Levitikosy 20:1-27

20  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Tsy maintsy vonoina ho faty izay manolotra ny taranany ho an’i Moleka,+ na anisan’ny zanak’Israely izy, na vahiny monina eo amin’ny Israely. Hitora-bato azy ho faty ny vahoaka.  Ary izaho kosa hanameloka* azy ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy,+ satria nisy natolony ho an’i Moleka ny taranany, mba handotoany ny toerako masina+ sy hanazimbazimbany ny anarako masina.+  Ary raha minia manakimpy ny masony amin’ilay olona manolotra ny taranany ho an’i Moleka ny vahoaka, ka tsy mamono azy ho faty,+  dia izaho mihitsy no hanameloka an’ilay olona sy ny ankohonany.+ Haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy sy izay rehetra niaraka taminy, satria nanana fifandraisana mamoafady+ tamin’i Moleka.  “‘Raha misy olona* mila hevitra amin’ny mpamoha angatra+ na amin’ny mpilaza ny hoavy,+ ka manana fifandraisana mamoafady amin’ireny, dia hanameloka an’izany olona* izany aho ary haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy.+  “‘Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo,+ satria izaho no Jehovah Andriamanitrareo.  Ary tandremo ny lalàko ka ankatoavy.+ Izaho no Jehovah izay manamasina anareo.+  “‘Raha misy manozona ny rainy sy ny reniny,+ dia tsy maintsy vonoina ho faty izy,+ satria rainy sy reniny no ozoniny. Izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.*+ 10  “‘Izay lehilahy manitsakitsa-bady ka maka vadin’olona, dia manitsakitsa-bady noho ny nakany ny vadin’ny namany.+ Tsy maintsy vonoina ho faty ilay lehilahy nanitsakitsa-bady sy ilay vehivavy nanitsakitsa-bady.+ 11  Ny lehilahy manao firaisana amin’ny vadin-drainy dia mampiharihary ny fitanjahan-drainy.+ Tsy maintsy vonoina ho faty izy ireo, ary izy ireo ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany. 12  Raha misy lehilahy manao firaisana amin’ny vinantovaviny, dia tsy maintsy vonoina ho faty izy ireo.+ Tsy fanao voajanahary izany nataon’izy ireo izany. Izy ireo ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.+ 13  “‘Raha misy lehilahy manao firaisana amin’ny lehilahy toy ny fanaovana firaisana amin’ny vehivavy, dia samy nanao zava-maharikoriko izy roa lahy,+ ka tsy maintsy vonoina ho faty. Izy ireo ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany. 14  “‘Raha misy lehilahy maka vady vehivavy iray nefa manao firaisana amin’ny renin-dravehivavy, dia fitondran-tena baranahiny+ izany. Hodorana+ ralehilahy sy izy mianaka, mba tsy hitohy eo aminareo ny fitondran-tena baranahiny.+ 15  “‘Raha misy lehilahy manao firaisana* amin’ny biby,+ dia tsy maintsy vonoina ho faty izy, ary hovonoina koa ilay biby. 16  Ary raha misy vehivavy manakaiky biby mba hanao firaisana aminy,+ dia hovonoinao ho faty ravehivavy sy ilay biby. Tsy maintsy vonoina ho faty ireo. Izy ireo ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany. 17  “‘Raha misy lehilahy maka ny anabaviny, na koa ny zanakavavin-drainy na ny zanakavavin-dreniny, ka hitany ny fitanjahan-dravehivavy ary ravehivavy koa mahita ny fitanjahany, dia zava-mahamenatra izany.+ Koa haringana eo imason’ny zanaky ny fireneny izy mianadahy. Ny fitanjahan’ny anabaviny no naharihariny, ka hampamoahina noho ny fahadisoany izy. 18  “‘Raha misy lehilahy manao firaisana amim-behivavy tonga fotoana ka mampiharihary ny fitanjahan-dravehivavy, dia mampihanjahanja ny faritra nivoahan’ny ran-dravehivavy izy, ary ravehivavy koa mampiharihary ny faritra nivoahan’ny rany.+ Koa samy haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izy roa. 19  “‘Aza aharihary ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao+ na ny anabavin-drainao,+ satria olona iray ra aminao no ahanjahanjanao.+ Hampamoahina noho ny fahadisoany izy ireo. 20  Ny lehilahy manao firaisana amin’ny vadin’ny dadatoany dia mampiharihary ny fitanjahan’ny dadatoany.+ Hampamoahina noho ny fahadisoany izy mianaka, ary ho faty tsy miteraka.+ 21  Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia zava-maharikoriko izany.+ Ny fitanjahan’ny rahalahiny ihany no naharihariny. Ho faty tsy miteraka izy roa. 22  “‘Tandremo ny lalàko+ rehetra sy ny didim-pitsarako+ rehetra ka ankatoavy, mba tsy handoa anareo ilay tany izay hitondrako anareo mba honenanareo.+ 23  Ary aza mitandrina ny lalàn’ireo firenena izay roahiko tsy ho eo anatrehanareo.+ Izany rehetra izany mantsy no nataony, ka halako izy ireo.+ 24  Koa izao no lazaiko aminareo:+ “Ianareo no haka ny tanin’izy ireo ho fanananareo, ary izaho no hanome izany mba halainareo ho fanananareo, dia tany tondra-dronono sy tantely.+ Ary izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nanavaka anareo tamin’ireo firenena.”+ 25  Koa asio fiavahany ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio.+ Ary mitandrema ianareo sao ho tonga zava-maharikoriko+ noho ny amin’ny biby sy ny vorona ary izay biby mihetsiketsika eny amin’ny tany, satria efa navahako ireny rehefa nambarako hoe maloto. 26  Aoka ho masina eo anatrehako ianareo,+ satria izaho Jehovah dia masina.+ Ary avahako amin’ireo firenena ianareo mba ho ahy.+ 27  “‘Tsy maintsy vonoina ho faty+ ny lehilahy na ny vehivavy mpamoha angatra na itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy.+ Hotoraham-bato ho faty izy ireo, ary izy ireo ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “hampitodika ny tava hamely.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “Ho eo an-dohany ihany ny rany.”
A.b.t.: “Manome ny tsirinainy.”