Lioka 19:1-48

19  Ary niditra tao Jeriko+ izy, ka namakivaky ny tanàna.  Nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy tao, izay lehiben’ny mpamory hetra sady mpanankarena.  Dia nitady hahita+ izany Jesosy izany izy nefa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, fa fohy kely izy.  Koa nihazakazaka mialoha izy, ary nianika aviavidia mba hahita an’i Jesosy, izay efa handalo tamin’izany lalana izany.  Tonga teo àry i Jesosy, ary niandrandra ka nanao taminy hoe: “Ry Zakaiosy, midìna haingana, fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao aho anio.”  Dia nidina haingana izy ka faly nampiantrano azy.  Hitan’ny olona anefa izany, ka nimenomenona+ izy rehetra hoe: “Lasa niantrano ao amin’ny lehilahy mpanota izy.”  Fa Zakaiosy kosa nitsangana, ka nanao tamin’ny Tompo hoe: “Tompo ô, omeko ny mahantra ny antsasaky ny fananako, ary izay rehetra nalaiko tsy ara-drariny tamin’ny fanambakana+ dia honerako avo efatra heny.”+  Dia hoy i Jesosy: “Androany no tonga tato amin’ity trano ity ny famonjena, satria zanak’i Abrahama+ koa izy. 10  Fa tonga hitady sy hamonjy ny very ny Zanak’olona.”+ 11  Raha mbola nihaino izany izy ireo, dia nanohy ny teniny i Jesosy ka nilaza fanoharana, satria efa akaiky an’i Jerosalema izy, sady noheverin’ny mpianatra hoe hiseho avy hatrany ny fanjakan’Andriamanitra.+ 12  Koa hoy izy: “Nisy andriandahy nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.+ 13  Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy, ka nanome azy ireo farantsa folo, ary hoy izy: ‘Manaova raharaham-barotra mandra-pahatongako.’+ 14  Halan’ireo mpiray firenena taminy+ anefa izy. Koa rehefa lasa izy, dia naniraka ambasadaoro ireo hilaza hoe: ‘Tsy tianay ny hanjakan’iny lehilahy iny aminay.’+ 15  “Ary niverina izy, tatỳ aoriana, rehefa avy nandray fahefana hanjaka. Dia nampanantsoiny ireo mpanompo nomeny farantsa volafotsy, mba hahitany izay tombony azon’ireo tamin’ny raharaham-barotra.+ 16  Tonga àry ny voalohany, ka nanao hoe: ‘Nahazoana tombony farantsa folo ny farantsanao anankiray, tompoko.’+ 17  Dia hoy izy taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara! Mendri-pitokisana tamin’ny zavatra tena madinika ianao, ka aoka hanam-pahefana amin’ny tanàna folo.’+ 18  Tonga indray ny faharoa, ka nanao hoe: ‘Nahazoana farantsa dimy ny farantsanao anankiray, tompoko.’+ 19  Hoy koa izy tamin’io: ‘Aoka koa ianao hiandraikitra tanàna dimy.’+ 20  Fa tonga kosa ny anankiray, ka nanao hoe: ‘Intỳ, tompoko, ny farantsanao izay notehiriziko tao anaty lamba. 21  Natahotra anao mantsy aho, satria olona sarotsarotiny ianao, sady maka izay tsy napetrakao no mijinja izay tsy nafafinao.’+ 22  Dia hoy izy taminy: ‘Ny teninao+ ihany no itsarako anao, ry mpanompo ratsy! Fantatrao fa olona sarotsarotiny aho, sady maka izay tsy napetrako no mijinja izay tsy nafafiko.+ 23  Koa nahoana no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako, mba handraisako azy mbamin’ny zanabola rehefa tonga aho?’+ 24  “Ary hoy izy tamin’ireo nijoro teo anilany: ‘Alaivo ilay farantsa any aminy, ka omeo an’ilay manana farantsa folo.’