Levitikosy 26:1-46

  • Aza manompo sampy (1, 2)

  • Hotahina izay mankatò (3-13)

  • Hosazina izay tsy mankatò (14-46)

26  “‘Aza manao andriamanitra tsy misy dikany,+ na sary sokitra+ na tsangambato masina ho anareo. Aza asiana vato voasokitra+ ao amin’ny taninareo mba hiankohofanareo aminy.+ Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 2  Tandremo ny sabatako, ary hajao* ny toerako masina. Izaho no Jehovah. 3  “‘Raha manaraka ny fitsipiko sy mankatò foana ny didiko ianareo ka manatanteraka an’izany,+ 4  dia homeko ranonorana amin’ny fotoanany,+ ka hahavokatra ny tany+ ary hamoa ny hazo eny an-tsaha. 5  Ny fotoam-piasana eny am-pamoloana ho tratran’ny fiotazam-boaloboka, ary ny fiotazam-boaloboka ho tratran’ny famafazam-boa. Hihinana mofo ianareo ka ho voky, ary hiadana sy hilamina ao amin’ny taninareo.+ 6  Hataoko manjaka ao amin’ilay tany ny filaminana,+ ka tsy hisy hampatahotra anareo rehefa matory ianareo.+ Hesoriko tanteraka ao amin’ilay tany ny bibidia masiaka, ary tsy hisy mpanafika hamely ny taninareo amin’ny sabatra. 7  Hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ary hovonoinareo amin’ny sabatra ireny. 8  Ny 5 aminareo hanenjika 100, ary ny 100 hanenjika 10 000, ary hovonoinareo amin’ny sabatra ny fahavalonareo.+ 9  “‘Hitahy* anareo aho, ka hataoko manan-taranaka sy ho maro be ianareo,+ ary hohajaiko ny fifanekena nataoko taminareo.+ 10  Mbola tsy laninareo akory ny vokatra tamin’ny taon-dasa, dia efa tsy maintsy hesorinareo izany mba hisy toerana ho an’ny vaovao. 11  Dia hataoko eo aminareo ny tranolaiko,+ ary tsy hanary anareo aho. 12  Ho eo aminareo aho ka ho Andriamanitrareo,+ ary ianareo ho vahoakako.+ 13  Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, mba tsy ho andevo intsony ianareo. Ary notapahiko ny baran’ny zioganareo, ka nataoko nitraka* tsara ianareo rehefa nandeha. 14  “‘Fa raha tsy mihaino ahy kosa ianareo na tsy mankatò an’ireo didy rehetra ireo,+ 15  ary raha mandika ny fitsipiko+ sy mankahala ny didim-pitsarako ianareo ka tsy mankatò ny didiko rehetra, ary tsy hajainareo ny fifanekena nataoko,+ 16  dia izao no hataoko aminareo: Hosaziko ianareo ka ho kivy sy ho voan’ny tioberkilaozy ary hanavy be, dia hanjavozavo ny masonareo ary ho kely ny ainareo. Ho very maina fotsiny ny namafazanareo voa, satria ny fahavalonareo no hihinana ny vokatra avy amin’izany.+ 17  Hanohitra anareo aho, ka ho resin’ny fahavalonareo ianareo.+ Ary hampijaly anareo ireo mankahala anareo.+ Dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.+ 18  “‘Raha mbola tsy mihaino ahy ihany ianareo na eo aza izany, dia hampiako avo fito heny ny sazinareo noho ny fahotanareo. 19  Hataoko izay hahatonga anareo tsy hirehareha sy tsy ho mafy loha intsony. Ary hataoko toy ny vy ny lanitrareo,+ ary toy ny varahina ny taninareo. 20  Ho lany hery fotsiny ianareo, satria tsy hahavokatra ny taninareo+ ary tsy hamoa ny hazo ao amin’ilay tany. 21  “‘Fa raha mbola manohitra ahy foana ianareo ka tsy mety mihaino ahy, dia hampiako avo fito heny ny kapoka homeko anareo noho ny fahotanareo. 22  Handefasako bibidia eo aminareo,+ ka hataony ripaka ny zanakareo+ ary hataony fongana ny biby fiompinareo. Ary hihena ny isanareo, ka tsy hisy olona ny lalanareo.+ 23  “‘Raha mbola tsy manaiky hahitsiko ihany ianareo na eo aza izany+ fa mbola mikiry manohitra ahy foana, 24  dia hanohitra anareo koa aho. Izaho mihitsy no hamely anareo impito, noho ny fahotanareo. 25  Hasiako amin’ny sabatra ianareo ho valin’ny nivadihanareo tamin’ny fifanekena.+ Raha mandositra ao an-tanànanareo ianareo, dia handefasako aretina.+ Ary hataoko resin’ny fahavalo ianareo.+ 26  Rehefa potehiko ny fitehirizana* mofonareo,*+ dia vehivavy folo no ho indray afaka hanao ny mofonareo ao anaty lafaoro iray ihany. Ary holanjainy izany rehefa hozarainy aminareo.+ Dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.+ 27  “‘Raha mbola tsy mihaino ahy ihany ianareo na eo aza izany fa mbola mikiry manohitra ahy, 28  dia hanohitra anareo mafimafy kokoa aho.+ Ary izaho mihitsy no hanasazy anareo impito noho ny fahotanareo. 29  Koa ho voatery hihinana ny nofon’ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ianareo.+ 30  Hopotehiko ny toerana avo masina eo aminareo,+ horavako ny fandoroana emboka manitra, ary hataoko mivangongo eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo maharikoriko* ny fatinareo.+ Ary ho tofoka aminareo aho ka hiala aminareo.+ 31  Dia hasiako amin’ny sabatra ny tanànanareo,+ sady horavako ny toerana masinareo, ary tsy hahafinaritra* ahy ny hanitry ny fanatitrareo. 32  Hataoko tsy misy mponina ny taninareo,+ ka ho gaga ny fahavalonareo izay honina ao rehefa mahita an’izany.+ 33  Haparitako any amin’ireo firenena ianareo,+ ary hanatsoaka sabatra hanenjehana anareo aho.+ Dia tsy hisy mponina ny taninareo,+ ary ho rava ny tanànanareo. 34  “‘Hanonitra ny sabatany ny tany amin’izay, mandritra ny andro rehetra tsy hisian’ny mponina ao, raha mbola any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo. Dia hiala sasatra* ilay tany, satria honerany ny sabatany.+ 35  Hiala sasatra ilay tany amin’ny andro rehetra tsy hisian’ny mponina ao, satria tsy niala sasatra izy nandritra ny sabatanareo, tamin’ianareo nonina tao. 36  “‘Ary ny amin’ireo sisa tsy maty,+ dia hataoko kivy be ny fon’izy ireo, any amin’ny tanin’ny fahavalony. Koa hampandositra azy na dia feona ravinkazo entin’ny rivotra aza. Ary hitsoaka hoatran’ny mandositra sabatra izy, ka hianjera nefa tsy misy manenjika.+ 37  Dia ho voafingana sy hianjera eo ambonin’ny namany izy ireo ka ho toy ny olona mandositra sabatra, na dia tsy misy manenjika aza. Tsy ho voatohitrareo ny fahavalonareo.+ 38  Dia ho faty any amin’ireo firenena ianareo,+ ary ho ripaka any amin’ny tanin’ny fahavalonareo. 39  Izay sisa aminareo dia ho lo any amin’ny tanin’ny fahavalonareo+ noho ny fahadisoanareo. Ho lo tsikelikely tokoa izy ireo noho ny fahadisoan’ny razambeny.+ 40  Dia hiaiky ny fahadisoany izy ireo+ ary hiaiky fa diso ny razambeny sady nivadika. Hiaiky koa izy ireo hoe nivadika satria nanohitra ahy.+ 41  Dia nanohitra azy ireo koa aho,+ ka nitondra azy tany amin’ny tanin’ny fahavalony.+ “‘Angamba mba hanetry tena ihany ny fony tsy voafora* amin’izay,+ ka hanonitra ny fahadisoany izy ireo. 42  Dia hotsaroako ny fifanekena nataoko tamin’i Jakoba,+ sy ilay fifanekena nataoko tamin’i Isaka,+ ary ilay fifanekena nataoko tamin’i Abrahama,+ ary hotsaroako ilay tany. 43  Hilaozan’izy ireo ilay tany ka hanonitra ny sabatany+ sady tsy hisy mponina. Ary hizaka ny vokatry ny fahadisoany izy ireo satria tsy nampihatra ny didim-pitsarako, sady nankahala ny fitsipiko.+ 44  Na eo aza anefa izany rehetra izany, ary na mbola any amin’ny tanin’ny fahavalony aza izy ireo, dia tsy handa+ na hanary azy ireo tanteraka aho ka hoe handripaka azy. Mivadika amin’ny fifanekena nataoko+ taminy mantsy aho raha manao an’izany. Fa izaho no Jehovah Andriamaniny. 45  Hitsinjo azy ireo aho, ka hotsaroako ny fifanekena nataoko tamin’ny razambeny,+ izay nentiko nivoaka avy tany Ejipta teo imason’ireo firenena,+ mba hampisehoako fa Andriamaniny aho. Izaho no Jehovah.’” 46  Ireo no fitsipika sy didim-pitsarana ary lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay.+

Fanamarihana

Abt: “atahory.”
Abt: “Hitodika hijery.”
Abt: “nijoro mahitsy.”
Na: “sakafonareo.”
Abt: “hazon’ny.” Mety ho hazo fanantonana ny mofo notehirizina.
Mety hisy ifandraisany amin’ny hoe “taim-biby” ilay teny hebreo tany am-boalohany. Teny fanambaniana izy io.
Na: “hampitony.” Abt: “hitondra fitsaharana ho.”
Na: “hitandrina ny sabata.”
Na: “tsy mihontsina.”