Levitikosy 5:1-19

5  “‘Raha misy olona*+ manota satria nandre fanozonana+ ampahibemaso sady vavolombelon’ny fahotana iray, na nahita na nahalala momba izany, nefa tsy niteny,+ dia hampamoahina noho ny fahadisoany izy.  “‘Na, raha misy olona* mikasika zava-maloto, toy ny fatin’ny biby maloto, na bibidia izany, na biby fiompy, na bibikely,+ eny fa na tsy fantany aza izany,+ dia maloto ihany izy ka meloka.+  Na, raha mikasika ny fahalotoan’olona izy, na inona na inona izany fahalotoany+ mety hampahaloto azy izany, eny fa na tsy fantany aza izany, nefa lasa fantany, dia meloka ihany izy.  “‘Na, raha misy olona* mianiana hanao ratsy+ na hanao soa ka manao teny tsy voahevitra,+ na inona na inona fianianana tsy voahevitra nataony,+ eny fa na tsy tsapany aza ny ho vokany, nefa lasa tsapany, dia meloka ny amin’ny iray amin’ireo fianianana ireo izy.  “‘Raha meloka ny amin’ny iray amin’ireo zavatra ireo izy, dia hiaiky+ ny fahotany.  Koa hitondra fanatitra noho ny heloka+ izy noho ny nanotany, ka ondrivavy kely na osivavy+ kely no hoentiny ho an’i Jehovah ho fanatitra noho ny ota. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotany.+  “‘Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry,+ dia domohina+ roa na zana-boromailala roa no hoentiny ho an’i Jehovah, ho fanatitra noho ny heloka, noho ny nanotany: Ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota,+ ary ny iray ho fanatitra dorana.  Ary hoentiny any amin’ny mpisorona ireo, ka ilay fanatitra noho ny ota aloha no hatolony. Dia hotsongoiny+ ny eo anoloana amin’ny tendan’ilay vorona mba ho tataka, nefa tsy hotapahiny.  Ary haka amin’ny ran’ilay fanatitra noho ny ota izy, ka hafafiny eo amin’ny lafin’ny alitara, fa ny ambin-dra kosa havelany hitsika eo am-pototry ny alitara.+ Fanatitra noho ny ota izany. 10  Hatolony ho fanatitra dorana kosa ilay vorona anankiray, ka hataony araka ny efa fanao.+ Ary ny mpisorona handrakotra+ ny fahotany, ka havela ny helony.+ 11  “‘Raha mbola tsy takatry ny volany+ ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha*+ no hoentiny ho fanatitra noho ny ota, noho izy nanota. Tsy hasiany menaka+ na ditin-kazo manitra eo amboniny, fa fanatitra noho ny ota+ izany. 12  Ary hoentiny any amin’ny mpisorona izany, ka hakan’ny mpisorona eran-tanan’ila ho fanatitra fampahatsiahivana,+ ary hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka eo ambony fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ Fanatitra noho ny ota+ izany. 13  Ary ny mpisorona handrakotra+ ny fahotan’ilay olona, noho izy nanao ny iray amin’ireo fahotana ireo, ka havela ny helony. Ary ho an’ny mpisorona+ ny ambin’ilay fanatitra, toy ny amin’ny fanatitra varimbazaha.’” 14  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 15  “Raha misy olona* tsy mendri-pitokisana ka manota tsy nahy amin’ny zava-masin’i Jehovah,+ dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema ho an’i Jehovah izy, ho fanatitra noho ny heloka.+ Tokony ho sekely*+ volafotsy, araka ny sekelin’ny toerana masina, no hanombanana ny vidin’ilay ondry hatao fanatitra noho ny heloka. 16  Hanonitra ilay zavatra nalainy ilay olona nanota tamin’ny toerana masina, ary mbola hanampy ampahadiminy+ izy. Dia homeny an’ilay mpisorona izany mba handrakofany+ ny fahotan’ilay olona, amin’ny alalan’ilay ondrilahy atao fanatitra noho ny heloka, ary havela ny helony.+ 17  “Raha misy olona* manota, ka mandika ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah, eny fa na tsy fantany aza izany,+ dia meloka ihany izy ka hampamoahina noho ny fahadisoany.+ 18  Hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin’ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka.+ Ho araka izay tombam-bidy takin’ny mpisorona ny vidin’ilay ondry. Ary ny mpisorona handrakotra+ ny fahotan’ilay olona noho ny fahadisoana nataony tsy nahy, eny fa na tsy fantany aza izany, ka havela ny helony.+ 19  Fanatitra noho ny heloka izany. Tena meloka+ eo anatrehan’i Jehovah tokoa izy.”

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
1 efaha = 22 litatra.
1 sekely = 11,4 g.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.