Levitikosy 25:1-55

25  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany homeko anareo ianareo,+ dia hitandrina sabata ho an’i Jehovah ilay tany.+  Enin-taona no hamafazanao voa eo amin’ny sahanao, ary enin-taona no handrantsananao ny voalobokao, ka hanangonanao ny vokatry ny tany.+  Fa hisy sabata fialan-tsasatra tanteraka ho an’ny tany+ kosa amin’ny taona fahafito, ary ho sabata ho an’i Jehovah izany. Aza amafazana voa ny sahanao, ary aza rantsanana ny voalobokao.  Raha nisy naniry ny voa latsaka tamin’ny fijinjana farany, dia aza jinjaina ny vokatra avy taminy. Aza otazana ny voan’ny voaloboka tsy norantsanana. Fa tokony hisy taona iray hamelana ny tany hiala sasatra tanteraka.  Ary ny vokatry ny tany mandritra ilay sabata ialany sasatra no hohaninareo, dia ianao sy ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao sy ny olona karamainao sy ny mpiavy eo aminao, izany hoe ireo vahiny monina eo aminao,  sy ny biby fiompinao ary ny bibidia eo amin’ny taninao. Azonareo hanina daholo ny vokatry ny tany.  “‘Ary hanisa sabatan-taona fito ianao, izany hoe fito taona impito. Ho sivy amby efapolo taona, araka izany, ny faharetan’ireo sabatan-taona fito ireo.  Ary ampanenoy ny anjombona avo feo,+ amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito.+ Amin’ny andro fandrakofam-pahotana+ no hampanenoanareo ny anjombona, manerana ny taninareo. 10  Dia hamasino ny taona fahadimampolo, ka ataovy antso avo amin’ny mponina rehetra eo amin’ilay tany fa tonga ny fahafahana.+ Ho Jobily+ ho anareo izany, ka samy hiverina any amin’ny lovanareo ianareo, ary samy hiverina any amin’ny fianakavianareo avy.+ 11  Ho Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo,+ ka aza mamafy voa na mijinja ny vokatra raha nisy naniry ny voa latsaka tamin’ny fijinjana farany. Aza otazana ny voan’ny voaloboka tsy norantsanana.+ 12  Fa Jobily izany, ka ho masina aminareo. Ny vokatry ny tany eny an-tsaha no azonareo hanina.+ 13  “‘Samy hiverina any amin’ny lovanareo ianareo, amin’io taon-jobily io.+ 14  Koa aza mifanambaka raha mivarotra na mividy zavatra amin’ny namanareo.+ 15  Arakaraka ny isan’ny taona aorian’ny Jobily no hividiananao tany amin’ny namanao, ary arakaraka ny isan’ny taona iakaran’ny vokatra no hivarotany aminao.+ 16  Arakaraka ny hamaroan’ny taona no hanondrotany ny vidiny,+ ary arakaraka ny havitsian’ny taona no hampihenany ny vidiny, satria ny isan’ny fiakaran’ny vokatra no amidiny aminao. 17  Aoka tsy hisy hanambaka ny namany,+ fa matahora an’Andriamanitrao,+ satria izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+ 18  Koa ankatoavy ny lalàko, ary hajao ny didim-pitsarako ka ampiharo. Dia honina tsy amin’ahiahy eo amin’ilay tany tokoa ianareo.+ 19  Ary hahavokatra ilay tany,+ ka hihinana izay laninareo tokoa ianareo, ary honina eo tsy amin’ahiahy.+ 20  “‘Raha milaza anefa ianareo hoe: “Inona no hohaninay amin’ny taona fahafito satria tsy mahazo mamafy voa na manangom-bokatra izahay?”,+ 21  dia aoka ho fantatrareo fa handrotsahako ny fitahiako tokoa ianareo amin’ny taona fahenina, ka ho ampy mandritra ny telo taona ny vokatry ny tany.+ 22  Ary hamafy voa ianareo ny taona fahavalo, ka ny vokatra teo aloha no hohaninareo mandra-pahatongan’ny taona fahasivy, eny, mandra-piakatry ny vokatra. 23  “‘Koa tsy tokony hatao varo-maty+ ny tany, satria ahy+ ny tany fa mpivahiny sy mpiavy kosa ianareo amiko.+ 24  Ary manerana ilay tany izay ho lasanareo, dia tokony ho azon’ny tompony vidina indray+ ny tany efa namidiny. 25  “‘Raha mihamahantra ny rahalahinao, ka voatery mivarotra ny ampahany amin’ny taniny, dia ny havany akaiky izay afaka manavotra azy no hividy indray izay namidin’ny rahalahiny.+ 26  Raha tsy manan-kavana hanavotra kosa izy, fa ny tenany ihany no nahazo vola ampy hanavotana ilay tany, 27  dia hanisa ny taona lasa nanomboka tamin’ny nivarotany azy izy, ka haveriny any amin’ilay nivarotany azy ny vola sisa, ary hiverina any amin’ny lovany izy.+ 28  “‘Fa raha tsy mahita vola ampy izy hividianany indray an’ilay tany, dia mbola ho eo am-pelatanan’ilay nividy azy ilay tany mandra-pahatongan’ny taon-jobily.+ Ary hiverina amin’ny tompony ilay tany rehefa tonga ny Jobily, ka hiverina any amin’ny lovany ilay olona.+ 29  “‘Raha misy mivarotra trano fonenana ao anaty tanàna misy manda, dia hanan-jo foana hanavotra izany izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy. Haharitra herintaona katroka ny zony hanavotra+ izany. 