Lioka 11:1-54

11  Ary nivavaka tao amin’ny toerana iray i Jesosy, indray mandeha. Koa rehefa nitsahatra izy, dia hoy ny mpianany anankiray: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay,+ tahaka ny nampianaran’i Jaona ny mpianany.”+  Ary hoy izy tamin’ireo: “Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo:+ ‘Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao!+ Ho tonga anie ny fanjakanao!+  Omeo anay anio izay hanina*+ ilainay anio.  Ary mamelà ny helokay,+ fa izahay koa mba mamela izay nanota*+ taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.’”+  Hoy koa izy: “Iza aminareo moa no mana-namana, ary hankany aminy amin’ny misasakalina, ka hanao hoe: ‘Mba ampisambory mofo telo aho, ry sakaiza,  fa misy namako tonga ao amiko avy tany amin’ny nalehany, nefa tsy manana haroso azy aho’?  Ary mamaly ilay ao an-trano hoe: ‘Aza helingelenina+ intsony aho, fa efa mihidy ny varavarana. Sady efa eto amiko eto am-pandriana ny zanako kely, ka tsy afa-mitsangana hanome zavatra anao aho.’  Lazaiko aminareo fa na tsy hitsangana hanome zavatra azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hitsangana ihany ka hanome izay ilainy, noho ny fikirizany sy ny fahasahiany.+  Koa hoy aho aminareo: Mangataha foana+ dia homena ianareo, mitadiava foana+ dia hahita ianareo, dondòny foana dia hovohana ianareo. 10  Fa izay rehetra mangataka no mahazo,+ ary izay rehetra mitady no mahita, ary izay rehetra mandondòna no hovohana. 11  Fa ray iza eo aminareo moa no angatahan-janany+ trondro, kanefa hanolotra azy bibilava fa tsy trondro? 12  Na angatahan-janany atody ka hanolotra azy maingoka? 13  Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo,+ mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina+ ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!” 14  Ary namoaka demonia nahatonga lehilahy iray ho moana+ izy, taoriana kelin’izay. Koa afa-niteny ilay lehilahy moana rehefa nivoaka ilay demonia, ka gaga ny vahoaka. 15  Fa hoy ny sasany: “Mamoaka demonia amin’ny alalan’i Belzeboba lehiben’ny demonia+ izy.” 16  Ny sasany kosa nangataka famantarana+ taminy avy tany an-danitra, mba hamandrihana azy. 17  Fa fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’ireo,+ ka hoy izy: “Ho foana izay fanjakana miady an-trano, ary ho rava izay ankohonana miady an-trano.+ 18  Koa raha mizarazara hanohitra ny tenany ihany i Satana, ahoana moa no haharetan’ny+ fanjakany? Ianareo mantsy milaza hoe mamoaka demonia amin’ny alalan’i Belzeboba aho. 19  Raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako demonia, amin’ny alalan’iza kosa no amoahan’ny zanakareo+ azy? Noho izany, dia ny zanakareo no hitsara anareo. 20  Fa raha ny rantsantanan’Andriamanitra+ kosa no amoahako demonia dia efa eo aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra+ nefa tsy fantatrareo. 21  Raha miambina ny lapany ny lehilahy matanjaka+ iray mirongo fiadiana, dia ho voaro foana ny fananany. 22  Fa raha tonga hanafika azy kosa ny mahery noho+ izy ka mandresy azy,+ dia ho lasan’io daholo ny fitaovam-piadiana rehetra nitokisany, ka hozarazarainy izay zavatra azony tao. 23  Koa izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko, dia manaparitaka.+ 24  “Rehefa mivoaka avy amin’ny olona iray ny fanahy maloto, dia mamakivaky toerana karakaina izy mitady toeram-pialan-tsasatra. Ary rehefa tsy mahita izy, dia manao hoe: ‘Hiverina any amin’ilay trano nialako aho.’+ 25  Ary hitany fa voafafa madio sy voaravaka ilay trano, nony tonga izy. 26  Dia lasa izy maka fanahy fito+ ratsy noho izy. Rehefa tafiditra ireo, dia mijanona ao. Koa ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny hiafaran’izany olona izany.”+ 27  Raha mbola niteny izany izy, dia nisy vehivavy avy tao amin’ny vahoaka niantsoantso, ka nanao taminy hoe: “Sambatra ny kibo+ izay nitondra anao, sy ny nono izay ninonoanao!” 28  Fa hoy izy: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!”