Levitikosy 4:1-35

4  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy olona*+ manota tsy nahy,+ ka mandika ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah, ary tena nanao izany tokoa, dia izao atao:  “‘Raha ny mpisorona voahosotra+ no manota+ ka mahameloka ny vahoaka, dia hanolotra vantotr’ombilahy tsy misy kilema ho an’i Jehovah izy noho ny fahotany,+ ho fanatitra noho ny ota.  Dia hoentiny eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana,+ eo anatrehan’i Jehovah, ilay omby. Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay omby izy,+ ka hamono azy eo anatrehan’i Jehovah.  Hakan’ilay mpisorona voahosotra+ ny ran’ilay omby, ka hoentiny ao amin’ny tranolay fihaonana.  Dia hatsobony ao anaty ra ny rantsantanany iray,+ ka hafafiny impito+ eo anatrehan’i Jehovah izany. Eo anoloan’ny ridao ao amin’ny toerana masina no hamafazany izany.  Ny ra sasany kosa hahosony eo amin’ireo tandroky+ ny alitaran’ny emboka manitra eo anatrehan’i Jehovah, izany hoe ilay alitara ao amin’ny tranolay fihaonana. Ary ny ambin’ny ran’ilay omby dia hararany eo am-pototry+ ny alitaran’ny fanatitra dorana, izay eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.  “‘Amin’ny taviny rehetra amin’ilay omby atao fanatitra noho ny ota, dia ireto avy no hesorin’ny mpisorona: Ny taviny manarona ny tsinainy, eny, ny taviny rehetra eo amin’ny tsinainy,+  ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo amin’ny tehezany. Fa ny taviny eo amin’ny aty kosa hesoriny miaraka amin’ny voa.+ 10  Ho sahala amin’izay esorina amin’ny omby atao sorona iombonana+ izany. Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitaran’ny fanatitra dorana+ ireo, mba hidona-tsetroka. 11  “‘Fa ny hoditr’ilay omby kosa, mbamin’ny henany rehetra sy ny lohany sy ny ranjony sy ny tsinainy ary ny tainy,+ 12  izany hoe ilay omby manontolo, dia hasainy avoaka eny an-tsisin-toby+ ho eo amin’ny toerana madio fandrarahana ny lavenona feno menaka.+ Ary hodorany eo ambony kitay ilay omby.+ Eo amin’izay andrarahana ny lavenona feno menaka no handoroana azy. 13  “‘Raha ny vahoakan’Israely manontolo no manao fahadisoana+ ka meloka, nefa tsy fantatry ny fiangonana hoe nandika ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah izy ireo,+ 14  ary raha nanjary fantatra ilay fahotana,+ dia hanolotra vantotr’ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota, ka hoentiny eo anoloan’ny tranolay fihaonana izany. 15  Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay omby,+ eo anatrehan’i Jehovah, ny anti-panahin’ny vahoaka. Dia hovonoina eo anatrehan’i Jehovah ilay omby. 16  “‘Hakan’ilay mpisorona voahosotra+ ny ran’ilay omby, ka hoentiny ao amin’ny tranolay fihaonana.+ 17  Dia hatsobony ao anaty ra ny rantsantanany iray, ka hafafiny impito eo anatrehan’i Jehovah, eo anoloan’ny ridao.+ 18  Ny ra sasany kosa hahosony eo amin’ireo tandrok’ilay alitara+ eo anatrehan’i Jehovah, izany hoe ilay alitara ao amin’ny tranolay fihaonana. Ary ny ambin-dra dia hararany eo am-pototry ny alitaran’ny fanatitra dorana,+ izay eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. 19  Dia hesoriny daholo ny tavin’ilay omby, ka hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka.+ 20  Sahala amin’ny nataony tamin’ny omby natao fanatitra noho ny ota ihany no hataony amin’ity omby ity. Izany no fomba hanaovany azy. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan’ny+ vahoaka, ka havela ny helony. 21  Ary hasainy avoaka ho eny an-tsisin-toby ilay omby, ka hodorany tahaka ny nandorany an’ilay omby voalohany.+ Fanatitra noho ny ota ho an’ny fiangonana izany.+ 22  “‘Raha mpiadidy+ no manota, ary mandika tsy nahy ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah Andriamaniny,+ ka meloka, 23  na koa misy mampahafantatra aminy fa nanota izy satria nandika an’izay nandrarana azy,+ dia hitondra osilahy+ kely tsy misy kilema izy ho fanatitra. 24  Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay+ zanak’osy izy, ka hamono azy eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana, eo anatrehan’i Jehovah.+ Fanatitra noho ny ota+ izany. 25  Hakan’ny mpisorona amin’ny rantsantanany iray ny ran’ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin’ireo tandroky+ ny alitaran’ny fanatitra dorana. Dia hararany eo am-pototr’io alitara io ny ambin-dra. 26  Ary ny taviny rehetra amin’ilay fanatitra dia hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka, tahaka ny tavin’ny sorona iombonana.+ Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan’ilay mpiadidy,+ ka havela ny helony. 27  “‘Raha olon-tsotra* no manota tsy nahy ary mandika ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah, ka meloka,+ 28  na koa misy mampahafantatra aminy hoe nanota izy, dia hitondra osivavy+ kely tsy misy kilema ho fanatitra izy, noho ny fahotany. 29  Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay+ fanatitra noho ny ota izy, ka hamono azy eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana.+ 30  Hakan’ny mpisorona amin’ny rantsantanany iray ny ra, ka hahosony eo amin’ireo tandroky+ ny alitaran’ny fanatitra dorana. Ary hararany eo am-pototry ny alitara ny ambin-dra.+ 31  Dia hesoriny daholo ny tavin’ilay+ fanatitra, tahaka ny nanesorana ny tavin’ny sorona iombonana.+ Hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+ Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan’ilay olona, ka havela ny helony.+ 32  “‘Raha zanak’ondry+ no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia tokony ho vavy tsy misy kilema+ izany. 33  Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ilay fanatitra izy, ka hamono azy ho fanatitra noho ny ota, eo amin’ny toerana famonoana ny fanatitra dorana.+ 34  Hakan’ny mpisorona amin’ny rantsantanany iray ny ran’ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin’ireo tandroky ny alitaran’ny fanatitra dorana.+ Ary hararany eo am-pototry ny alitara ny ambin-dra. 35  Dia hesoriny daholo ny tavin’ilay fanatitra, sahala amin’ny fanao rehefa manala ny tavin’ny vantotr’ondrilahy atao sorona iombonana. Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ireo, mba hidona-tsetroka eo ambony fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ Ary ny mpisorona handrakotra+ ny fahotan’ilay olona, ka havela ny helony.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Ahitana an’ilay teny hebreo hoe nefesh. Jereo F.F. 3A.