30  Fa raha tapitra ny herintaona, nefa tsy nisy nanavotra ilay trano ao anaty tanàna misy manda, dia ho fananan’ilay olona nividy sy ny taranany fara mandimby ilay trano. Ho azy tanteraka izany ka tsy hiverina amin’ny tompony na dia tonga aza ny Jobily. 31  Fa hoheverina ho anisan’ny sahan’ilay faritra kosa ny trano ao anaty tanàna kely tsy misy manda. Hanan-jo foana hanavotra+ azy ny tompony, ary hiverina amin’ny tompony ilay trano amin’ny Jobily.+ 32  “‘Izao kosa no atao amin’ny tanànan’ny Levita: Manan-jo hanavotra ny trano ao amin’ny tanàna misy ny lovany+ ny Levita mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 33  Ary raha namidy ny trano ao amin’ny tanàna misy ny lovan’ny Levita, nefa tsy nisy nanavotra, dia hiverina amin’ny tompony ihany ilay trano rehefa tonga ny Jobily.+ Lovan’ny Levita eo anivon’ny zanak’Israely mantsy ny trano ao amin’ny tanànany.+ 34  Tsy azo amidy ny kijana+ manodidina ny tanànany, satria lovany mandritra ny fotoana tsy voafetra izany. 35  “‘Raha mihamahantra ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka sahirana ara-bola,+ dia ampio izy.+ Aoka ho velona eo aminao toy ny mpivahiny sy ny mpiavy+ izy. 36  Aza maka zanabola na tombony aminy rehefa mampisambotra azy,+ fa matahora an’Andriamanitrao,+ mba ho velona eo aminao ny rahalahinao. 37  Aza maka zanabola rehefa mampisambotra,+ na maka tombony rehefa mampisambotra sakafo. 38  Izaho no Jehovah Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta mba hanome anareo ny tany Kanana,+ ka hasehoko fa Andriamanitrareo aho.+ 39  “‘Aza andevozina+ ny rahalahinao izay miara-monina aminao, raha mihamahantra ka voatery mivarotra ny tenany aminao.+ 40  Ataovy toy ny mpikarama+ sy ny mpiavy izy, ka hiasa ao aminao mandra-pahatongan’ny taon-jobily. 41  Ho afaka izy ka hiala eo aminao izy sy ny zanany. Ary hiverina any amin’ny fianakaviany sy any amin’ny lovan-drazany izy.+ 42  Mpanompoko nentiko nivoaka avy tany Ejipta+ mantsy izy ireo, ka tsy hivarotra ny tenany ho andevo. 43  Aza mampijaly ny rahalahinao na lozabe aminy,+ fa matahora an’Andriamanitrao.+ 44  Amin’ireo firenena manodidina no hakanareo ny mpanompolahinareo sy ny mpanompovavinareo. Amin’ireny no azonareo ividianana mpanompolahy sy mpanompovavy. 45  Ary afaka mividy amin’ny zanaky ny mpiavy monina eo aminareo koa ianareo,+ eny, amin’ireny sy ny ankohonany izay naterany teo amin’ny taninareo. Ho fanananareo ireny, 46  ka homenareo ho lovan’ny taranakareo mba ho fananany mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Koa azonareo atao mpiasa ireny, fa ny zanak’Israely rahalahinareo kosa aza ampijalina, ary aza lozabe aminy.+ 47  “‘Fa raha lasa manankarena ny mpivahiny na ny mpiavy monina eo aminao, nefa ny rahalahinao izay miara-monina aminy lasa mahantra ka voatery mivarotra ny tenany amin’ilay mpivahiny na ilay mpiavy, na amin’ny mpianakavin’ilay mpivahiny, 48  dia eo foana ny zo ahafahana manavotra azy,+ rehefa avy nivarotra ny tenany+ izy. Mahazo mividy azy indray ny iray amin’ireo rahalahiny,+ 49  na koa ny dadatoany na ny zanaky ny dadatoany, na izay havany iray ra aminy,+ izay anisan’ny mpianakaviny. “‘Na hanavotra ny tenany ihany izy, raha lasa manankarena.+ 50  Izy sy ilay nividy azy no hiara-manisa ny taona nanomboka tamin’ny taona nivarotany ny tenany taminy ka hatramin’ny taon-jobily.+ Tokony hifanaraka amin’ny isan’izany taona izany ny vola nivarotany ny tenany.+ Tokony hitovy amin’ny fanisana ny andro iasan’ny mpikarama no anisana ny fotoana itoerany ao amin’ilay nividy azy.+ 51  Fa raha mbola misy taona maro, dia ho arakaraka ny isan’izany taona izany ny vola haloany ho vidin’ny fanavotana azy, izay hesorina amin’ilay vola nividianana azy. 52  Ary raha vitsy kosa ny taona tavela mandra-pahatongan’ny taon-jobily,+ dia hanisa izany izy, ka ho arakaraka ny isan’izany taona izany ny vola haloany ho vidin’ny fanavotana azy. 53  Hataony toy ny olona karamainy+ izy, isan-taona isan-taona. Tsy mahazo mampijaly azy na lozabe aminy+ eo imasonao izy. 54  Fa raha tsy afaka manavotra ny tenany araka ireo fepetra ireo izy, dia hafahana ihany izy sy ny zanany amin’ny taon-jobily.+ 55  “‘Mpanompo mantsy ny zanak’Israely amiko, eny, mpanompoko+ nentiko nivoaka avy tany Ejipta.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+

Fanamarihana