Lioka 17:1-37

17  Ary hoy izy tamin’ny mpianany: “Tsy maintsy misy toe-javatra mahatafintohina,+ kanefa lozan’izay iavian’izany!+  Aleo aza hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozon’izany olona izany, ka hatsipy any an-dranomasina+ izy, toy izay hanafintohina ny iray amin’ireny madinika ireny.+  Koa mitandrema ianareo. Ary teneno mafy+ ny rahalahinao raha manota, ka mamelà azy raha mibebaka izy.+  Fa na manota aminao impito aza izy ao anatin’ny indray andro, ka miverina impito eo aminao, manao hoe: ‘Mibebaka aho’, dia tsy maintsy mamela azy ianao.”+  Hoy ny apostoly tamin’ny Tompo: “Ampitomboy ny finoanay.”+  Dia hoy ny Tompo: “Raha manam-pinoana ianareo, na bitika toy ny voan-tsinapy* aza, ary hilaza amin’itsy voaroihazo itsy hoe: ‘Aoka ianao hiongotra ka haniry any an-dranomasina!’, dia hankatò anareo izy.+  “Raha misy aminareo manana mpanompo miasa tany na miandry ondry, ka mody avy any an-tsaha io, iza aminareo moa no hilaza aminy hoe: ‘Avia haingana ianao eto, ary mandria ilika hisakafo’?  Tsy hilaza aminy kosa ve izy hoe: ‘Karakarao ny sakafo harivako, ary anaovy ny aron’akanjonao ka rosoy hanina aho mandra-pitsahatro mihinana sy misotro, ary rehefa vita izany, dia mahazo mihinana sy misotro kosa ianao’?  Ho velom-pisaorana an’ilay mpanompo ve izy, satria nanao izay nasainy natao izy io? 10  Toy izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,+ fa izay tokony ho nataonay no nataonay.’” 11  Namakivaky teo afovoan’i Samaria sy Galilia izy, rehefa nankany Jerosalema.+ 12  Ary raha niditra tao amin’ny tanàna kely anankiray izy, dia nisy boka+ folo lahy tojo azy. Nitsangana teny lavitra teny ireo, 13  ka niantso mafy hoe: “Ry Jesosy Mpampianatra ô, mba iantrao+ izahay!” 14  Ary raha vao nahita azy ireo izy, dia nanao hoe: “Mandehana miseho any amin’ny mpisorona.”+ Dia lasa ireo, ka nadio+ raha mbola teny an-dalana. 15  Rehefa hitan’ny anankiray fa sitrana izy, dia niverina io ka nanome voninahitra+ an’Andriamanitra tamin’ny feo avo. 16  Dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy izy,+ ka nisaotra azy. Ary Samaritanina+ izy io. 17  Koa hoy i Jesosy: “Tsy efa voadio daholo moa izy folo? Fa aiza ny sivy? 18  Dia tsy nisy niverina mba hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity hafa firenena ity ihany ve?” 19  Hoy koa izy taminy: “Mitsangàna ka mandehana. Ny finoanao no nahasitrana anao.”+ 20  Ary nanontanian’ny Fariseo i Jesosy ny amin’ny fotoana hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra.+ Dia hoy ny navaliny: “Tsy mibaribary ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra, 21  ary tsy hisy koa hilaza hoe: ‘Atỳ!’ na ‘Arỳ!’+ Fa eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.”+ 22  Ary hoy izy tamin’ny mpianany: “Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’olona, fa tsy hahita ianareo.+ 23  Ary hilaza aminareo ny olona hoe: ‘Arỳ!’ na ‘Atỳ!’,+ nefa aza mandeha na manaraka azy.+ 24  Fa toy ny tselatra+ manjelanjelatra ka manazava any amin’ny faritra iray ambanin’ny lanitra ka hatrany amin’ny faritra hafa ambanin’ny lanitra, dia ho toy izany koa ny Zanak’olona.+ 25  Fa tsy maintsy hiaritra fijaliana isan-karazany aloha izy, ary holavin’ity taranaka ity.+ 26  Ary toy ny tamin’ny andron’i Noa,+ dia ho toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona:+ 27  Nihinana ny olona, nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina, mandra-pahatongan’ilay andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.+ 28  Dia toy ny tamin’ny andron’i Lota+ koa: Nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly ary nanorina trano. 29  Fa tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara* avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra.+ 30  Dia ho toy izany koa amin’ilay andro hampiharihariana ny Zanak’olona.+ 31  “Amin’izany andro izany, izay eo an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny entany ao an-trano, ary izay any an-tsaha aoka koa tsy hiverina any amin’izay zavatra any aoriany. 32  Tsarovy ny vadin’i Lota.+ 33  Izay mitady hiaro ny ainy* no hamoy izany, fa izay mamoy ny ainy kosa no hiaro izany.+ 34  Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany, dia hisy roa lahy iray fandriana: Ny iray hoentina ary ny iray havela.+ 35  Ary hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary iray ihany: Ny iray hoentina fa ny iray kosa havela.”+ 36 * —— 37  Koa hoy ireo taminy: “Aiza izany, Tompo ô?” Dia hoy izy: “Any amin’izay misy ny faty,+ dia any koa no hiangonan’ny voromahery.”+

Fanamarihana

Jereo Mt 13:31 f.a.p.
Karazana vato mirehitra ny solifara voaresaka eto.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Jereo Mt 17:21 f.a.p.