Levitikosy 2:1-16

2  “‘Raha misy olona* manolotra fanatitra varimbazaha*+ ho an’i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto+ izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny,  ka hoentiny any amin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona. Dia hakan’ny mpisorona eran-tanan’ila ny lafarinina tsara toto sy ny menaka ary ny ditin-kazo manitra rehetra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho fanatitra fampahatsiahivana.+ Fanatitra atao anaty afo izany, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.  Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha,+ ho zavatra masina indrindra+ avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.  “‘Raha zavatra natao tao anaty lafaoro no fanatitra varimbazaha atolotrao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto izany: Mofo boribory*+ tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, na mofo fisaka tsy misy lalivay+ sady nohosorana menaka.+  “‘Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lasitra+ no aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto nafangaro menaka, sady tsy misy lalivay.  Hotapatapahina izany, ka horarahana menaka.+ Fanatitra varimbazaha izany.  “‘Raha zavatra nendasina tao anaty vilany misy menaka no fanatitra varimbazaha aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto nasiana menaka.  Hoentinao any amin’i Jehovah ny fanatitra varimbazaha natao tamin’ireo. Dia hatolotra ny mpisorona izany, ka hoentiny eo amin’ny alitara.  Hakan’ny mpisorona ny fanatitra varimbazaha, ka hatolony ho fanatitra fampahatsiahivana.+ Hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+ 10  Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra, ho zavatra masina indrindra avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ 11  “‘Aoka tsy ho zavatra misy lalivay+ no hanaovanareo fanatitra varimbazaha ho an’i Jehovah, satria ny lalivay sy ny tantely* dia samy tsy tokony hodorana hidona-tsetroka ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. 12  “‘Ho fanatitra voaloham-bokatra+ no hanoloranareo ireo zavatra ireo ho an’i Jehovah. Tsy tokony hodorana eo ambony alitara ho hanitra mampitony ireo. 13  “‘Asio sira daholo ny fanatitra varimbazaha haterinao.+ Aza avela tsy hisy siran’ny fifaneken’Andriamanitrao+ ny fanatitra varimbazaha. Aoka hanolotra sira miaraka amin’ny fanatitra rehetra ataonao ianao. 14  “‘Raha fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatra no atolotrao ho an’i Jehovah, dia tokony ho salohy maitso natono izany, eny, voa vaovao nototoina nefa tsy natao vovony. Hatolotrao ho fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatrao izany,+ 15  ary horarahanao menaka, ka hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra varimbazaha+ izany. 16  Hodoran’ny mpisorona mba hidona-tsetroka ny fanatitra fampahatsiahivana,+ izany hoe ny ampahany amin’ny voa voatoto sy ny menaka, ary ny ditin-kazo manitra rehetra. Ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Na: “vary orza.”
Misy lavaka eo afovoany.
Tsy avy amin’ny renitantely, fa zava-mamy avy amin’ny voankazo.