Levitikosy 23:1-44

23  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Fivoriambe masina ireo fety+ nandidian’i Jehovah, ka tokony hanaovanareo antso avo.+ Ireto avy izany:  Enina andro no azo iasana, fa sabata fitsaharana tanteraka kosa ny andro fahafito,+ sady fivoriambe masina. Aza manao asa na inona na inona, fa sabata ho an’i Jehovah izany andro izany, any amin’izay rehetra onenanareo.+  “‘Ireto avy ny fety+ nandidian’i Jehovah, izany hoe ireo fivoriambe masina+ izay tokony hanaovanareo antso avo, amin’ireo fotoana voatondro:+  Ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany,+ eo anelanelan’ny takariva roa,* dia Paska+ ho an’i Jehovah.  “‘Ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, izay fety ho an’i Jehovah.+ Fito andro no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.+  Amin’ny andro voalohany dia hanao fivoriambe masina ianareo.+ Aza manao asa mafy na inona na inona.  Fa hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah kosa ianareo mandritra ny fito andro. Ary hisy fivoriambe masina amin’ny andro fahafito. Aza manao asa mafy na inona na inona.’”  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 10  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany homeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra, dia hitondra ny amboaran’ny voaloham-bokatrareo+ any amin’ny mpisorona. 11  Ary hahetsiketsiny*+ eo anatrehan’i Jehovah ilay amboara, mba hahazoanareo sitraka. Ny ampitson’ny sabata avy hatrany no tokony hanetsiketsehan’ny mpisorona izany. 12  Ary amin’ny andro itondranareo an’ilay amboara hahetsiketsika no hanoloranareo ondrilahy kely tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah. 13  Ampiaraho amin’izany ny fanatitra varimbazaha, dia lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, nafangaro menaka, ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah sy ho hanitra mampitony. Ampiaraho aminy koa ny fanatitra zava-pisotro, dia divay ampahefatry ny hina.* 14  Ary aza mihinana mofo, na voa natono, na voa vaovao, mandra-pahatongan’ilay andro+ hitondranareo ny fanatitra ho an’Andriamanitrareo. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay rehetra onenanareo. 15  “‘Manisà sabata fito manomboka ny ampitson’ny sabata, manomboka amin’ilay andro itondranareo ny amboara atao fanatitra ahetsiketsika.+ Tokony ho herinandro fito katroka ireo. 16  Eny, hanisa dimampolo andro+ ianareo, ka amin’ny ampitson’ny sabata fahafito izany no ho tapitra. Dia manolora fanatitra varimbazaha vaovao+ ho an’i Jehovah. 17  Avy any amin’ny toeram-ponenanareo no hitondranareo mofo roa,+ ho fanatitra ahetsiketsika. Hatao amin’ny lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha ireo, ary hasiana lalivay+ sady hatao ao anaty lafaoro, ho voaloham-bokatra ho an’i Jehovah.+ 18  Ary izao no atolory miaraka amin’ny mofo: Ondrilahy kely fito tsy misy kilema+ ary herintaona avy, sy vantotr’ombilahy iray, ary ondrilahy roa. Ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah ireo, miaraka amin’ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro. Ho fanatitra atao anaty afo ireo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah. 19  Ary manolora zanak’osy+ iray ho fanatitra noho ny ota, sy ondrilahy kely roa izay herintaona avy ho sorona iombonana.+ 20  Ary hahetsiketsiky+ ny mpisorona ireo ondrilahy kely roa, sy ny mofo natao tamin’ny voaloham-bokatra, ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah. Ho zava-masina eo anatrehan’i Jehovah ireo, ary ho an’ilay mpisorona.+ 21  Dia manaova antso avo+ amin’io andro io fa hisy fivoriambe masina ho anareo. Aza manao asa mafy na inona na inona. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay rehetra onenanareo. 22  “‘Rehefa mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, dia aza jinjaina tanteraka ny sisin’ny sahanareo. Ary aza alaina ny vokatra navelan’ny mpijinja,+ fa avelao ho an’ny ory+ sy ny vahiny monina eo aminareo.