Lioka 2:1-52

2  Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy+ hanoratana ny anaran’ny mponina eran’ilay tany i Aogosto Kaisara.  I Kyrenio no governora tany Syria tamin’io fanoratana voalohany io.  Dia nankany amin’ny tanàna niaviany avy ny olona rehetra mba hosoratana anarana.+  Ary niakatra avy tany Galilia, avy tao an-tanànan’i Nazareta, koa i Josefa, satria anisan’ny taranak’i Davida+ sady fianakaviany. Koa nankany Jodia izy, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe Betlehema,+  mba hisoratra anarana miaraka amin’i Maria,+ izay efa lasa vadiny araka ny efa nifanekeny.+ Ary efa bevohoka+ be i Maria tamin’izay.  Dia tonga ny andro tokony hiterahany, raha mbola tany izy ireo.  Koa niteraka ny zanany lahimatoa+ izy, ary nofeheziny lamba ilay zaza, ka nampandriny tao amin’ny fihinanam-bilona,+ satria tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany amin’ny efitranom-bahiny.  Ary nisy mpiandry ondry koa tany amin’io faritra io. Nitoetra tany an-tsaha izy ireo tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny.  Tampoka teo, dia nisy anjelin’i+ Jehovah nitsangana teo anilan’izy ireo. Nanjelanjelatra nanodidina an’ireo mpiandry ondry ny voninahitr’i Jehovah,+ ka natahotra mafy izy ireo. 10  Hoy anefa ilay anjely: “Aza matahotra fa tonga hilaza vaovao tsara aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra.+ 11  Fa Mpamonjy+ no teraka ho anareo androany ao an-tanànan’i Davida,+ dia i Kristy Tompo.+ 12  Ary izao no famantarana ho anareo: Hahita zaza menavava nofehezina lamba sady mandry ao anaty fihinanam-bilona ianareo.” 13  Ary tampoka teo, dia nisy anjely maro be avy amin’ny tafiky+ ny lanitra niaraka tamin’ilay anjely, ka nidera an’Andriamanitra+ hoe: 14  “Voninahitra any amin’ny avo+ indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany+ eo amin’ny olona ankasitrahany.”+ 15  Rehefa niala teo ireo anjely ka lasa tany an-danitra, dia hoy ny mpiandry ondry: “Andao ho any Betlehema avy hatrany mba hijery izany zava-nitranga nampahafantarin’i Jehovah+ antsika izany.” 16  Dia lasa haingana izy ireo ka nahita an’i Maria sy Josefa, ary hitany koa ny zazakely nandry tao amin’ny fihinanam-bilona. 17  Rehefa hitany ilay zazakely, dia nampahafantariny azy ireo izay nolazaina taminy momba ilay zaza. 18  Ary gaga izay rehetra nandre ny teny nolazain’ny mpiandry ondry, 19  fa i Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany, ka nandinika lalina an’izany tao am-pony.+ 20  Dia niverina ny mpiandry ondry, ka nanome voninahitra sy nidera an’Andriamanitra noho izay rehetra hitany sy reny, araka ny nolazaina taminy. 21  Ary noforana+ ilay zaza rehefa feno valo andro,+ ary natao hoe Jesosy ny anarany,+ araka ny nolazain’ilay anjely talohan’ny nisiany tao am-bohoka.+ 22  Rehefa tapitra ny andro fidiovan’izy ireo+ araka ny lalàn’i Mosesy, dia nentiny niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’i Jehovah, 23  araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Jehovah hoe: “Hatao hoe masina eo anatrehan’i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra.”+ 24  Anisan’ny niakarany tany koa ny hanolotra fanatitra araka ny voalazan’ny lalàn’i Jehovah, dia “domohina roa na zana-boromailala roa.”+ 25  Nisy lehilahy atao hoe Simeona tany Jerosalema, ary olo-marina sy matahotra an’Andriamanitra izy. Niandry ny fampiononana+ ny Israely izy. Ary tao aminy ny fanahy masina. 