Levitikosy 9:1-24

9  Ary niantso an’i Arona sy ny zanany lahy ary ny anti-panahin’ny Israely i Mosesy tamin’ny andro fahavalo.+  Dia hoy izy tamin’i Arona: “Makà zanak’omby ho fanatitra noho ny ota,+ sy ondrilahy ho fanatitra dorana,+ izay samy tsy misy kilema, ka atolory eo anatrehan’i Jehovah.+  Fa izao kosa no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Makà osilahy+ ho fanatitra noho ny ota, ary zanak’omby sy ondrilahy kely,+ izay herintaona avy sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana,  ary omby sy ondrilahy ho sorona iombonana,+ mba hatao sorona eo anatrehan’i Jehovah. Ary makà koa fanatitra varimbazaha+ nafangaro menaka. Anio mantsy no hisehoan’i Jehovah aminareo.’”+  Dia nentin’izy ireo teo anoloan’ny tranolay fihaonana ny zavatra nandidian’i Mosesy. Ary nanatona ny vahoaka manontolo, ka nijoro teo anatrehan’i Jehovah.+  Ary hoy i Mosesy: “Izao no nasain’i Jehovah hataonareo, mba hisehoan’ny voninahitr’i Jehovah aminareo.”+  Hoy koa izy tamin’i Arona: “Manatòna ny alitara, ary atolory ny fanatitrao, dia ny fanatitra noho ny ota+ sy ny fanatitra dorana, ka manaova fandrakofam-pahotana+ ho anao sy ho an’ny fokonao, ary atolory ny fanatitry ny vahoaka+ ka manaova fandrakofam-pahotana+ ho azy ireo, araka izay nandidian’i Jehovah.”  Dia nanatona ny alitara avy hatrany i Arona, ka namono ny zanak’omby atao fanatitra noho ny ota, izay atolotra ho an’ny tenany.+  Ary natolotr’ireo zanany lahy azy ny ra,+ dia natsobok’i Arona tao ny rantsantanany iray,+ ka nahosony teo amin’ireo tandroky ny alitara ny ra.+ Fa ny ambin-dra kosa nararany teo am-pototry ny alitara. 10  Ary nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny tavin-kena+ sy ny voa ary ny taviny teo amin’ny aty, izay samy avy tamin’ilay fanatitra noho ny ota,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. 11  Ary nodorany teny ivelan’ny toby ny henany sy ny hodiny.+ 12  Dia novonoin’i Arona ny fanatitra dorana. Ary natolotr’ireo zanany lahy azy ny ra, ka nafafiny teo amin’ireo lafin’ny alitara.+ 13  Natolotr’izy ireo azy koa ny fanatitra dorana efa voarasarasa sy ny lohany, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka.+ 14  Ary nosasany ny tsinain’ilay fanatitra sy ny ranjony ka nodorany teo ambony fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka teo ambony alitara.+ 15  Dia natolony ny fanatitry ny vahoaka,+ ka nalainy ny osy atao fanatitra noho ny ota, izay atolotra ho an’ny vahoaka. Ary novonoiny izany ka nataony fanatitra noho ny ota, toy ilay voalohany. 16  Dia natolony ny fanatitra dorana, ka nataony araka ny efa fanao.+ 17  Avy eo, dia natolony ny fanatitra varimbazaha+ ary nakany eran-tanan’ila, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka. Ankoatra an’ilay fanatitra dorana tamin’ny maraina izany.+ 18  Taorian’izay, dia novonoiny ny omby, sy ilay ondrilahy atao sorona iombonana,+ izay atolotra ho an’ny vahoaka. Ary natolotr’ireo zanakalahin’i Arona azy ny ra, ka nafafiny teo amin’ireo lafin’ny alitara.+ 19  Fa ny tavin’ilay+ omby, sy ny rambo matavin’ilay+ ondrilahy, sy ny tavy manarona ny tsinay sy ny voa ary ny tavy eo amin’ny aty kosa 20  nataon’ireo zanakalahin’i Arona teo ambonin’ny tratran-kena.+ Ary nodoran’i Arona mba hidona-tsetroka teo ambony alitara izany. 21  Fa ny tratran’ireo biby sy ny feny ankavanana kosa nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika+ eo anatrehan’i Jehovah, araka izay nandidian’i Mosesy. 22  Ary nanandratra ny tanany tandrifin’ny vahoaka i Arona ka nitso-drano azy.+ Dia nidina+ izy, rehefa avy nanolotra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny sorona iombonana. 23  Ary niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona. Nivoaka izy roa lahy avy eo, ka nitso-drano ny vahoaka.+ Koa niseho tamin’ny olona rehetra ny voninahitr’i Jehovah,+ 24  ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’i Jehovah,+ ka nandoro tanteraka ny fanatitra dorana sy ireo taviny teo ambony alitara. Nihorakoraka+ ny olona rehetra raha vao nahita izany, ka niankohoka.

Fanamarihana