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’” 23  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 24  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Ny andro voalohan’ny volana fahafito+ dia ho fitsaharana tanteraka ho anareo, sy ho fampahatsiarovana anareo amin’ny alalan’ny fitsofana trompetra,+ ary ho fivoriambe masina.+ 25  Aza manao asa mafy na inona na inona, ary manolora fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.’” 26  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 27  “Andro fandrakofam-pahotana kosa ny andro fahafolon’io volana fahafito io.+ Hanao fivoriambe masina ianareo, ary hampahory tena+ sy hanolotra fanatitra+ atao anaty afo ho an’i Jehovah. 28  Aza manao asa na inona na inona amin’io andro io satria andro fandrakofam-pahotana io, handrakofana+ ny fahotanareo eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo. 29  Haringana tsy ho eo amin’ny fireneny+ mantsy izay* tsy mampahory tena amin’io andro io. 30  Ary izay* manao asa na inona na inona amin’io andro io, dia haringako tsy ho eo amin’ny fireneny.+ 31  Aza manao asa na inona na inona.+ Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay rehetra onenanareo. 32  Sabata fitsaharana tanteraka izany ho anareo,+ ary hampahory+ tena ianareo amin’ny andro fahasivin’ny volana, amin’ny takariva. Hitandrina ny sabatanareo ianareo, manomboka amin’ny takariva iray ka hatramin’ny takariva iray.” 33  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 34  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io koa dia fetin’ny trano rantsankazo. Fety ho an’i Jehovah izany, ary maharitra fito andro.+ 35  Fivoriambe masina ny andro voalohany, ka aza manao asa mafy na inona na inona. 36  Fito andro no hanoloranareo fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Hanao fivoriambe masina ianareo amin’ny andro fahavalo,+ ary hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fivoriambe manetriketrika izany, ka aza manao asa mafy na inona na inona. 37  “‘Ireo no fety+ nandidian’i Jehovah, ary tokony hanaovanareo antso avo fa fivoriambe masina+ natao hanolorana fanatitra atao anaty afo+ ho an’i Jehovah, dia ny fanatitra dorana+ sy ny fanatitra varimbazaha+ ampiarahina amin’ny sorona, ary ny fanatitra zava-pisotro+ araka ny fandaharam-potoana isan’andro, 38  ankoatra ny sabatan’i Jehovah+ mbamin’ny fanomezana+ ataonareo sy ny fanatitra rehetra fanefana voady+ ary ny fanatitra an-tsitrapo+ rehetra, izay tokony homenareo an’i Jehovah. 39  Hankalaza ny fety+ ho an’i Jehovah mandritra ny fito andro+ kosa ianareo manomboka amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito, rehefa avy nanangona ny vokatry ny tany. Fitsaharana tanteraka ny andro voalohany, ary fitsaharana tanteraka koa ny andro fahavalo.+ 40  Ary amin’ny andro voalohany, dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, sy ravim-palmie,+ ary sampan’ny hazo maro rantsana sy hazo aravaha any amin’ny lohasaha falehan-driaka. Dia hifaly+ mandritra ny fito andro eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. 41  Ary ankalazao ho fety ho an’i Jehovah izany, fito andro isan-taona.+ Tokony hankalaza izany amin’ny volana fahafito ianareo, ary ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, hatramin’ny taranakareo fara mandimby. 42  Ao anaty trano rantsankazo no hipetrahanareo fito andro.+ Ary hipetraka ao anaty trano rantsankazo ny teratany rehetra eo amin’ny Israely,+ 43  mba hahafantaran’ny+ taranakareo fa tao anaty trano rantsankazo ny zanak’Israely no nasaiko nipetraka, fony aho nitondra azy nivoaka avy tany Ejipta.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’” 44  Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny zanak’Israely ny momba an’ireo fety+ nandidian’i Jehovah.

Fanamarihana

Jereo Ek 12:6 f.a.p.
Izany hoe mandroso sy mihemotra mankany amin’ny alitara.
1 hina = 3,67 litatra.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.