Levitikosy 27:1-34

27  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy manao voady manokana+ hoe hanolotra olona* ho an’i Jehovah, araka izay vidiny anombanana azy,  dia sekely volafotsy dimampolo, araka ny sekelin’ny toerana masina, no vidiny anombanana azy raha lehilahy roapolo taona ka hatramin’ny enimpolo taona,  fa sekely telopolo kosa raha vehivavy.  Ary raha dimy taona hatramin’ny roapolo taona ilay olona, dia sekely roapolo no vidiny anombanana azy raha lehilahy izy, fa sekely folo kosa raha vehivavy izy.  Raha iray volana hatramin’ny dimy taona izy, dia ho sekely volafotsy dimy+ no vidiny anombanana azy raha lehilahy izy, fa ho sekely volafotsy telo kosa raha vehivavy izy.  “‘Raha enimpolo taona no ho miakatra kosa izy, dia ho sekely dimy ambin’ny folo no vidiny anombanana ny lehilahy, ary ho sekely folo ny vehivavy.  Fa raha mahantra ilay mivoady ka tsy mahatakatra izay vidiny anombanana+ an’ilay olona atolony, dia hajorony eo anatrehan’ny mpisorona ilay olona, ka ny mpisorona no hanombana ny vidiny+ araka izay mety ho takatry+ ny volan’ilay mivoady.  “‘Raha biby fanao fanatitra ho an’i Jehovah no atolony, dia ho zava-masina+ daholo izay hatolony ho an’i Jehovah, 10  ka tsy azony soloana. Tsy azony atakalo tsara koa ny ratsy, na atakalo ratsy ny tsara. Raha atakalony ihany anefa ilay izy, izany hoe biby hatakalo biby, dia ho lasa zava-masina ilay biby sy ilay takalony. 11  Ary raha biby maloto+ tsy fanao fanatitra ho an’i Jehovah+ izany, dia hajorony eo anatrehan’ny mpisorona.+ 12  Ary hanombana ny vidiny ilay mpisorona, na tsara ilay biby na ratsy, ka izay vidiny anombanany+ azy no ho vidiny. 13  Raha tian’ilay olona havotana anefa ilay biby, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy, sady mbola hampiany ampahadiminy.+ 14  “‘Raha misy olona manamasina ny tranony ho zava-masina eo anatrehan’i Jehovah, dia hanombana ny vidin’ilay trano ny mpisorona, na tsara ilay izy na ratsy.+ Ary araka izay vidiny hanombanan’ny mpisorona azy no ho vidiny. 15  Fa raha te hanavotra an’ilay tranony ilay nanamasina azy, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy, sady mbola hampiany ampahadiminy,+ ka ho lasany ilay trano. 16  “‘Raha ny ampahany amin’ny tany lovan’ny+ olona iray no hamasininy ho an’i Jehovah, dia hotombanana arakaraka ny habetsahan’ny voa afafy eo amin’ilay tany ny vidiny: Ho sekely volafotsy dimampolo ny tany ampy hamafazana vary orza eran’ny homera.+ 17  Raha hamasininy manomboka amin’ny taon-jobily+ ny taniny, dia ho araka izay vidiny anombanana azy ny vidiny. 18  Raha aorian’ny Jobily kosa no anamasinan’ilay olona azy, dia hanao kajy ny vidin’ilay tany ny mpisorona, ary ho arakaraka ny taona tavela mandra-pahatongan’ny taon-jobily manaraka ny vidiny, ka hampifanalany amin’ny vidiny anombanana ilay tany izany.+ 19  Fa raha avotan’ilay nanamasina azy ilay tany, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy, sady mbola hampiany ampahadiminy, ka ho azy ilay tany.+ 20  Fa raha tsy avotany kosa ilay tany fa namidy tamin’olona, dia tsy azo avotana intsony. 21  Rehefa tonga ny Jobily ka afaka teo an-tanan’ilay olona nividy azy ilay tany, dia ho masina eo anatrehan’i Jehovah, satria tany voatokana ho zava-masina.+ Dia ho lasa fananan’ny mpisorona ilay izy.+ 22  “‘Raha tany novidiny fa tsy anisan’ny lovany+ no hamasininy ho an’i Jehovah, 23  dia hanao kajy ny mpisorona hahitana izay tokony ho vidin’ilay tany mandra-pahatongan’ny taon-jobily. Ary homen’ilay olona amin’iny andro iny ihany ny vidiny nanombanana ilay tany.+ Zava-masina eo anatrehan’i Jehovah izany.+ 24  Hiverina amin’ilay nividianany azy, izany hoe amin’ilay tompony, ny tany rehefa tonga ny taon-jobily.+ 25  “‘Hotombanana araka ny sekelin’ny toerana masina ny vidin-javatra rehetra. Ary ho gera roapolo ny sekely iray.+ 26  “‘Ny biby voalohan-teraka ihany, izay voalohan-teraka ho an’i Jehovah,+ no tsy tokony hisy olona hanamasina. An’i Jehovah izany, na omby na ondry na osy.+ 27  Ary raha biby maloto+ no hamasininy, ka mila manavotra azy araka ny vidiny anombanana azy ilay olona, dia hanome ny vidiny izy sady mbola hampiany ampahadiminy.+ Fa hamidy araka izay vidiny anombanana azy kosa ilay izy, raha tsy avotana. 28  “‘Ny hany tsy azo amidy dia ny zavatra voatokana, izany hoe izay rehetra ananan’ny olona ka nohamasininy mandrakizay*+ ho an’i Jehovah, na olona izany na biby na tany lova. Tsy misy azo avotana+ ny zavatra voatokana fa zavatra masina indrindra eo anatrehan’i Jehovah. 29  Tsy misy azo avotana koa ny olona voatokana, izany hoe izay olona efa natokana haringana.+ Tsy maintsy vonoina ho faty izy.+ 30  “‘An’i Jehovah ny ampahafolony+ rehetra amin’ny tany, na amin’ny voa famafy izany na amin’ny voan’ny hazo. Zava-masina eo anatrehan’i Jehovah izany. 31  Raha misy olona te hanavotra an’ilay ampahafolon’ny taniny, dia hanome ny tokony ho vidiny izy sady mbola hampiany ampahadiminy.+ 32  Ary ny ampahafolon’ny biby fiompy, na omby na ondry na osy, izay mandalo eo ambany tehin’ny mpiandry,+ dia ny biby fahafolo no tokony ho zava-masina eo anatrehan’i Jehovah. 33  Tsy tokony hojereny na tsara na ratsy ilay biby, ary tsy tokony hatakalony koa. Raha atakalony ihany anefa ilay izy, dia ho lasa zava-masina ilay biby sy ilay takalony.+ Tsy azo avotana izany.’” 34  Ireo no didy+ nomen’i Jehovah an’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay+ ho an’ny zanak’Israely.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Na: “natokany haringana.”