Levitikosy 21:1-24

21  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mitenena amin’ny mpisorona zanakalahin’i Arona hoe: ‘Rehefa misy olona* maty eo amin’ny fireneny, dia tsy misy amin’izy ireo mahazo mandoto tena amin’ny faty,+  afa-tsy amin’ny fatin’ny havany akaiky izay iray ra aminy, izany hoe ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny rahalahiny,  ary ny anabaviny mbola virjiny, izay havany akaiky sady mbola tsy manambady. Azony atao ny mandoto tena amin’ny fatin’io anabaviny io.  Raha vehivavy manambady no maty, dia aoka izy tsy handoto tena amin’izany, eo amin’ny fireneny, sao hampahaloto ny tenany.  Tsy hosolainy ny lohany,+ na hoharatany ny sisin’ny volombavany,+ na hodidididiany ny vatany.+  Fa ho masina eo anatrehan’Andriamaniny+ kosa izy, ary tsy hanazimbazimba ny anaran’Andriamaniny,+ satria izy no manolotra ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, dia ny sakafo ho an’Andriamaniny.+ Aoka ho masina izy.+  Tsy halainy+ ho vady ny vehivavy mpivaro-tena,+ na tsy virjiny intsony, na nisara-bady,+ satria masina eo anatrehan’Andriamaniny izy.  Koa hamasino izy,+ satria izy no manolotra ny sakafo ho an’Andriamanitrao. Ary tokony ho masina aminao izy,+ satria masina izaho Jehovah izay manamasina anareo.+  “‘Ary raha toa ny zanakavavin’ny mpisorona ka manala baraka tena satria mivaro-tena, dia ny rainy no ataony afa-baraka, ka hodorana izy.+ 10  “‘Ny mpisoronabe eo anivon’ny rahalahiny dia tsy hamela ny volony hisavoritaka,+ sady tsy handrovitra ny akanjony.+ Efa nandrarahana menaka masina fanosorana mantsy ny lohany,+ ary efa nomena fahefana* hanao ny akanjon’ny mpisoronabe+ izy. 11  Tsy hanakaiky faty* izy,+ ary tsy mahazo mandoto tena amin’ny fatin-drainy na ny fatin-dreniny. 12  Tsy hivoaka ny toerana masina koa izy, na hanazimbazimba ny toerana masin’Andriamaniny,+ satria eo aminy ilay famantarana hoe voatokana izy, dia ilay menaka fanosorana avy amin’Andriamaniny.+ Izaho no Jehovah. 13  “‘Vehivavy virjiny+ no tokony halainy ho vady. 14  Fa ny vehivavy mpitondratena na nisarahan’ny vadiny na tsy virjiny intsony na mpivaro-tena, dia tsy azony alaina, fa virjiny eo amin’ny fireneny ihany no halainy. 15  Tsy tokony hanao izay hampahaloto ny taranany eo amin’ny fireneny izy,+ satria izaho no Jehovah izay manamasina azy.’”+ 16  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 17  “Lazao amin’i Arona hoe: ‘Izay lehilahy anisan’ny taranakao, hatramin’ny taranany fara mandimby, nefa manan-takaitra,+ dia tsy mahazo manatona mba hanolotra sakafo ho an’Andriamaniny.+ 18  Tsy misy mahazo manatona hanao izany ny lehilahy manan-takaitra, izany hoe jamba, malemy tongotra, misy rimbona ny orony, lava loatra ny tanany na ny tongony ilany,+ 19  misy tapaka ny taolan-tongony na ny taolan-tanany, 20  vokoka, mahia kaozatra, misy aretina ny masony, misy anakandroana ny hodiny na misy mamariparitra boribory, torotoro ny vihiny.+ 21  Izay lehilahy anisan’ny taranak’i Arona mpisorona, nefa manan-takaitra, dia tsy mahazo manatona mba hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ Manan-takaitra izy, ka tsy mahazo manatona mba hanolotra sakafo ho an’Andriamaniny.+ 22  Fa azony atao ihany ny mihinana ny sakafo natolotra ho an’Andriamaniny, izay avy amin’ny zavatra masina indrindra+ sy ny zavatra masina.+ 23  Tsy azony atao anefa ny miditra eo akaikin’ny ridao,+ na manakaiky ny alitara,+ satria manan-takaitra izy.+ Tsy hanazimbazimba ny toerako masina izy,+ fa izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.’”+ 24  Koa niresaka tamin’i Arona sy ny zanany lahy ary ny zanak’Israely rehetra i Mosesy.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Jereo Le 8:33 f.a.p.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.