+ 25  Hoy anefa ireo taminy: ‘Efa manana farantsa folo izy, tompoko!’ Ary hoy izy: 26  ‘Lazaiko aminareo fa izay manana dia homena bebe kokoa, ary izay tsy manana, na izay ananany aza halaina aminy.+ 27  Ary ento atỳ koa ireo fahavaloko tsy manaiky hanjakako ireo, ka aripaho eto anatrehako.’”+ 28  Rehefa avy nilaza izany izy, dia nialoha lalana mba hiakatra ho any Jerosalema.+ 29  Ary naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy+ rehefa nanakaiky an’i Betifaga sy Betania, teo amin’ilay tendrombohitra atao hoe Tendrombohitra Oliva,+ 30  ka hoy izy: “Mankanesa ao amin’irỳ tanàna kely tazanareo irỳ. Ary raha vao miditra ao ianareo, dia hahita zanak’ampondra mifatotra, mbola tsy nitaingenan’olona mihitsy. Vahao izy ka ento atỳ.+ 31  Ary raha misy manontany anareo hoe: ‘Fa maninona no vahanareo io?’, dia izao avaly: ‘Misy ilan’ny Tompo azy.’”+ 32  Dia lasa ny iraka, ka nahita araka ny nolazainy taminy.+ 33  Ary raha mbola namaha an’ilay zanak’ampondra anefa ireo, dia hoy ny tompony: “Fa maninona no vahanareo io zanak’ampondra io?”+ 34  Hoy ireo: “Misy ilan’ny Tompo azy.”+ 35  Dia nentin’izy roa lahy tany amin’i Jesosy ilay zanak’ampondra, ka nametrahany ny akanjony ivelany, dia nasainy nitaingina teo i Jesosy.+ 36  Dia namelatra ny akanjony ivelany teo amin’ny lalana ny olona,+ arakaraka ny nandrosoan’i Jesosy.+ 37  Nanomboka niravoravo daholo ny mpianatra maro be, raha vao nanakaiky ny lalana midina mankany amin’ny Tendrombohitra Oliva izy. Ary nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo avo izy ireo, noho ny fahagagana rehetra hitany,+ 38  ka nanao hoe: “Mahazo fitahiana Ilay Mpanjaka tonga amin’ny anaran’i Jehovah!+ Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra!”+ 39  Hoy anefa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ny vahoaka: “Mpampianatra ô, teneno ny mpianatrao.”+ 40  Fa namaly i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato+ no hiantsoantso.” 41  Ary nahatazana an’ilay tanàna izy rehefa nanakaiky, ka nitomany mafy azy,+ 42  sady nanao hoe: “Raha mba nahatakatra+ ny momba ny fiadanana mantsy ianao, na dia amin’ity andro ity aza! Fa miafina amin’ny masonao+ izany ankehitriny. 43  Fa ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao fefy hazo maranitra manodidina anao,+ ka hohodidininy+ ianao ary hampahoriny+ amin’ny lafiny rehetra. 44  Ary hatontany amin’ny tany ianao sy ny zanakao ao aminao,+ ary tsy havelany hisy vato hifanaingina+ eo aminao, noho ny tsy nahatakaranao ny fotoana nanaraha-maso+ anao.” 45  Dia niditra tao amin’ny tempoly izy, ary nanomboka nandroaka an’izay nivarotra tao,+ 46  ka nanao hoe: “Voasoratra hoe: ‘Ary ny tranoko hatao hoe trano fivavahana.’+ Fa ianareo kosa nanao azy ho lava-bato fieren-jiolahy.”+ 47  Ary nampianatra isan’andro teo amin’ny tempoly koa izy. Nitady hamono azy anefa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny lehiben’ny vahoaka,+ 48  saingy tsy nahita fomba tsara hanaovana izany, satria sondriana erỳ ny olona rehetra nihaino azy.+

Fanamarihana