Levitikosy 6:1-30

6  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Raha misy olona* manota, izany hoe tsy mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah,+ ka mamitaka+ ny namany momba ny zavatra nampiandraiketina azy na napetraka tany aminy+ na nangalariny, na koa manambaka ny namany,+  na mahita zavatra very+ ka mandainga momba izany, na mianiana lainga+ momba ny iray amin’ny fahotana rehetra mety hataony,  eny, raha manota izy ka meloka,+ dia hamerina an’ilay zavatra nangalariny na nalainy tamin’ny fanambakana, na nampiandraiketina azy, na ilay zavatra very ka hitany,  na izay zavatra rehetra nianianany lainga. Honerany+ manontolo izany, sady mbola hampiany ampahadiminy. Ny tompon’ilay zavatra no homeny izany, amin’ny andro ahitana fa meloka izy.  Ary haka ondrilahy tsy misy kilema+ sady araka ny tombam-bidy takin’ny mpisorona izy, ka hitondra izany ho an’i Jehovah ho fanatitra noho ny heloka,+ ary hanatitra izany any amin’ny mpisorona.  Ary ny mpisorona handrakotra+ ny fahotan’ilay olona, eo anatrehan’i Jehovah, ka havela ny helony, na inona na inona mety ho nataony ka nahameloka azy.”  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Izao didy izao no holazainao amin’i Arona sy ny zanany lahy: ‘Izao no lalàna momba ny fanatitra dorana:+ Hatao eo amin’ny fitoeran’afo eo ambony alitara izany, mandritra ny alina ka mandra-maraina. Ary harehitra eo ny afon’ny alitara. 10  Ary ny mpisorona hanao akanjo fisoronana vita amin’ny lamba rongony,+ sy kilaoty lava+ vita amin’ny lamba rongony, hanaronana ny fitanjahany. Dia hesoriny ny lavenona feno menaka+ avy amin’ny fanatitra dorana, izay levonin’ny afo eo ambony alitara, ka hataony eo anilan’ny alitara. 11  Ary hesoriny ny fitafiany+ ka hosoloany hafa. Dia havoakany ho eny amin’ny toerana madio, eny ivelan’ny toby, ny lavenona feno menaka.+ 12  Havela hirehitra eo ambony alitara ny afo, fa tsy tokony ho faty. Dia handrehitra kitay+ eo isa-maraina ny mpisorona, sady handahatra ny fanatitra dorana eo ambony afo. Ary hodorany ny tavin’ny sorona iombonana mba hidona-tsetroka.+ 13  Havela hirehitra foana eo ambony alitara ny afo,+ fa tsy tokony ho faty. 14  “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra varimbazaha:+ Atolory eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara izany, ry zanakalahin’i Arona. 15  Ary ny iray amin’izy ireo dia haka eran-tanan’ila amin’ny fanatitra varimbazaha, izany hoe amin’ny lafarinina tsara toto sy ny menaka ary ny ditin-kazo manitra rehetra izay eo ambonin’ilay fanatitra. Ary hodorany eo ambony alitara ireo mba hidona-tsetroka ho hanitra mampitony, eny, ho fanatitra fampahatsiahivana+ an’i Jehovah. 16  Ary hohanin’i Arona sy ny zanany lahy ao amin’ny toerana masina ny ambin’ilay fanatitra,+ izay hamboarina ho mofo tsy misy lalivay.+ Eo an-tokotanin’ny tranolay fihaonana no hihinanany azy. 17  Tsy tokony hasiana zavatra misy lalivay izany rehefa hatao ao anaty lafaoro.+ Omeko azy ireo izany ho anjarany avy amin’ny fanatitra atao anaty afo+ aterina ho ahy. Zavatra masina indrindra izany,+ toy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka. 18  Ny lahy+ rehetra taranak’i Arona no hihinana izany. Ho anjarany mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany, avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Ho masina ny zava-drehetra mikasika an’ireny.’” 19  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 20  “Izao no fanatitra+ hatolotr’i Arona sy ny zanany lahy ho an’i Jehovah amin’ny andro anosorana+ an’i Arona ho mpisorona: Lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha,+ ho fanatitra varimbazaha+ atolotra tsy tapaka, ka ny antsasany maraina ary ny antsasany hariva. 21  Andrahoina ao anaty lasitra ilay izy rehefa avy nasiana menaka.+ Efa nafangaro tsara ilay izy vao hoentinao. Mofo efa voatapatapaka no mofon’ny fanatitra varimbazaha hatolotrao ho hanitra mampitony an’i Jehovah. 22  Ny mpisorona, izany hoe izay zanany voahosotra handimby azy,+ no hanao izany. Ary izao no fitsipika mandritra ny fotoana tsy voafetra: Ho fanatitra dorana manontolo izany,+ ka hodorana mba hidona-tsetroka ho an’i Jehovah. 23  Tokony ho fanatitra dorana manontolo ny fanatitra varimbazaha rehetra atolotry ny mpisorona,+ fa tsy tokony hohanina.” 24  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 25  “Lazao amin’i Arona sy ny zanany lahy hoe: ‘Izao no lalàna momba ny fanatitra noho ny ota:+ Eo amin’ny toerana+ famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana eo anatrehan’i Jehovah ny fanatitra noho ny ota. Zavatra masina indrindra izany.+ 26  Ilay mpisorona manolotra izany noho ny ota no hihinana izany,+ ao amin’ny toerana masina,+ eo an-tokotanin’ny+ tranolay fihaonana. 27  “‘Ho masina ny zava-drehetra mikasika ny hena atao fanatitra.+ Ary raha misy akanjo ipitihan’ny ran’ilay fanatitra,+ dia hosasanao ao amin’ny toerana masina ilay akanjo.+ 28  Hopotipotehina ny vilany tany+ nandrahoana ny hena, fa raha vilany varahina kosa izany, dia hokikisana ary hokobanina amin’ny rano. 29  “‘Ny lahy rehetra, izay mpisorona, no hihinana ilay fanatitra.+ Zavatra masina indrindra izany.+ 30  Tsy tokony hohanina anefa ny fanatitra noho ny ota, izay nakana ra+ hoentina ao amin’ny tranolay fihaonana, mba handrakofam-pahotana ao amin’ny toerana masina. Hodorana kosa ilay fanatitra.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.