Levitikosy 3:1-17

3  “‘Raha manolotra sorona iombonana+ izy, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema+ no hatolony eo anatrehan’i Jehovah.  Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay+ fanatiny izy, ary hovonoina eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafy eo amin’ireo lafin’ny alitara ny ra, ka ireo mpisorona zanakalahin’i Arona no hanao izany.  Ary hatolotr’ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah ny ampahany amin’ilay sorona iombonana, dia ny taviny+ manarona ny tsinainy, eny, ny taviny rehetra eo amin’ny tsinainy,+  ary ny voa+ roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo amin’ny tehezany. Fa ny taviny eo amin’ny aty kosa hesoriny miaraka amin’ny voa.  Ary hodoran’ireo zanakalahin’i Arona+ eo ambony alitara izany rehetra izany, mba hidona-tsetroka+ eo ambony fanatitra dorana izay eo ambony kitay,+ ao anaty afo, ho fanatitra atao anaty afo ho hanitra mampitony+ an’i Jehovah.  “‘Raha ondry aman’osy no akan’ilay olona ho sorona iombonana ho an’i Jehovah, dia lahy na vavy tsy misy kilema+ no hatolony.  Raha zanak’ondry no ateriny, dia hatolony eo anatrehan’i Jehovah izany.+  Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay+ fanatiny izy, ary hovonoina+ eo anoloan’ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafy eo amin’ireo lafin’ny alitara ny ra, ka ireo zanakalahin’i Arona no hanao izany.  Ary hatolotr’ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah ny tavin’ilay sorona iombonana.+ Fa ny rambony matavy+ kosa hesoriny manontolo, manomboka eo amin’ny taolan-damosin’ilay ondry. Hesoriny koa ny taviny manarona ny tsinainy, eny, ny taviny rehetra eo amin’ny tsinainy,+ 10  ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo amin’ny tehezany. Fa ny taviny+ eo amin’ny aty kosa hesoriny miaraka amin’ny voa. 11  Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara izany rehetra izany mba hidona-tsetroka+ ho sakafo,+ ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. 12  “‘Raha osy+ no fanatitra aterin’ilay olona, dia hatolony eo anatrehan’i Jehovah izany. 13  Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay osy izy,+ ary hovonoina+ eo anoloan’ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafy eo amin’ireo lafin’ny alitara ny ra, ka ireo zanakalahin’i Arona no hanao izany. 14  Ary halain’ilay olona ny tavin’ilay osy ka hatolony ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, izany hoe ny taviny manarona ny tsinainy, eny, ny taviny rehetra eo amin’ny tsinainy,+ 15  ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo amin’ny tehezany. Fa ny taviny eo amin’ny aty kosa hesoriny miaraka amin’ny voa. 16  Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara izany rehetra izany mba hidona-tsetroka ho sakafo, ho fanatitra atao anaty afo ho hanitra mampitony. An’i Jehovah ny taviny rehetra.+ 17  “‘Izao no lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’ny taranakareo, any amin’izay rehetra onenanareo: Aza mihinana tavin-kena na ra+ mihitsy.’”

Fanamarihana