Levitikosy 24:1-23

24  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Ilazao ny zanak’Israely mba hitondra menaka oliva tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto, mba hatao amin’ny jiro.+ Amin’izay, dia hirehitra foana ny jiro.+  Eo ivelan’ilay ridao eo akaikin’ny Tenin’ny Vavolombelona, izay ao amin’ny tranolay fihaonana, no hikarakaran’i Arona ny jiro, mba hirehetany foana eo anatrehan’i Jehovah, manomboka amin’ny takariva ka mandra-maraina. Ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, hatramin’ny taranakareo fara mandimby.  Hokarakarainy foana+ eo anatrehan’i Jehovah ireo jiro+ eo ambonin’ny fitoeran-jiro+ vita amin’ny volamena tsy misy fangarony.  “Dia haka lafarinina tsara toto ianao, mba hanaovana mofo boribory roa ambin’ny folo, ka hataonao ao anaty lafaoro. Lafarinina roa ampahafolon’ny efaha no hanaovana ny mofo iray.  Zarao ho roa toko misy mofo enina mifanaingina ireo mofo ireo,+ ka ataovy eo ambonin’ilay latabatra vita amin’ny volamena tsy misy fangarony, eo anatrehan’i Jehovah.+  Ary asio ditin-kazo manitra tsy misy fangarony eo ambonin’izy roa toko. Ataovy solon’ny mofo ilay ditin-kazo, ho fanatitra fampahatsiahivana+ sy ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.  Isaky ny sabata no handaharany ny mofo eo anatrehan’i Jehovah.+ Fifanekena ataoko amin’ny zanak’Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.  Ary ho an’i Arona sy ny zanany lahy izany,+ ka hohanin’izy ireo ao amin’ny toerana masina,+ satria zavatra masina indrindra ho an’ny mpisorona, avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Ho fitsipika mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.” 10  Ary nivoaka nankeo amin’ny zanak’Israely ny lehilahy iray, zanaky ny vehivavy israelita, fa Ejipsianina+ kosa ny rainy. Niady+ tao an-toby io lehilahy io sy ny lehilahy israelita iray. 11  Niteny ratsy sy nanozona+ an’ilay Anarana+ io zanaky ny vehivavy israelita io. Dia nentina tany amin’i Mosesy izy.+ Selomita no anaran-dreniny, izay zanakavavin’i Dibry, avy amin’ny fokon’i Dana. 12  Koa nambenana tsara+ ilay lehilahy, mandra-pahazoan’izy ireo fanambarana mazava avy amin’i Jehovah.+ 13  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 14  “Ento mivoaka ny toby ilay nanozona.+ Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan-dralehilahy izay rehetra nandre azy.+ Dia hitora-bato azy ny vahoaka manontolo.+ 15  Ary izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Raha misy manozona ny Andriamaniny, dia hampamoahina noho ny fahotany izy. 16  Tsy maintsy vonoina ho faty+ ilay niteny ratsy ny anaran’i Jehovah. Hitora-bato azy tokoa ny vahoaka manontolo. Hovonoina ho faty izay miteny ratsy an’ilay Anarana,+ na vahiny izy na teratany. 17  “‘Raha misy mamely olona* ka mahafaty azy, dia tsy maintsy vonoina ho faty koa izy.+ 18  Ary izay nahafaty biby fiompy dia hanonitra izany, ka hanome biby* ho solon’ny biby.+ 19  Raha misy mampitondra takaitra ny namany, dia ho araka izay nataony tamin’ilay namany no hatao aminy koa:+ 20  Tapaka ho solon’ny tapaka, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify. Izay takaitra nampitondrainy an’ilay olona no hatao aminy koa.+ 21  Hanonitra+ ny biby+ novonoiny àry izay nahafaty biby. Fa hovonoina ho faty kosa izay nahafaty olona.+ 22  “‘Didim-pitsarana iray ihany no mihatra aminareo. Tokony hitovy amin’ny teratany ny vahiny,+ satria izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’”+ 23  Dia niteny tamin’ny zanak’Israely i Mosesy taorian’izay, ka nentina teny ivelan’ny toby ilay nanozona, ary notoraham-bato.+ Koa nanao araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ny zanak’Israely.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.