26  Nahariharin’Andriamanitra taminy tamin’ny alalan’ny fanahy masina koa fa tsy ho faty izy raha tsy efa mahita an’ilay Kristin’i+ Jehovah. 27  Teo ambany herin’ny fanahy*+ àry, dia niditra tao amin’ny tempoly izy. Ary nentin’ny ray aman-dreniny tao ilay zaza mba hanaovana aminy ny fomba mahazatra takin’ny lalàna.+ 28  Dia notrotroin’i Simeona ilay zaza ka nidera an’Andriamanitra izy hoe: 29  “Ry Tompo Fara Tampony ô, avelanao handeha amim-piadanana+ amin’izay ankehitriny ny mpanomponao, araka ny efa teninao, 30  satria efa hitan’ny masoko ny fomba hitondranao famonjena,+ 31  izay nomaninao teo imason’ny firenena rehetra,+ 32  dia hazavana+ izay hanala ny zavatra manarona+ ny firenena+ sady voninahitry ny Israely olonao.” 33  Nahagaga an’ireo ray aman-dreniny foana izay teny nolazaina momba an’ilay zaza. 34  Nitso-drano azy ireo i Simeona, nefa hoy izy tamin’i Maria renin’ilay zaza: “Ity zaza ity no atao ho fandavoana+ sy fananganana ny maro amin’ny Israely,+ sady ho famantarana hohamavoin’ny olona+ 35  —na ianao aza ho toy ny voatrobaky ny sabatra+—mba hiharihary+ ny eritreritra any am-pon’ny maro.” 36  Ary nisy mpaminanivavy atao hoe Ana, zanakavavin’i Fanoela, ao amin’ny fokon’i Asera. Efa tena be taona io vehivavy io. Niara-niaina tamin’ny vadiny nandritra ny fito taona izy, taorian’ny naha virjiny azy. 37  Mpitondratena+ izy, ary efatra amby valopolo taona. Tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly anefa izy, nanao fanompoana masina andro aman’alina+ sady nifady hanina no nitalaho tamim-bavaka. 38  Ary tamin’izay ora izay indrindra, dia nanatona izy ka nisaotra an’Andriamanitra ary niresaka momba ilay zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema.+ 39  Rehefa vitan’izy ireo daholo izay rehetra notakin’ny lalàn’i+ Jehovah, dia niverina tany Galilia izy ireo, tao Nazareta+ tanànany. 40  Ary nitombo hatrany ilay zaza, ka nihanatanjaka+ sady nitombo fahendrena, ary nankasitraka azy foana Andriamanitra.+ 41  Mpankany Jerosalema isan-taona+ ny ray aman-dreniny, tamin’ny fetin’ny Paska. 42  Ary rehefa roa ambin’ny folo taona izy, dia niakatra tany toy ny fanao+ amin’ny fety izy ireo 43  ka nanapitra ny andro fety tany. Fa i Jesosy tovolahikely kosa mbola nijanona tany Jerosalema, nefa tsy tsikaritry ny ray aman-dreniny izany. 44  Noheverin’izy ireo fa niaraka tamin’ireo mpiara-dia taminy izy. Efa nandeha lalana indray andro+ izy ireo vao nitady azy tany amin’ny havany sy ny olom-pantany, 45  nefa tsy nahita azy. Koa niverina tany Jerosalema izy mivady ka nitady azy hatraiza hatraiza. 46  Rehefa afaka telo andro, dia hitany tao amin’ny tempoly izy,+ nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ary nihaino sady nanontany. 47  Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.+ 48  Ary gaga izy mivady rehefa nahita azy, ka hoy ny reniny taminy: “Fa nahoana ianao, anaka, no manao anay toy izao? Jereo fa tena nitebiteby be nitady anao izaho sy rainao.” 49  Hoy anefa izy: “Fa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?”+ 50  Tsy azon’ireo anefa ny teny nolazainy.+ 51  Ary niara-nidina tamin’izy ireo nankany Nazareta izy, ka nankatò+ azy ireo foana. Dia nitahiry tsara izany teny rehetra izany tao am-pony+ ny reniny. 52  Ary nihanitombo fahendrena i Jesosy,+ sady nihalehibe, ary nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.