Lioka 23:1-56

23  Dia nitsangana ny vahoaka rehetra, ka nitondra azy tany amin’i Pilato.+  Ary nanomboka niampanga azy+ izy ireo hoe: “Ity lehilahy ity hitanay nampikomy+ ny firenenay, ary nandrara tsy handoa hetra+ amin’i Kaisara, sady nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.”+  Dia nanontany azy i Pilato hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny Jiosy?” Hoy ny navalin’i Jesosy: “Voalazanao.”+  Dia hoy i Pilato tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny vahoaka: “Tsy hitako izay helok’ity lehilahy ity.”+  Fa vao mainka ireo nanizingizina hoe: “Mampirisika vahoaka hikomy izy rehefa nampianatra eran’i Jodia, nanomboka hatrany Galilia ka hatratỳ.”  Nandre izany i Pilato, ka nanontany azy raha Galilianina izy.  Rehefa avy nohamarininy fa avy any amin’ny faritra iadidian’i Heroda tokoa izy,+ dia nalefany tany aminy, fa tany Jerosalema koa i Heroda tamin’izay.  Faly be i Heroda nahita an’i Jesosy, fa efa ela no naniriany hahita+ azy, satria efa nandre+ momba azy izy, ary nanantena hahita azy hanao famantarana.  Koa nametraka fanontaniana maro taminy izy, nefa tsy namaly i Jesosy.+ 10  Fa nitsangana matetika ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka niampanga mafy azy.+ 11  Dia nanaraby azy i Heroda mbamin’ny miaramila mpiambina azy.+ Nanao azy ho fihomehezana+ i Heroda, ka nampitafy azy lamba mangirana ary namerina azy tany amin’i Pilato. 12  Ary nanjary mpinamana i Heroda sy Pilato+ tamin’izay andro izay, nefa nifandrafy foana izy roa lahy talohan’izay. 13  Dia novorin’i Pilato ny lehiben’ny mpisorona sy ny lohandohany teo amin’ny Jiosy ary ny vahoaka, 14  ka hoy izy: “Nentinareo teto amiko ity lehilahy ity, ka nolazainareo ho mampikomy vahoaka. Nofotopotorako teo anatrehanareo anefa izy, ary tsy hitako izay helony+ ny amin’izay iampanganareo azy. 15  Na i Heroda koa aza tsy nahita izay helony, matoa naveriny tatỳ amintsika izy. Tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty+ izy. 16  Koa hofaiziko+ izy, ary hafahako.” 17 * —— 18  Fa ny vahoaka rehetra kosa niantsoantso indray niredona hoe: “Vonoy io,+ fa i Barabasy no afaho ho anay!”+ 19  Io Barabasy io anefa natao am-ponja satria nitaona olona hikomy tao an-tanàna sady namono olona. 20  Dia niteny tamin’izy ireo indray i Pilato satria te hanafaka an’i Jesosy.+ 21  Fa vao mainka niantsoantso ireo hoe: “Fantsiho! Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!”+ 22  Hoy i Pilato fanintelony: “Fa nahoana? Inona no ratsy nataony? Tsy hitako mihitsy izay tokony hamonoana azy ho faty. Koa hofaiziko izy dia hafahako.”+ 23  Fa mbola nikiry ihany ireo sady niantsoantso mafy nitaky ny hamantsihana azy tamin’ny hazo fijaliana. Ary vao mainka nikiakiaka ireo ka nilefitra ihany i Pilato,+ 24  ary namoaka didy mba hotanterahina izay notakin’izy ireo.+ 25  Koa nalefan’i+ Pilato ilay lehilahy notakiny, dia ilay natao am-ponja satria nitaona olona hikomy sady namono olona. I Jesosy kosa natolony mba hatao araka ny sitrapon’izy ireo.+ 26  Ary raha nitondra an’i Jesosy ireo, dia nihazona an’i Simona, teratany avy any Kyrena, izay avy tany ambanivohitra. Dia nataony teo amin’i Simona ny hazo fijaliana mba hoentiny nanaraka an’i Jesosy.+ 27  Ary nisy vahoaka be sy vehivavy maro be nanaraka an’i Jesosy. Nikapo-tratra noho ny alahelo ireo vehivavy ireo sady nitomany azy. 28  Fa nitodika tany amin’izy ireo i Jesosy, ka nanao hoe: “Aza mitomany ahy intsony, ry zanakavavin’i Jerosalema, fa ny tenanareo sy ny zanakareo itomaniana.+ 29  Ho avy mantsy ny andro hilazan’ny olona hoe: ‘Sambatra ny vehivavy momba, sy ny kibo tsy niteraka ary ny nono tsy ninonoan-jaza!’