Lioka 1:1-80

1  Maro no efa niezaka nanoratra ny tantaran’ny zava-nitranga,+ izay efa inoantsika tanteraka.  Ary nanolotra an’ireny tantara ireny ho antsika ireo vavolombelona nahita maso+ sy ireo nanambara ny teny+ hatrany am-boalohany.+  Koa nanapa-kevitra koa aho, ry Teofilo+ hajaina,+ ny hanoratra azy ireny aminao araka ny filaharany,+ satria efa nofotorako tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady efa nohamariniko,  mba hahafantaranao tsara fa azo antoka ny zavatra nampianarina* anao.+  Tamin’ny andron’i Heroda+ mpanjakan’i Jodia, dia nisy mpisorona atao hoe Zakaria, tao amin’ny fizarana nisy an’i Abia.+ Avy amin’ny taranak’i Arona ny vadiny,+ Elizabeta no anarany.  Samy olo-marina+ teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady, satria nandeha tsy nisy tsiny+ araka ny didin’i+ Jehovah rehetra sy araka izay notakin’ny lalàny.+  Tsy nanan-janaka anefa izy ireo satria momba+ i Elizabeta, ary izy mivady koa samy efa be taona.  Nanao ny asa fisoronana teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria, araka ny nanendrena ny fizarana+ nisy azy.  Anjaran’i Zakaria ny nanolotra emboka manitra+ rehefa niditra tao amin’ny toerana masin’i Jehovah+ izy, araka ny efa fanaon’ny mpisorona. 10  Ary nivavaka teo ivelany ny olona maro be tamin’ny ora fanolorana emboka manitra.+ 11  Dia niseho tamin’i Zakaria ny anjelin’i Jehovah, nitsangana teo ankavanan’ny alitaran’ny emboka manitra.+ 12  Taitra izy nahita izany, ka raiki-tahotra.+ 13  Fa hoy ilay anjely: “Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny fitalahoanao.+ Koa hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao, ary Jaona no hataonao anarany.+ 14  Hifaly sy hiravoravo ianao, ary maro koa no hiravoravo+ amin’ny hahaterahany. 15  Fa ho lehibe eo anatrehan’i Jehovah izy,+ nefa tsy mahazo misotro divay na toaka mihitsy,+ ary ho feno fanahy masina hatrany an-kibon-dreniny+ izy. 16  Hampiverina ny maro amin’ny zanak’Israely ho amin’i Jehovah+ Andriamaniny izy, 17  sady handeha eo alohany amin’ny risi-po* sy ny herin’i Elia+ mba hampody ny fon’ny+ ray ho amin’ny zanany ary ny tsy mankatò ho amin’ny fahendren’ny marina, ary mba hanomana vahoaka ho an’i Jehovah,+ eny, vahoaka voaomana.”+ 18  Hoy i Zakaria tamin’ilay anjely: “Ahoana no ahazoako antoka ny amin’izany? Izaho ange efa antitra e!+ Ary efa tena be taona koa ny vadiko.” 19  Dia hoy ilay anjely: “Izaho no Gabriela,+ izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra. Nirahina hiteny+ aminao aho sady hanambara izany vaovao tsara izany aminao. 20  Fa noho ny tsy ninoanao ny teniko izay ho tanteraka amin’ny fotoana voatondro, dia ho moana+ ianao ka tsy ho afa-miteny mandra-pahatanterak’izany.” 21  Mbola niandry foana an’i Zakaria ny olona,+ ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ny toerana masina. 22  Rehefa nivoaka anefa izy, dia tsy afa-niteny, ka takatr’izy ireo fa vao avy nahita fahitana mahagaga+ tao amin’ny toerana masina izy. Ary nanao baiko moana tamin’izy ireo izy, ary mbola moana ihany. 23  Dia nody izy rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoana ho an’ny besinimaro.+ 24  Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nitoe-jaza+ i Elizabeta vadiny, ka tsy nivoaka ny trano nandritra ny dimy volana. Ary hoy izy: 25  “Izao no fomba nitondran’i Jehovah ahy tamin’ny andro nitsinjovany ahy, mba hanesorany ny fahafaham-barakako teo imason’ny olona.”+ 26  Rehefa nandray enim-bolana ny kibony, dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela+ ho any amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, any Galilia, 27  ho any amin’ny virjiny iray efa voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy amin’ny taranak’i Davida. Maria+ no anaran’ilay virjiny.+ 28  Hoy ilay anjely, rehefa niditra tao aminy: “Arahaba,+ ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah+ momba anao.”+ 29  Taitra mafy anefa izy nahare izany, ka nieritreritra izay mety ho dikan’izany fiarahabana izany. 30  Koa hoy ilay anjely: “Aza matahotra, ry Maria, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra+ ianao. 31  Ary hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy,+ ary ny anarany hataonao hoe Jesosy.+ 32  Ho lehibe izy+ ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra,+ ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i+ Davida rainy.+ 33  Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.”+ 34  Hoy anefa i Maria tamin’ilay anjely: “Ahoana no hetezan’izany, nefa izaho tsy nanao firaisana+ tamin-dehilahy?” 35  Fa hoy ilay anjely: “Ho tonga aminao ny fanahy masina+ ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina,+ Zanak’Andriamanitra.+ 36  Ary i Elizabeta havanao koa efa mitoe-jaza na dia efa antitra aza, ary efa mandray enim-bolana izao ny kibony, dia izy ilay nantsoina hoe vehivavy momba.+ 37  Tsy hisy tsy ho tanteraka mantsy izay lazain’Andriamanitra.”