Levitikosy 18:1-30

18  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+  Aza manao toy ny fanaon’ny tany Ejipta, izay nonenanareo.+ Ary aza manao toy ny fanaon’ny tany Kanana, izay hampidirako anareo.+ Aza mitandrina ny lalàny,  fa ny didim-pitsarako+ no tokony hampiharinareo, ary ny lalàko+ no hotandremanareo sy hankatoavinareo.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.  Tandremo ny lalàko sy ny didim-pitsarako, fa izay olona mankatò izany no ho velona amin’ny alalan’izany.+ Izaho no Jehovah.+  “‘Aoka tsy hisy aminareo hanakaiky ny havany akaiky mba hampiharihary ny fitanjahany.+ Izaho no Jehovah.  Aza aharihary ny fitanjahan-drainao+ na ny fitanjahan-dreninao. Reninao izy, ka aza aharihary ny fitanjahany.  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny vadin-drainao,+ fa fitanjahan-drainao ihany izany.  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny anabavinao, na ny fitanjahan’ny zanakavavin-drainao na ny zanakavavin-dreninao, na teraka tao an-trano ireo na tsia. Aza aharihary ny fitanjahany.+ 10  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny zanakavavin’ny zanakao lahy na ny zanakavavin’ny zanakao vavy, fa fitanjahanao ihany ireo. 11  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny zanakavavin’ny vadin-drainao, izay taranaky ny rainao, satria anabavinao izy. 12  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny anabavin-drainao, fa iray ra amin-drainao izy.+ 13  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao, fa iray ra amin-dreninao izy. 14  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny rahalahin-drainao. Ary aza manao firaisana amin’ny vadiny, fa nenitoanao izy.+ 15  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny vinantovavinao.+ Vadin’ny zanakao lahy izy, ka aza aharihary ny fitanjahany. 16  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny vadin’ny rahalahinao,+ fa fitanjahan’ny rahalahinao ihany izany. 17  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny vehivavy mbamin’ny zanany vavy.+ Ary aza maka ny zanakavavin’ny zanany lahy na ny zanakavavin’ny zanany vavy, mba hampiharihariana ny fitanjahany. Iray ra ireo, ka fitondran-tena baranahiny+ izany. 18  “‘Aza maka ny rahavavin’ny vadinao ho rafivaviny,+ mba hampihariharianao ny fitanjahany. Aza maka vady azy ho fanampin’ny vadinao raha mbola velona koa ny vadinao. 19  “‘Aza manakaiky vehivavy mba hampiharihary ny fitanjahany,+ raha mbola maloton’ny fadimbolany+ izy. 20  “‘Aza manao firaisana* amin’ny vadin’ny namanao, ka hanjary ho voaloton’izany.+ 21  “‘Aza misy atokana*+ ho an’i Moleka+ ny taranakao. Aza zimbazimbaina+ amin’izany fomba izany ny anaran’Andriamanitrao. Izaho no Jehovah.+ 22  “‘Aza manao firaisana amin’ny lehilahy+ toy ny fanaovana firaisana amin’ny vehivavy,+ fa zava-maharikoriko izany. 23  “‘Aza manao firaisana amin’ny biby,+ ka hanjary ho voaloton’izany. Ary aoka tsy hisy vehivavy hanakaiky biby mba hanao firaisana aminy.+ Tsy fanao voajanahary mantsy izany. 24  “‘Aza mandoto tena amin’izany zavatra izany, fa nandoto tena tamin’izany rehetra izany ireo firenena izay horoahiko tsy ho eo anatrehanareo.+ 25  Koa maloto ilay tany, ka hosaziko izy io noho ny fahadisoany, ary haloan’ilay tany ny mponina ao aminy.+ 26  Tandremo ny lalàko sy ny didim-pitsarako.+ Aza misy ataonareo izany zava-maharikoriko rehetra izany, na ianareo teratany na ny vahiny monina eo aminareo.+ 27  Izany zava-maharikoriko rehetra izany mantsy no nataon’ireo tompon-tany talohanareo,+ hany ka maloto ilay tany. 28  Raha tsy mandoto an’ilay tany mantsy ianareo, dia tsy haloany tahaka ny nandoavany ny firenena talohanareo.+ 29  Raha misy olona manao ny iray amin’ireo zava-maharikoriko ireo, dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izy.*+ 30  Ary ataovy ny adidinareo amiko, ka aza manaraka an’ireo fanao maharikoriko natao teo anatrehanareo ireo,+ mba tsy handotoanareo tena amin’izany. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’”

Fanamarihana

A.b.t.: “Aza manome ny tsirinainao.”
Na: “atao sorona.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.