Levitikosy 19:1-37

19  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely hoe: ‘Aoka ho masina+ ianareo, satria masina izaho Jehovah Andriamanitrareo.+  “‘Matahora ny reninao sy ny rainao.+ Ary tandremo ny sabatako.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.  Aza mivily hanaraka ireo andriamanitra tsy misy dikany,+ ary aza manao andriamanitra amin’ny metaly narendrika.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.  “‘Raha manao sorona iombonana ho an’i Jehovah ianareo,+ dia ataovy mba hahazoanareo sitraka aminy izany.+  Amin’ny andro anaovanareo ilay sorona, sy ny ampitson’iny avy hatrany, no tokony hihinananareo azy. Fa hodorana kosa izay sisa tavela amin’ny andro fahatelo.+  Raha hohanina amin’ny andro fahatelo anefa izany, dia ho zava-maloto+ ka tsy hankasitrahana.+  Ary hampamoahina noho ny fahadisoany+ ilay nihinana, satria nanazimbazimba zava-masin’i Jehovah, ka haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izy.*  “‘Aza jinjaina tanteraka ny sisin’ny sahanareo rehefa mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, ary aza alaina ny vokatra navelan’ny mpijinja.+ 10  Aza otazana koa ny voaloboka sisa tavela+ eny amin’ny tanimboalobokao, ary aza alaina ny voaloboka miparitaka eny amin’ny tanimboalobokao. Avelao ho an’ny ory sy ny vahiny monina eo aminareo ireny.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 11  “‘Aza mangalatra,+ aza mamitaka,+ ary aza manambaka namana.+ 12  Ary aza mianiana lainga amin’ny anarako,+ ka manazimbazimba ny anaran’Andriamanitrao. Izaho no Jehovah. 13  Aza manambaka olona,+ na maka an-keriny+ ny fananany. Aza tazonina any aminao mandritra ny alina ka mandra-maraina ny karaman’olona karamainao.+ 14  “‘Aza manozona ny marenina, na manisy sakana eo anoloan’ny jamba,+ fa matahora an’Andriamanitrao.+ Izaho no Jehovah. 15  “‘Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy,+ nefa aza iangarana koa ny manankarena.+ Tokony ho ara-drariny no hitsaranao ny namanao. 16  “‘Aza mandehandeha manendrikendrika+ olona eo amin’ny firenenao. Aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao.+ Izaho no Jehovah. 17  “‘Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao.+ Tena tokony hananatra ny namanao ianao,+ sao hiombona ota aminy. 18  “‘Aza mamaly faty+ na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao.+ Ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.+ Izaho no Jehovah. 19  “‘Tandremo izao lalàko izao: Aza mampivady biby fiompy roa karazana. Ary aza mamafy voa roa karazana eo amin’ny sahanao.+ Aza manao akanjo vita amin’ny kofehy roa karazana niara-notenomina.+ 20  “‘Raha misy lehilahy manao firaisana amim-behivavy, ka nisy tsirinaina nandeha, dia tokony hampiharina ny sazy raha mpanompo efa fofombadin’olona ravehivavy, sady mbola tsy navotana no mbola tsy nomena fahafahana. Tsy tokony hovonoina ho faty anefa izy ireo, satria tsy olona afaka ravehivavy. 21  Koa hitondra fanatitra noho ny heloka ralehilahy, ka ondrilahy iray no hoentiny ho an’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+ 22  Io ondrilahy atao fanatitra noho ny heloka io no anaovan’ny mpisorona fandrakofam-pahotana eo anatrehan’i Jehovah ho an-dralehilahy, noho ny fahotana nataony, ka havela ny helony.+ 23  “‘Ary raha tafiditra ao amin’ilay tany ianareo, ka mamboly hazo fihinam-boa, dia ataovy toy ny hoe maloto hoatran’ny olona tsy voafora ny voany, ka tsy ho voafora mandritra ny telo taona. Tsy tokony hohanina izany. 24  Fa amin’ny taona fahefatra kosa, dia ho masina ny voany+ rehetra. Dia hanolotra izany ho an’i Jehovah+ ianareo, ka hiravoravo sy hanao fety. 25  Ary afaka mihinana ny voany ianareo amin’ny taona fahadimy, mba hanomezany voa betsaka kokoa.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 26  “‘Aza mihinan-javatra mbola misy ra.+ “‘Aza mitady fambara+ na mampiasa herin’ny maizina.+ 27  “‘Aza hetezana fohy loatra ny volonareo, avy eo amin’ny fihirifana iray mihodidina mankany amin’ny fihirifana iray. Ary aza analana ny sisin’ny volombavanao.+ 28  “‘Aza didididiana ny vatanareo rehefa misy olona* maty,+ ary aza asiana tombokavatsa* ny tenanareo. Izaho no Jehovah. 29  “‘Aza manala baraka ny zanakao vavy amin’ny fandefasana azy hivaro-tena,+ sao hivaro-tena koa ny mponina eo amin’ilay tany, ka hanjakan’ny fitondran-tena baranahiny+ ilay tany. 30  “‘Tandremo ny sabatako.+ Ary hajao ny toerako masina.+ Izaho no Jehovah. 31  “‘Aza mila hevitra amin’ny mpamoha angatra+ na amin’ny mpilaza ny hoavy,+ sao hanjary ho voaloton’ireny ianareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 32  “‘Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo ianao,+ ary asio fiheverana ny zokiolona,+ ka matahora an’Andriamanitrao.+ Izaho no Jehovah. 33  “‘Raha misy vahiny monina eo aminareo, ao amin’ny taninareo, dia aza ampahorina izy.+ 34  Tokony hataonareo toy ny teratany eo aminareo ihany ny vahiny monina eo aminareo. Ary tiavo tahaka ny tenanao izy,+ fa efa mba mpivahiny tany Ejipta ihany koa ianareo.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 35  “‘Aza manao ny tsy marina rehefa mitsara,+ na mandrefy, na mandanja,+ na mamatra. 36  Tokony ho mizana marina+ sy vatomizana marina no hanananareo, ary koa efaha marina sy hina marina. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta. 37  Koa tandremo ny lalàko rehetra sy ny didim-pitsarako rehetra, ka ankatoavy.+ Izaho no Jehovah.’”

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Na: “tatoazy.”