Levitikosy 17:1-16

17  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’i Arona sy ny zanany lahy ary ny zanak’Israely rehetra hoe: ‘Izao no nandidian’i Jehovah:  “‘“Raha misy amin’ny taranak’Israely mamono omby, na vantotr’ondry, na osy, ao an-toby na eny ivelan’ny toby,  ka tsy mitondra izany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ mba hanolotra izany ho fanatitra ho an’i Jehovah, eo anoloan’ny tranolain’i Jehovah, dia ho toy ny meloka ho nandatsa-dra izy. Nandatsa-dra ilay olona, ka haringana tsy ho eo amin’ny fireneny.+  Amin’izay mantsy dia tsy ho eny an-tsaha+ intsony no hitondran’ny zanak’Israely ny biby ataony sorona, fa hoentiny any amin’i Jehovah, any amin’ny mpisorona,+ eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, mba hataony sorona iombonana ho an’i Jehovah.+  Fa ny ra kosa hafafin’ny mpisorona eo ambony alitaran’i+ Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. Dia hodorany ny tavin-kena+ mba hidona-tsetroka, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+  Amin’izay ny sorona ataon’izy ireo dia tsy hatolony intsony ho an’ny demonia miendrika osy,+ izay nananany fifandraisana mamoafady.+ Ho lalàna ho anareo izany mandritra ny fotoana tsy voafetra, hatramin’ny taranakareo fara mandimby.”’  “Ary izao no holazainao amin’izy ireo: ‘Raha misy amin’ny taranak’Israely, na ny vahiny monina eo aminareo, manolotra fanatitra dorana+ na sorona,  nefa tsy mitondra izany eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’i Jehovah,+ dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny+ izany olona izany. 10  “‘Raha misy amin’ny taranak’Israely, na ny vahiny monina eo aminareo, mihinana ra,+ na ran’inona izany na ran’inona, dia hanameloka* ny olona*+ mihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy. 11  Fa ao amin’ny ra+ ny ain’ny nofo. Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra mba handrakofana+ ny fahotanareo, satria ny ra+ no mandrakotra+ fahotana noho ny aina ao aminy. 12  Izany no nilazako tamin’ny zanak’Israely hoe: “Aza misy mihinan-dra ianareo,* ary tsy tokony hisy hihinan-dra+ koa ny vahiny monina eo aminareo.”+ 13  “‘Fa raha misy amin’ny zanak’Israely na ny vahiny monina eo aminareo mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo hanina, dia hararany amin’ny tany+ ny rany, ka hototofany vovoka.+ 14  Fa ny ain’ny karaza-nofo rehetra dia ny rany, satria ao amin’ny ra ny aina. Koa izany no nilazako tamin’ny zanak’Israely hoe: “Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona izany na nofon’inona, satria ny rany+ no ain’ny karaza-nofo rehetra, ka haringana izay mihinan-dra.”+ 15  Ary ny olona* rehetra, na teratany izy na vahiny, ka mihinana biby maty ho azy, na biby noviravirain’ny bibidia,+ dia hanasa ny akanjony ary handro amin’ny rano. Haloto mandra-paharivan’ny andro izy,+ ary hadio avy eo. 16  Fa raha tsy manasa ny akanjony sy tsy mandro kosa izy, dia hampamoahina noho ny fahadisoany.’”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “hampitodika ny tava hamely.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.