+ 29  Ary nihamaro ny vahoaka nitangorona, ka nanomboka niteny izy hoe: “Taranaka ratsy fanahy ity taranaka ity. Mitady famantarana+ izy, nefa tsy hisy famantarana homena azy afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona.+ 30  Tonga famantarana ho an’ny mponin’i Ninive mantsy i Jona,+ ary ho toy izany koa ny Zanak’olona ho an’ity taranaka ity. 31  Hiaraka hatsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mpanjakavavin’ny+ atsimo ka hanameloka azy, satria avy any amin’ny faran’ny tany izy no tonga mba hihaino ny fahendren’i Solomona. Misy lehibe noho+ i Solomona anefa eto. 32  Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mponin’i Ninive ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo rehefa nitory taminy i Jona.+ Misy lehibe noho+ i Jona anefa eto. 33  Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy any anaty lakaly na ao ambany sobika famarana, fa ataony eo amin’ny fitoeran-jiro kosa izany,+ mba hahita hazavana izay olona miditra. 34  Ny masonao no jiron’ny vatanao. Koa hazava tsara ny tenanao manontolo raha tsotra* ny masonao,+ fa ho maizina kosa ny tenanao raha mifantoka amin’ny zava-dratsy ny masonao.* 35  Koa aoka ianao ho mailo, sao dia haizina ilay hazavana ao anatinao.+ 36  Koa raha mazava ny tenanao manontolo ka tsy misy maizina mihitsy, dia hazava+ toy ny tarafin’ny jiro ny tenanao manontolo.” 37  Nangataka azy mba hiara-misakafo+ aminy ny Fariseo iray, nony avy niteny izany izy. Koa niditra izy, ary nandry ilika hisakafo. 38  Gaga anefa ilay Fariseo nahita fa tsy nisasa+ izy talohan’ny sakafo. 39  Fa hoy ny Tompo taminy: “Ianareo Fariseo manadio ny ivelan’ny kaopy sy ny vilia, nefa ny ao anatinareo+ feno fandrobana sy faharatsiana.+ 40  Ry tsy misaina, tsy izay nanao ny anatiny+ ihany ve no nanao ny ivelany? 41  Fa izay ao am-ponareo no omeo ho fiantrana ny mahantra,+ dia hadio daholo ny zava-drehetra momba anareo. 42  Fa lozanareo Fariseo, satria manome ny ampahafolon’ny+ anana toy ny solila sy ny rota ary ny anana hafa rehetra ianareo, nefa lalovanareo fotsiny ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra! Iretsy tsy maintsy nataonareo, nefa tsy tokony hodianareo tsy hita koa ireto.+ 43  Lozanareo Fariseo, satria tianareo ny toerana eny aloha ao amin’ny synagoga sy ny hoarahabain’ny olona eny an-tsena!+ 44  Lozanareo, satria toy ny fasana tsy miharihary ianareo, ka hitsahin’ny olona nefa tsy fantany akory!”+ 45  Hoy ny navalin’ny olona iray anisan’ireo nahay+ Lalàna: “Mpampianatra ô, manala baraka anay koa ange izany teninao izany e!” 46  Fa hoy i Jesosy: “Lozanareo mahay Lalàna koa, satria ampitondrainareo entana sarotra entina ny olona, nefa ny tenanareo tsy mikasika izany amin’ny rantsantananareo anankiray akory!+ 47  “Lozanareo, satria manorina ny fasan’ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo no namono azy ireny!+ 48  Tena vavolombelon’ny nataon’ny razanareo tokoa ianareo nefa mankasitraka+ izany, satria ireny no namono+ ny mpaminany, fa ianareo kosa no manorina ny fasany. 49  Izany koa no antony nilazan’ny fahendren’Andriamanitra+ hoe: ‘Haniraka mpaminany sy apostoly any aminy aho, ary hisy hovonoiny sy henjehiny, 50  mba hatao ampamoaka ity taranaka ity+ noho ny amin’ny ran’ny mpaminany+ rehetra nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, 51  nanomboka tamin’ny ran’i Abela+ ka hatramin’ny ran’i Zakaria,+ izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny tranon’Andriamanitra.’+ Eny, lazaiko aminareo fa hatao ampamoaka noho ny amin’izany ity taranaka ity. 52  “Lozanareo mahay Lalàna, satria nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana,+ ary ianareo tsy niditra nefa izay handeha hiditra nosakananareo!”+ 53  Koa rehefa nivoaka avy teo izy, dia nifanesika nanery azy mafy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, ary nanototra fanontaniana azy momba ny zavatra maro hafa, 54  sady niandry kendry tohina+ mba hamandrihana+ azy tamin’ny teniny.

Fanamarihana

A.b.t.: “mofo.”
A.b.t.: “mpitrosa.”
Na: “madio; mifantoka amin-javatra iray.”
Jereo Mt 6:23 f.a.p.