+ 30  Dia hanomboka hilaza amin’ny tendrombohitra izy ireo hoe: ‘Mianjerà aminay!’, ary amin’ny havoana hoe: ‘Saròny izahay!’+ 31  Koa raha izany no ataon’izy ireo amin’izao hazo mbola mando izao, mainka fa rehefa maina ny hazo?”+ 32  Ary nisy olon-dratsy anankiroa koa nentina hiaraka hovonoina taminy.+ 33  Dia tonga teo amin’ilay toerana atao hoe Ikarandoha+ izy ireo. Ary natao teo amin’ny tsato-kazo izy sy ireo olon-dratsy ireo, ka ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.+ 34  [[Fa hoy i Jesosy: “Ray ô, mamelà+ azy ireo, fa tsy fantany izay ataony.”]] Ary nanao antsapaka izy ireo mba hizarana ny fitafiany.+ 35  Dia nijanona nijery teo ny olona.+ Fa ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy kosa naneso azy hoe: “Ny hafa novonjeny, koa aoka izy hamonjy+ ny tenany raha izy no Kristin’Andriamanitra, ilay Voafidy.”+ 36  Na ny miaramila aza nanao azy ho fihomehezana,+ ka nanatona ary nanome azy divay marikivy,+ 37  sady nanao hoe: “Raha mpanjakan’ny Jiosy ianao, dia vonjeo ny tenanao.” 38  Ary nisy izao soratra izao koa teo amboniny: “Ity no mpanjakan’ny Jiosy.”+ 39  Fa nanomboka nanevateva+ azy ny iray tamin’ireo olon-dratsy nihantona teo hoe: “Ka tsy Kristy moa ianao? Vonjeo ny tenanao sy izahay.” 40  Fa niteny mafy an’io ilay anankiray hoe: “Mbola tsy matahotra an’Andriamanitra ihany ve ianao amin’izao ianao efa voaheloka izao?+ 41  Rariny isika raha melohina, satria mendrika handray ny valin’asantsika, fa izy kosa, tsy mba nanao zavatra tsy nety.”+ 42  Ary hoy koa izy: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.”+ 43  Dia hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko+ any amin’ny Paradisa+ ianao.” 44  Ora fahenina* teo ho eo tamin’izay, kanefa nisy haizina nanarona ny tany manontolo hatramin’ny ora fahasivy,+ 45  satria tsy nazava ny masoandro. Ary triatra nisaraka roa teo afovoany+ ilay ridao+ tao amin’ny toerana masina. 46  Dia niantsoantso mafy i Jesosy hoe: “Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko.”*+ Dia tapitra ny ainy,+ rehefa avy nilaza izany izy. 47  Nahita izay nitranga ilay manamboninahitra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra hoe: “Tena olo-marina tokoa io lehilahy io.”+ 48  Ary nivory teo mba hijery izany ny vahoaka rehetra, ka rehefa hitan’izy ireo izay nitranga, dia niverina izy ireo sady nikapo-tratra. 49  Nijoro teny lavitra teny izay rehetra nahafantatra azy.+ Ary nijoro nijery izany koa ny vehivavy izay nanaraka azy avy tany Galilia.+ 50  Ary nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay sady anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy no lehilahy tsara toetra sy marina.+ 51  Tsy mba nanaiky hanohana ny tetika sy ny zava-dratsy nataon’ireo izy.+ Avy any Arimatia, tanànan’ny Jodianina izy, ary niandry ny fanjakan’Andriamanitra.+ 52  Nankany amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesosy.+ 53  Dia nampidininy ilay faty+ ka nofonosiny lamba rongony tena tsara, ary napetrany tao amin’ny fasana iray+ nolavahana teo amin’ny vatolampy, izay mbola tsy nandevenana mihitsy.+ 54  Andro Fiomanana+ tamin’izay, ary efa harivariva ny andro ka efa hanomboka ny sabata.+ 55  Ary nanaraka tao aoriana koa ireo vehivavy izay niaraka taminy avy tany Galilia, ka nijery ny fasana+ sy ny fomba nametrahana ny fatin’i Jesosy.+ 56  Dia nody izy ireo mba hanomana zavamaniry mani-pofona sy menaka manitra.+ Mazava ho azy anefa fa niala sasatra izy ireo ny sabata,+ satria izany no didy.

Fanamarihana

Jereo Mt 17:21 f.a.p.
Tamin’ny 12 antoandro.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.