+ 38  Hoy àry i Maria: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah!+ Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao!” Dia nandao azy ilay anjely. 39  Koa niainga i Maria tamin’izany fotoana izany, ary nandeha haingana nankany amin’ny faritra be tendrombohitra, ho any amin’ny tanàna iray tany Joda. 40  Ary niditra tao an-tranon’i Zakaria izy ka niarahaba an’i Elizabeta. 41  Rehefa nandre ny fiarahaban’i Maria i Elizabeta, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony. Ary feno fanahy masina i Elizabeta, 42  ka niantsoantso mafy hoe: “Tahin’Andriamanitra ianao amin’ny vehivavy rehetra, ary tahina+ ilay hateraky ny kibonao! 43  Ahoana no mba nahatongavan’izao voninahitra izao amiko, fa ny renin’ny Tompoko+ no tonga ato amiko? 44  Jereo fa raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba, dia nibitaka noho ny hafaliana be+ ny zaza ato an-kiboko! 45  Sambatra koa ianao fa nino, satria ho tanteraka daholo+ izay nampilazain’i Jehovah+ taminao.” 46  Ary hoy i Maria: “Mankalaza an’i Jehovah+ aho, 47  ary tsy tanako ny hafaliako+ amin’Andriamanitra Mpamonjy+ ahy, 48  satria nijery ny fahambanian’ny mpanompovaviny izy.+ Manomboka izao, dia hilaza ahy ho sambatra+ ny taranaka rehetra, 49  satria nanao asa lehibe ho ahy Ilay mahery, ary masina ny anarany.+ 50  Hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony, dia amin’izay matahotra azy.+ 51  Nanao asa lehibe tamin’ny sandriny+ mahery izy, ary nampiely ny mpirehareha, dia ireo mirehareha noho ny fikasan’ny fony.+ 52  Naetriny hiala tamin’ny seza fiandrianany ny manana fahefana,+ fa nasandrany kosa ny ambany.+ 53  Nataony voky zava-tsoa ny noana,+ ary noroahiny hiala maina ny manankarena.+ 54  Nanampy ny Israely mpanompony+ izy, mba hotsaroany ny famindram-pony,+ 55  araka izay nolazainy tamin’ny razantsika, dia i Abrahama sy ny taranany, mandrakizay.”+ 56  Ary nijanona telo volana teo ho eo tany amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany aminy. 57  Tonga àry izao ny fotoana hiterahan’i Elizabeta, ka niteraka zazalahy izy. 58  Ren’ny mpiara-monina taminy sy ny havany fa lehibe tokoa ny famindram-po nasehon’i Jehovah+ taminy, ka niara-niravoravo taminy ireo.+ 59  Tonga hamora ilay zaza izy ireo tamin’ny andro fahavalo,+ sady efa saika hataony hoe Zakaria, araka ny anaran-drainy, ny anarany. 60  Hoy anefa ny reniny: “Tsy izany mihitsy! Jaona no hatao anarany.” 61  Koa hoy ireo: “Tsy misy manana izany anarana izany ange ny havanao e!” 62  Dia lasa nanontany ny rain’ilay zaza ireo ka nanao baiko moana taminy ny amin’izay tiany hiantsoana azy. 63  Ary nangataka takela-kazo i Zakaria ka nanoratra hoe: “Jaona+ no anarany.” Dia gaga avokoa izy rehetra. 64  Ary nisokatra niaraka tamin’izay ny vavan’i Zakaria+ sady nivaha ny lelany, ka nanomboka niteny izy ary nidera an’Andriamanitra. 65  Raiki-tahotra izay rehetra niara-nonina taminy, ary nanjary ambentin-dresaka eran’ilay faritra be tendrombohitra tany Jodia izany rehetra izany. 66  Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tao am-pony+ ka nilaza hoe: “Ho zaza hanao ahoana loatra re io e?” Fa nomba azy tokoa ny tanan’i+ Jehovah. 67  Feno fanahy masina*+ i Zakaria rainy, ka naminany+ hoe: 68  “Hisaorana anie i Jehovah, Andriamanitry ny Israely,+ satria nitsinjo sy nanafaka+ ny vahoakany+ izy! 69  Ary nanangana tandroka+ famonjena* ho antsika tao amin’ny taranak’i Davida mpanompony izy, 70  araka ny nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminany masina fahiny.+ 71  Nilaza tokoa mantsy izy fa hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.+ 72  Nilaza koa izy fa hamindra fo amin’ny razantsika sy hahatsiaro ny fifanekena masina nataony,+ 73  dia ilay fianianany tamin’i Abrahama razantsika.+ 74  Efa nianiana mantsy izy fa hanome antsika an’ilay voninahitra hanao fanompoana masina ho azy,+ rehefa avy nafahana teo an-tanan’ny fahavalontsika isika.+ Hanao fanompoana masina tsy amin-tahotra isika, 75  ka tsy hivadika ary hanao ny marina eo anatrehany, mandritra ny androm-piainantsika.+ 76  Ary ianao kosa, ry zaza, dia hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra ianao. Ary handeha eo alohan’i Jehovah ianao, eny, hialoha azy hanomana ny lalany,+ 77  ka hanome ho an’ny vahoakany fahalalana momba ny famonjena, amin’ny alalan’ny famelan-keloka,+ 78  noho ny halehiben’ny fangoraham-pon’Andriamanitsika. Hisy mazava+ hiposaka ho antsika avy any amin’ny avo,+ noho izany fangoraham-po izany, 79  mba hanome fahazavana ho an’izay mipetraka ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana,+ mba hitarika ny diantsika ka handehanantsika soa aman-tsara ao amin’ny lalan’ny fiadanana.” 80  Ary nitombo hatrany ilay zaza+ ka nihamato-tsaina, ary nitoetra tany an-tany efitra izy mandra-pisehony an-karihary tamin’ny Israely.

Fanamarihana

Fampianarana am-bava no resahina eto.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Na: “mpamonjy mahery.”