Levitikosy 8:1-36

8  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Ento i Arona sy ny zanany lahy+ sy ny fitafian’izy ireo+ sy ny menaka masina fanosorana+ sy ny omby atao fanatitra noho ny ota+ sy ny ondrilahy roa ary ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay.+  Ary vorio+ eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny vahoaka manontolo.”+  Koa nanao araka izay nandidian’i Jehovah i Mosesy, ka nivory teo amin’ny fidirana+ amin’ny tranolay fihaonana ny vahoaka.  Ary hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Izao zavatra izao no nasain’i Jehovah hatao.”+  Dia nampanatonin’i Mosesy i Arona sy ny zanany lahy ka nosasany+ tamin’ny rano.+  Ary nampanaoviny an’i Arona ny akanjo lava,+ sy ny fehikibo lamba,+ sy ny akanjo ivelany tsy misy tanany,+ ary ny efoda.+ Nampanaoviny azy koa ny fehikibon’ny+ efoda, ka io no nangejany ny efoda hipetaka tsara taminy.  Avy eo, dia nampanaoviny azy ny saron-tratra,+ ary nataony tao amin’ny saron-tratra ny Orima sy ny Tomima.+  Dia napetrany teo amin’ny lohan’i Arona ny satroka lamba,*+ ary nataony teo anoloana tamin’ilay satroka ny takela-bolamena mamirapiratra, izay famantarana masina hoe voatokana izy.+ Araka izay nandidian’i Jehovah azy no nataon’i Mosesy. 10  Ary nalain’i Mosesy ny menaka masina fanosorana, ary nohosorany ny tranolay+ sy ny zava-drehetra tao, ka nohamasininy. 11  Dia naka tamin’ilay menaka izy, ka nafafiny impito teo ambony alitara. Ary nohosorany ny alitara+ sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny kovetabe sy ny tongony, mba hanamasinana an’ireo. 12  Nandrarahany menaka masina fanosorana ny lohan’i Arona tamin’ny farany, ka nohosorany izy hanamasinana azy.+ 13  Dia nampanatonin’i+ Mosesy ireo zanakalahin’i Arona ka nampanaoviny akanjo lava sy fehikibo lamba.+ Ary nataony nihodidina tamin’ny lohan’izy ireo ny fehiloha,*+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 14  Nentin’i Mosesy ny omby+ atao fanatitra noho ny ota. Ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay+ omby i Arona sy ny zanany lahy. 15  Dia novonoin’i+ Mosesy ilay omby, ary nalainy tamin’ny rantsantanany iray ny ra,+ ka nahosony teo amin’ireo tandroky ny alitara teo amin’ny zorony efatra. Ary nodioviny ho afaka tamin’ny ota ny alitara. Fa ny ambin-dra kosa nararany teo am-pototry ny alitara mba hanamasinany azy, ka handrakofam-pahotana+ eo amboniny. 16  Dia nalain’i Mosesy daholo ny tavin-tsinain’ilay omby sy ny taviny teo amin’ny aty ary ny voa roa sy ny tavin’ireo, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka.+ 17  Ary nasainy nodorana teny ivelan’ny toby ilay omby sy ny hodiny sy ny henany ary ny tainy,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 18  Ary nampanatoniny ny ondrilahy atao fanatitra dorana. Dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay ondrilahy i Arona sy ny zanany lahy.+ 19  Dia novonoin’i Mosesy ilay ondry, ary nafafiny teo amin’ireo lafin’ny alitara ny ra.+ 20  Ary norasarasainy ilay ondrilahy,+ ka nodorany mba hidona-tsetroka ny lohany sy ny vatany efa voarasarasa ary ny jaborany. 21  Ary nosasany tamin’ny rano ny tsinain’ilay ondry sy ny ranjony. Avy eo, dia nodorany teo ambony alitara ilay ondrilahy manontolo mba hidona-tsetroka.+ Fanatitra dorana izany ho hanitra mampitony.+ Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 22  Dia nampanatoniny ilay ondrilahy faharoa, izay atao sorona mba hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany.+ Ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay ondry i Arona sy ny zanany lahy. 23  Dia novonoin’i Mosesy ilay ondry ary nakany ny rany, ka nataony teo amin’ny ravintsofin’i Arona ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana.+ 24  Avy eo, dia nampanatonin’i Mosesy ireo zanakalahin’i Arona, ary nasiany ra ny ravintsofin’izy ireo ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana. Dia nafafiny teo amin’ireo lafin’ny alitara ny ambin-dra.+ 25  Ary nalainy ny tavin’ilay ondry sy ny rambony matavy, sy ny taviny rehetra teo amin’ny tsinainy+ sy ny taviny teo amin’ny aty sy ny voa roa sy ny tavin’ireo ary ny feny ankavanana.+ 26  Ary naka mofo tao anatin’ilay harona fasiana mofo tsy misy lalivay teo anatrehan’i Jehovah izy, ka nakany iray avy ny mofo boribory tsy misy lalivay,+ sy ny mofo boribory misy menaka,+ ary ny mofo fisaka.+ Napetrany teo ambonin’ny tavin’ilay ondry sy ilay feny ankavanana ireo. 27  Dia napetrany teo amin’ny felatanan’i Arona sy ny zanany lahy ireo rehetra ireo, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah.+ 28  Nalain’i Mosesy teny am-pelatanan’izy ireo izany avy eo ka nodorany teo ambony alitara, teo ambony fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka.+ Sorona atao mba hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany+ izany, ho hanitra mampitony.+ Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.+ 29  Ary nalain’i Mosesy ny tratran’ilay+ ondry ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah.+ Anjaran’i+ Mosesy avy tamin’ilay ondrilahy izay atao sorona mba hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany izany, araka izay nandidian’i Jehovah. 30  Dia nakan’i Mosesy ny menaka masina fanosorana+ sy ny ra teo ambony alitara, ka nafafiny tamin’i Arona sy ny fitafiany, sy tamin’ny zanany lahy sy ny fitafian’ireo. Toy izany no nanamasinany+ an’i Arona sy ny fitafiany, ary ny zanany lahy+ sy ny fitafian’ireo. 31  Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona sy ny zanany lahy: “Andrahoy+ eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny hena, ary eo ianareo no hihinana azy,+ miaraka amin’ny mofo avy tao anatin’ilay harona fampiasa rehefa mametraka mpisorona eo amin’ny toerany. Nodidiana mantsy aho hoe: ‘Hihinana izany i Arona sy ny zanany lahy.’ 32  Ary hodoranareo ny ambin’ny hena sy ny mofo.+ 33  Ary aza miala eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana mandritra ny fito andro,+ mandra-pahatapitry ny andro ametrahana anareo eo amin’ny toeranareo, satria hila fito andro ny fanomezana fahefana*+ anareo ho mpisorona. 34  Tahaka iny natao androany iny no nasain’i Jehovah hatao mba handrakofana ny fahotanareo.+ 35  Ary hijanona fito andro eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ianareo, na andro na alina.+ Ary hajao ilay fotoam-piambenana tsy maintsy atao sy takin’i Jehovah,+ mba tsy ho faty ianareo, fa izany no nandidiana ahy.” 36  Dia nataon’i Arona sy ny zanany lahy izay rehetra nandidian’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy.

Fanamarihana

Jereo F.F. 8.
Jereo F.F. 8.
A.b.t.: “famenoana fahefana ny tananareo.”