ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy. 28  “‘Fa raha tsy misy ra mandeha intsony amin-dravehivavy, dia hadio izy aorian’ny fito andro.+ 29  Dia haka domohina+ roa na zana-boromailala roa izy amin’ny andro fahavalo, ka hitondra izany any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+ 30  Ary hataon’ny mpisorona fanatitra noho ny ota ny vorona iray, fa ny iray kosa fanatitra dorana.+ Ary ny mpisorona handrakotra+ ny fahotan-dravehivavy, eo anatrehan’i Jehovah, noho ny ra nandeha taminy ka nampahaloto azy. 31  “‘Ataovy izay tsy hampahaloto ny zanak’Israely, sao ho faty ao anatin’ny fahalotoany izy noho ny nandotoany ny tranolaiko izay eo aminy.+ 32  “‘Izany no lalàna momba ny lehilahy misy tsiranoka mivoaka,+ sy ny lehilahy mivoaka tsirinaina+ ka lasa maloto, 33  sy ny vehivavy tonga fotoana+ ka maloto, sy ny olona misy tsiranoka mivoaka,+ na lahy izy na vavy, sy ny lehilahy manao firaisana amim-behivavy maloto.’”

Fanamarihana