Levitikosy 7:1-38

7  “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra noho ny heloka:+ Zavatra masina indrindra izany.+  Eo amin’ny toerana+ famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny heloka, ary hafafy+ eo amin’ireo lafin’ny alitara ny ra.+  Raha ny tavin’ilay fanatitra kosa,+ dia ireto avy no hatolotra: Ny rambony matavy, sy ny taviny manarona ny tsinainy,  ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo amin’ny tehezany. Fa ny taviny eo amin’ny aty kosa hesoriny miaraka amin’ny voa.+  Dia hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ireo mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ Fanatitra noho ny heloka izany.  Ny lahy rehetra, izay mpisorona, no hihinana izany,+ ka ao amin’ny toerana masina no hihinanany azy. Zavatra masina indrindra izany.+  Toy ny fanatitra noho ny ota ihany ny fanatitra noho ny heloka. Iray ihany ny lalàna momba azy ireo.+ Ary ho lasan’ilay mpisorona mandrakotra fahotana amin’ny alalan’io fanatitra io izany.  “‘Ho lasan’ilay mpisorona manolotra ny fanatitra dorana aterin’olona kosa ny hoditr’izany+ fanatitra izany.  “‘Ary ny fanatitra varimbazaha rehetra izay natao tao anaty lafaoro,+ na nendasina tao anaty vilany misy menaka,+ na nandrahoina tao anaty lasitra,+ dia an’ilay mpisorona manolotra izany. Eny, ho lasany izany.+ 10  Fa ho an’ny zanakalahin’i Arona rehetra kosa izay fanatitra varimbazaha nafangaro menaka+ na maina.+ Atao mitovy ny an’ny tsirairay. 11  “‘Izao kosa no lalàna momba ny sorona iombonana+ hatolotra ho an’i Jehovah: 12  Raha ho sorona fisaorana+ no anolorana azy, dia ireto avy no hampiarahina aminy: Mofo boribory tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, sy mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka,+ ary mofo boribory natao tamin’ny lafarinina tsara toto efa vonto menaka sady mbola nafangaro menaka. 13  Hatolotra miaraka amin’ny mofo boribory misy lalivay,+ sy miaraka amin’ny sorona iombonana atao sorona fisaorana, ilay fanatitra. 14  Hakana iray avy ireo mofo ireo, ka hatolotra ho anjara masina ho an’i Jehovah.+ Dia ho lasan’ilay mpisorona mamafy ny ran’ny sorona iombonana izany.+ 15  Ary hohanina amin’ny andro anolorana azy ny henan’ny sorona iombonana atao sorona fisaorana, fa tsy tokony hisy hotehiriziny mandra-maraina.+ 16  “‘Ary raha fanatitra fanefana voady+ na fanatitra an-tsitrapo+ ny sorona atolony, dia amin’ny andro anolorany ilay sorona no ihinanany azy. Azo hanina ny ampitso anefa ny ambiny. 17  Fa hodorana kosa ny ambin’ny hena amin’ilay sorona, raha misy tavela amin’ny andro fahatelo.+ 18  Raha misy amin’ny henan’ilay sorona iombonana anefa hohanina amin’ny andro fahatelo, dia tsy hahazo sitraka ilay nanolotra izany,+ ary tsy hekena ny fanatiny.+ Ho lasa zava-maloto izany, ary hampamoahina noho ny fahadisoany izay* mihinana amin’izany.+ 19  Tsy tokony hohanina ny hena nikasika zava-maloto,+ fa hodorana. Fa ny hena hafa kosa, dia afaka mihinana azy izay rehetra madio. 20  “‘Ary izay olona* mbola maloto nefa mihinana ny henan’ny sorona iombonana ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny.+ 21  Ary raha misy olona* mikasika zava-maloto, na fahalotoan’olona+ izany na biby maloto,+ na zava-maharikoriko sady maloto,+ nefa mihinana amin’ny henan’ny sorona iombonana ho an’i Jehovah, dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny.’” 22  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 23  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Aza mihinana tavin-kenan’omby, na tavin-kenan’ny vantotr’ondrilahy, na tavin-kenan’osy.+ 24  Ny tavin’ny biby maty ho azy na noviraviraim-biby,+ dia azonareo ampiasaina amin-javatra hafa na inona na inona, fa tsy azonareo hanina mihitsy. 25  Fa izay mihinana amin’ny tavin’ny biby atolony ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, dia haringana+ tsy ho eo amin’ny fireneny. 26  “‘Aza mihinana ra,+ na ram-borona izany na ram-biby hafa, any amin’izay rehetra onenanareo. 27  Izay* mihinana ra dia haringana+ tsy ho eo amin’ny fireneny.’” 28  Ary hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 29  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Izay manolotra sorona iombonana ho an’i Jehovah dia haka ampahany amin’izany mba hateriny ho an’i Jehovah.+ 30  Ary hoentiny ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah ny tavin-kena+ sy ny tratran’ilay biby. Hoentiny ilay tratrany sy ny tavin-kena, ka hahetsiketsiny* ho fanatitra ahetsiketsika+ eo anatrehan’i Jehovah. 31  Ary hodoran’ny mpisorona eo ambony alitara ny tavin-kena mba hidona-tsetroka,+ fa ny tratrany kosa ho an’i Arona sy ny zanany lahy.’+ 32  “‘Ary homenareo ho anjara masina+ ho an’ny mpisorona ny fe ankavanan’ny sorona iombonana hatolotrareo. 33  Ho anjaran’ilay+ zanakalahin’i Arona manolotra ny ran’ny sorona iombonana sy ny tavin-kena, ilay fe ankavanana. 34  Ary ny tratra izay atao fanatitra ahetsiketsika+ sy ny fe atao anjara masina, dia alaiko avy amin’ny sorona iombonana aterin’ny zanak’Israely, ka homeko an’i Arona mpisorona sy ny zanany lahy: Ho fitsipika mandritra ny fotoana tsy voafetra izany. 35  “‘Izany no anjaran’ny mpisorona, dia i Arona sy ny zanany lahy, avy tamin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, nanomboka tamin’ny andro nanaovana+ azy ireo ho mpisorona teo anatrehan’i Jehovah. 36  Fa efa nandidy ny hanomezana azy ireo izany i Jehovah, tamin’ny andro nanosorany+ azy ireo teo amin’ny zanak’Israely. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho an’ny taranany.’”+ 37  Izany no lalàna momba ny fanatitra dorana,+ ny fanatitra varimbazaha,+ ny fanatitra noho ny ota,+ ny fanatitra noho ny heloka,+ ny sorona atao mba hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany,+ ary ny sorona iombonana.+ 38  Araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay+ izany, tamin’ny andro nandidiany ny zanak’Israely hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah tany an-tany efitr’i Sinay.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Izany hoe mandroso sy mihemotra mankany amin’ny alitara.